Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 134

Foana ny Fasana fa Velona i Jesosy!

Foana ny Fasana fa Velona i Jesosy!

MATIO 28:3-15 MARKA 16:5-8 LIOKA 24:4-12 JAONA 20:2-18

  • NATSANGANA TAMIN’NY MATY I JESOSY

  • IREO ZAVA-NITRANGA TEO AMIN’NY FASAN’I JESOSY

  • NISEHO TAMIN’NY VEHIVAVY MAROMARO IZY

Azo antoka fa taitra be ireo vehivavy tonga teo am-pasana, satria toa tsy nisy na inona na inona tao. Nihazakazaka i Maria Magdalena nankany amin’i “Simona Petera sy ilay mpianatra anankiray tian’i Jesosy”, dia ny apostoly Jaona. (Jaona 20:2) Nahita anjely iray ireo vehivavy nijanona teo am-pasana. Nisy anjely iray “nanao akanjo fotsy lava” koa tao am-pasana.—Marka 16:5.

Hoy ilay anjely iray: “Aza matahotra. Fantatro fa i Jesosy, ilay nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. Tsy ato izy fa efa natsangana, araka ny efa nolazainy. Avia, jereo fa teo no nandriany. Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty izy ary hialoha anareo any Galilia.’ ” (Matio 28:5-7) “Nangovitra sy nihetsi-po mafy” ireo vehivavy ireo ka nihazakazaka nilaza tamin’ireo mpianatra.—Marka 16:8.

Efa nahita an’i Petera sy Jaona i Maria tamin’izay. Mbola sempotsempotra izy nilaza hoe: “Nisy naka tao am-pasana ny Tompo, ary tsy fantatray izay nametrahany azy.” (Jaona 20:2) Tonga dia lasa nihazakazaka i Petera sy Jaona. Haingana kokoa i Jaona ka izy no tonga aloha tany am-pasana. Nitsikilo tao anatiny izy ary nahita an’ireo fehim-paty, nefa tsy niditra.

Tonga dia niditra kosa i Petera rehefa tonga ary nahita an’ilay fehim-paty sy ilay lamba natao teo amin’ny lohan’i Jesosy. Izay i Jaona vao niditra ka nino ny tenin’i Maria. Tsy azon’izy roa lahy hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy, na dia efa noresahiny aza izany. (Matio 16:21) Very hevitra izy ireo ka lasa nody. I Maria kosa niverina teo am-pasana ary nijanona teo.

Ireo vehivavy hafa indray nihazakazaka nilaza tamin’ny mpianatra hoe efa natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Nifanena tamin’izy ireo i Jesosy ka nilaza hoe: “Manahoana ianareo!” Avy hatrany izy ireo dia “niankohoka teo anatrehany.” Hoy i Jesosy avy eo: “Aza matahotra! Mandehana milaza amin’ny rahalahiko mba ho any Galilia, fa any no hahitany ahy.”—Matio 28:9, 10; Lioka 24:8-10.

Nisy horohoron-tany talohan’izay ary nisy anjely niseho. “Tora-kovitra” àry ny miaramila teo am-pasana, ka “tsy nahahetsika toy ny maty.” Nankany an-tanàna izy ireo rehefa nahazo aina, ary “nilaza tamin’ny lehiben’ny mpisorona ny zava-nitranga rehetra.” Nikaon-doha ny anti-panahin’ny Jiosy sy ny mpisorona. Nanapa-kevitra izy ireo fa homena vola ny miaramila, mba tsy hitantara an’izay nitranga fa hilaza hoe: “Tonga alina ny mpianany nangalatra azy raha mbola natory izahay.”—Matio 28:4, 11, 13.

Nety ho novonoina ho faty ny miaramila romanina raha resin-tory teo am-perinasa. Nampanantena azy ireo àry ireo mpisorona hoe: “Horesenay lahatra ny governora raha reny izany [ilay lainga hoe natory izy ireo], ka tsy misy tokony hatahoranareo.” (Matio 28:14) Noraisin’ireo miaramila ilay vola ary narahiny ny tenin’ny mpisorona. Niely teo amin’ny Jiosy àry ilay lainga hoe nisy nangalatra ny fatin’i Jesosy.

Mbola nitomany teo am-pasana i Maria Magdalena. Niondrika nijery ny tao am-pasana izy ka nahita anjely roa niakanjo fotsy. Ny iray teo an-dohan’ilay nisy an’i Jesosy ary ny iray teo an-tongotra. Nanontany izy ireo hoe: “Nahoana no mitomany ianao, ravehivavy?” Namaly i Maria hoe: “Nisy naka ny Tompoko, ary tsy fantatro izay nametrahany azy.” Nitodika izy ary nahita olon-kafa. Namerina ny fanontanian’ireo anjely izy io ary nilaza hoe: “Fa iza no tadiavinao?” Noheverin’i Maria fa mpanao zaridaina izy ka hoy i Maria: “Mba lazao amiko, tompoko, izay nametrahanao azy hakako azy, raha ianao no naka azy.”—Jaona 20:13-15.

I Jesosy natsangana tamin’ny maty io niresahan’i Maria io fa tsy fantany. Fantany ihany anefa izy rehefa niantso azy hoe: “Maria!” Ilay fomba mahazatra firesahan’i Jesosy taminy no nahalalany azy. Faly be i Maria ary niteny hoe: “Rabôny!” (midika hoe “Mpampianatra!”) Namikitra tamin’i Jesosy i Maria satria natahotra sao efa hiakatra any an-danitra izy. Hoy anefa i Jesosy: “Aza mamikitra amiko fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho. Fa mandehana any amin’ny rahalahiko ary lazao aminy hoe: ‘Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.’ ”—Jaona 20:16, 17.

Nihazakazaka tany amin’ny toerana nivorian’ny apostoly sy ny mpianatra hafa i Maria avy eo, ary niteny hoe: “Nahita ny Tompo aho!” (Jaona 20:18) Efa nisy vehivavy hafa koa nilaza tamin’izy ireo hoe nahita an’i Jesosy. Noheverin’izy ireo fa “niteniteny foana” anefa ireo vehivavy ireo.—Lioka 24:11.