Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 135

Niseho Tamin’ny Olona Maro i Jesosy Efa Natsangana Tamin’ny Maty

Niseho Tamin’ny Olona Maro i Jesosy Efa Natsangana Tamin’ny Maty

LIOKA 24:13-49 JAONA 20:19-29

  • NISEHO TAMIN’NY MPIANATRA TENY AMIN’NY LALANA HO ANY EMAOSY I JESOSY

  • NOHAZAVAINY TAMIN’NY MPIANANY FOANA NY SORATRA MASINA

  • TSY NISALASALA INTSONY I TOMASY

Kivy ny mpianatra ny alahady 16 Nisana. Tsy azon’izy ireo hoe nahoana no foana ilay fasana. (Matio 28:9, 10; Lioka 24:11) Niala tao Jerosalema i Kleopasy sy ny mpianatra iray hafa tamin’io andro io ary nankany Emaosy. Lalana 11 kilaometatra teo ho eo izany.

Niresaka an’izay nitranga izy ireo teny an-dalana. Tafaraka tamin’izy ireo avy eo ny lehilahy iray tsy fantany. Hoy izy io: “Inona izany iadianareo hevitra etỳ an-dalana izany?” Namaly i Kleopasy hoe: “Vahiny mipetraka irery any Jerosalema angaha ianao no tsy mahalala ny zava-nitranga tany tato ho ato?” Hoy ilay lehilahy: “Zavatra inona?”—Lioka 24:17-19.

Namaly izy ireo hoe: “Ny momba an’i Jesosy avy any Nazareta.” Hoy koa izy ireo: ‘Nanantena izahay fa izy no voatendry hanafaka ny Israely.’—Lioka 24:19-21.

Notantarain’i Kleopasy sy ny namany an’ilay lehilahy izay nitranga tamin’io andro io. Nitantara izy ireo fa nisy vehivavy nankany amin’ny fasan’i Jesosy ka nahita fa foana ilay fasana sady nahita maso an’ireo anjely nilaza hoe velona i Jesosy. Nilaza izy roa lahy fa nisy olon-kafa koa nankany amin’ilay fasana ka nahita an’izay “nolazain’ireo vehivavy.”—Lioka 24:24.

Tsy azon’ireo mpianatra roa lahy ny dikan’ilay zava-nitranga. Diso hevitra izy ireo ary nisy vokany teo amin’ny fony izany. Hentitra àry ilay lehilahy nanitsy azy ireo hoe: “Tsy mieritreritra ianareo, ary votsa fo ka ela vao mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany! Moa tsy tokony hiaritra an’izany rehetra izany ve i Kristy, ka hiditra ao amin’ny voninahiny?” (Lioka 24:25, 26) Nohazavainy tamin’izy ireo avy eo ny andinin-teny maro momba an’i Kristy.

Mbola te hihaino an’ilay lehilahy ireo mpianatra roa rehefa tonga teo akaikin’i Emaosy izy telo lahy. Hoy àry ireo mpianatra: “Mijanòna atỳ aminay fa efa ho hariva izao, ary efa hifarana ny andro.” Nanaiky ilay lehilahy ary niara-nisakafo izy ireo. Fantatr’izy ireo fa i Jesosy ilay lehilahy rehefa nivavaka sy nanapaka ny mofo izy ary nanolotra izany ho azy ireo. Nanjavona anefa izy avy eo. (Lioka 24:29-31) Izay izy ireo vao tena nino hoe velona i Jesosy.

Falifaly erỳ izy roa lahy nifampiresaka hoe: “Tsy toy ny nisy afo niredareda ve tao am-pontsika tamin’izy niresaka tamintsika teny an-dalana, ka nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?” (Lioka 24:32) Niverina haingana tany Jerosalema izy ireo ka nahita ny apostoly sy ny olon-kafa niaraka taminy. Mbola tsy nitantara izay nitranga i Kleopasy sy ny namany, dia efa nisy nilaza hoe: “Tena marina fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simona!” (Lioka 24:34) Nitantara ny nisehoan’i Jesosy taminy izy roa lahy avy eo. Nahita maso azy koa izy roa lahy.

Taitra be izy rehetra avy eo fa niseho tao amin’ilay efitra nisy azy i Jesosy. Tsy nampino izany satria nihidy ny varavarana noho izy ireo natahotra ny Jiosy. Nijoro teo afovoan’izy ireo anefa i Jesosy ary niteny hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Natahotra izy ireo ary ‘nihevitra fa anjely no hitany.’ Efa nieritreritra toy izany izy ireo, indray mandeha.—Lioka 24:36, 37; Matio 14:25-27.

Nasehon’i Jesosy an’ireo mpianatra ny tanany sy ny tongony mba hanaporofoana fa tsy nanonofy fotsiny izy ireo na nahita anjely, fa tena i Jesosy nitafy nofo no teo anoloany. Hoy izy: “Nahoana no taitra ianareo? Ary nahoana no manjary misalasala ianareo ao am-ponareo? Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa izaho ihany ity. Ary tsapao aho ka jereo fa ny anjely tsy manana nofo sy taolana toy izao ahitanareo ahy izao.” (Lioka 24:36-39) Faly be izy ireo sady gaga, nefa mbola tsy tena nino ihany.

Hoy ihany i Jesosy mba hanampiana azy ireo: “Manan-javatra azo hanina ve ianareo ato?” Nomen’izy ireo sombin-trondro natono izy ka nihinana. Hoy izy avy eo: “Izao no teny nolazaiko taminareo fony aho mbola teo aminareo [talohan’ny nahafatesako], fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo.”—Lioka 24:41-44.

Efa nanampy an’i Kleopasy sy ny namany mba hahazo ny voalazan’ny Soratra Masina i Jesosy. Nampiany indray ireo rehetra tafavory teo ka hoy izy: “Araka izany, dia efa voasoratra fa hijaly i Kristy ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo, ary amin’ny anarany no hitoriana any amin’ny firenena rehetra ny fibebahana hahazoana famelan-keloka. Manomboka eto Jerosalema, dia ho vavolombelon’izany ianareo.”—Lioka 24:46-48.

Tsy teo ny apostoly Tomasy tamin’izay. Falifaly erỳ ny hafa andro vitsivitsy tatỳ aoriana nilaza taminy hoe: “Nahita ny Tompo izahay!” Hoy anefa i Tomasy: “Raha tsy hitako ny mariky ny fantsika eo amin’ny tanany ka ataoko eo amin’ilay marika ny rantsantanako, ary ataoko eo amin’ny takibany ny tanako, dia tsy hino mihitsy aho.”—Jaona 20:25.

Nivory tao anaty trano mihidy indray ny mpianatra, valo andro tatỳ aoriana, ary teo i Tomasy. Nitafy nofo i Jesosy ary niseho teo afovoan’izy ireo indray sady niteny hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Hoy izy tamin’i Tomasy: “Ataovy eto ny rantsantananao, ary jereo ny tanako, ary ataovy eto amin’ny takibako ny tananao. Ary aza mba anisan’ny tsy mino intsony fa minoa.” Hoy i Tomasy: “Ry Tompoko sy Andriamanitro!” (Jaona 20:26-28) Izay izy vao tena nino hoe velona i Jesosy ary lasa anjely mahery solontenan’i Jehovah Andriamanitra.

Hoy i Jesosy: “Noho ianao nahita ahy ve no inoanao? Sambatra izay tsy mahita nefa mino.”—Jaona 20:29.