Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 125

Nentina Tany Amin’i Anasy i Jesosy ary avy eo Tany Amin’i Kaiafa

Nentina Tany Amin’i Anasy i Jesosy ary avy eo Tany Amin’i Kaiafa

MATIO 26:57-68 MARKA 14:53-65 LIOKA 22:54, 63-65 JAONA 18:13, 14, 19-24

  • NENTINA TANY AMIN’I ANASY, MPISORONABE TALOHA, I JESOSY

  • NOTSARAINA TSY ARA-DRARINY TEO ANATREHAN’NY FITSARANA AVO JIOSY IZY

Nofatorana toy ny jiolahy i Jesosy ary nentina tany amin’i Anasy. I Anasy no mpisoronabe, tamin’i Jesosy nampitolagaga an’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly. (Lioka 2:42, 47) Efa mpisoronabe koa ny zanakalahin’i Anasy sasany, fa i Kaiafa vinantolahiny no mpisoronabe tamin’izay.

Afaka namory an’ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy i Kaiafa, tamin’i Jesosy tany amin’i Anasy. Nisy 71 ny mpikambana tao amin’ilay fitsarana, anisan’izany ny mpisoronabe sy ny mpisoronabe taloha.

Nanontany an’i Jesosy “momba ny mpianany sy ny fampianarany” i Anasy. Hoy fotsiny i Jesosy: “Niresaka tamin’ny olona rehetra ampahibemaso aho. Nampianatra foana tao amin’ny synagoga sy ny tempoly aho, dia tany amin’izay nivorian’ny Jiosy rehetra. Ary tsy niafina mihitsy aho rehefa niteny. Fa nahoana no manontany ahy ianareo? Ireo nihaino ny teniko no anontanio.”—Jaona 18:19-21.

Namely tehamaina an’i Jesosy ny mpiambina iray nijoro teo, sady nibedy azy hoe: “Izany ve no fomba famalinao ny lehiben’ny mpisorona?” Fantatr’i Jesosy anefa fa tsy nisy ratsy nataony, ka hoy izy: “Raha diso izay nolazaiko, dia porofoy izay diso. Fa raha marina kosa, nahoana no mamely ahy ianao?” (Jaona 18:22, 23) Nasain’i Anasy nentina tany amin’i Kaiafa vinantolahiny i Jesosy avy eo.

Efa tafavory tao an-tranon’i Kaiafa ireo anisan’ny Fitsarana Avo, izany hoe ny mpisoronabe sy ny anti-panahin’ny vahoaka ary ny mpanora-dalàna. Tsy ara-dalàna ny mitsara olona amin’ny alin’ny Paska. Tsy nahasakana azy ireo tsy hanatanteraka ny teti-dratsiny anefa izany.

Tsy nanao ny rariny ny ankamaroan’izy ireo. Efa nanapa-kevitra ny Fitsarana Avo fa tokony hovonoina ho faty i Jesosy rehefa avy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. (Jaona 11:47-53) Niray tetika hisambotra an’i Jesosy sy hamono azy koa ny mpitondra fivavahana, andro vitsivitsy talohan’izay. (Matio 26:3, 4) Mbola tsy notsaraina àry i Jesosy dia toy ny efa voaheloka ho faty.

Efa tsy ara-dalàna ilay fivoriana, nefa mbola nitady vavolombelona mandainga hiampanga an’i Jesosy koa ny lehiben’ny mpisorona sy ny olon-kafa anisan’ny Fitsarana Avo. Nahita vavolombelona maro izy ireo, saingy tsy nifanaraka ny fiampangan’ireo. Farany dia nisy anankiroa nilaza hoe: “Efa renay izy nilaza hoe: ‘Harodako ity tempoly nataon-tanana ity ka hanorina hafa tsy nataon-tanana aho rehefa afaka telo andro.’ ” (Marka 14:58) Mbola tsy nifanaraka ihany anefa ny tenin’ireo.

Nanontany an’i Jesosy i Kaiafa hoe: “Tsy mamaly akory ve ianao? Ahoana hoy ianao amin’izany iampangany anao izany?” (Marka 14:60) Nangina i Jesosy fa tsy namaly ny fiampangana diso nolazain’ireo olona tsy mifanara-kevitra ireo. Nanandrana tetika hafa indray àry i Kaiafa Mpisoronabe.

Fantatr’i Kaiafa fa tezitra ny Jiosy rehefa misy olona mitonona ho Zanak’Andriamanitra. Efa nitady hamono an’i Jesosy ny Jiosy tamin’i Jesosy nilaza fa Andriamanitra no Rainy. Nihevitra mantsy izy ireo fa “nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra” izy. (Jaona 5:17, 18; 10:31-39) Nampiasa hafetsena àry i Kaiafa ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Mampianiana anao amin’Andriamanitra velona aho hilaza aminay raha ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra!” (Matio 26:63) Efa niaiky i Jesosy taloha fa Zanak’Andriamanitra izy. (Jaona 3:18; 5:25; 11:4) Raha tsy nanao izany izy teo, dia nety ho toy ny hoe nanda tsy ho Kristy Zanak’Andriamanitra. Hoy àry izy: “Izaho no izy. Ary ho hitanareo ny Zanak’olona hipetraka eo ankavanan’Ilay Mahery ary ho hitanareo ho avy izy, eny amin’ny rahon’ny lanitra.”—Marka 14:62.

Niseho ho taitra i Kaiafa ka nandrovitra ny akanjony ivelany ary niteny hoe: “Nanevateva an’Andriamanitra izy! Inona indray no mbola ilantsika vavolombelona? Efa renareo ilay fanevatevana an’Andriamanitra teo. Ahoana ny hevitrareo?” Namoaka didy tsy ara-drariny ny Fitsarana Avo hoe: “Mendrika ny ho faty izy.”—Matio 26:65, 66.

Nataon’izy ireo ho fihomehezana i Jesosy ary nokapohiny. Nisy koa namely tehamaina sy nandrora ny tarehiny. Nosaronan’izy ireo ny tarehin’i Jesosy avy eo sady mbola nasiany tehamaina, ary naneso izy ireo hoe: “Maminania! Iza ilay namely anao teo?” (Lioka 22:64) Mba eritrereto ange izany e! Natao tsinontsinona ilay Zanak’Andriamanitra. Niharan’ny tsy rariny koa izy satria notsaraina nandritra ny alina.