Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 136

Teo Amoron’ny Ranomasin’i Galilia

Teo Amoron’ny Ranomasin’i Galilia

JAONA 21:1-25

  • NISEHO TEO AMORON’NY RANOMASIN’I GALILIA I JESOSY

  • NASAINA NAMAHANA AN’IREO ONDRY I PETERA SY NY HAFA

Nilaza tamin’ny apostoly i Jesosy ny alina farany niarahan’izy ireo hoe: ‘Rehefa hatsangana aho, dia hialoha anareo any Galilia.’ (Matio 26:32; 28:7, 10) Maro àry ny mpanara-dia azy nankany Galilia. Inona no tokony hataon’izy ireo any?

Hoy i Petera tamin’ny apostoly enina rehefa tonga tany: “Handeha hanarato aho.” Namaly izy enina hoe: “Izahay koa hiaraka aminao.” (Jaona 21:3) Tsy nahazo trondro izy ireo nandritra ny alina. Niseho teo amin’ny torapasika i Jesosy rehefa nadiva haraina nefa tsy fantatr’izy ireo. Hoy i Jesosy: “Manan-kohanina ve ianareo, anaka?” Namaly izy ireo hoe: “Tsia!” Hoy i Jesosy: “Atsipazo eo ankavanan’ny sambokely ny harato fa hahazo ianareo.” (Jaona 21:5, 6) Nanao izany izy ireo ka nahazo trondro be dia be, ary tsy zakany nakarina ny haratony.

Hoy i Jaona tamin’i Petera: “Ny Tompo io!” (Jaona 21:7) Nisikinan’i Petera avy hatrany ny akanjony, satria tsy nanaovany izany rehefa nanarato izy. Nitsoraka tao anaty ranomasina izy, ary nilomano 90 metatra teo ho eo nankeny amin’ny torapasika. Nandeha mora tamin’ny sambokely kosa ny hafa, sady nisintona an’ilay harato feno trondro.

Rehefa tonga teo amin’ny torapasika izy ireo dia nahita “afon-tsaribao nisy trondro teo amboniny, ary mofo.” Hoy i Jesosy: “Itondray amin’ny trondro vao azonareo aho.” Notaritin’i Petera ilay harato nisy trondro vaventy 153. Hoy i Jesosy: “Avia hisakafo maraina.” Tsy nisy sahy nanontany izy ireo hoe: “Iza ianao?”, satria fantany fa i Jesosy io. (Jaona 21:9-12) Fanintelony tamin’io izy no niseho tamin’ny mpianatra maromaro.

Nomen’i Jesosy mofo sy trondro izy ireo. Nijery an’ireo trondro angamba i Jesosy avy eo, ary nanontany hoe: “Ry Simona zanak’i Jaona, tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an’iretsy ve ianao?” Tian’i Petera kokoa noho ilay asa tian’i Jesosy hataony ve ny manarato? Namaly i Petera hoe: “Eny, Tompo ô, fantatrao fa miraiki-po aminao aho.” Hoy i Jesosy: “Fahano àry ny zanak’ondriko.”—Jaona 21:15.

Hoy indray i Jesosy: “Ry Simona zanak’i Jaona, tia ahy ve ianao?” Gaga angamba i Petera ka nanamafy hoe: “Eny, Tompo ô, fantatrao fa miraiki-po aminao aho.” Hoy ihany i Jesosy: “Andraso àry ny ondrikeliko.”—Jaona 21:16.

Nanontany fanintelony i Jesosy hoe: “Ry Simona zanak’i Jaona, miraiki-po amiko ve ianao?” Nieritreritra angamba i Petera hoe sao dia tsy mino i Jesosy fa tsy hivadika izy. Nafana fo be àry izy namaly hoe: “Tompo ô, ianao mahalala ny zava-drehetra. Fantatrao fa miraiki-po aminao aho.” Mbola nanamafy i Jesosy hoe: “Fahano ny ondrikeliko.” (Jaona 21:17) Mila mikarakara an’ireo ondry notaomin’Andriamanitra ho ao amin’ny valany tokoa ireo notendren’i Jesosy hitarika.

Nofatorana sy novonoina i Jesosy satria nanao ny asa nampanaovin’Andriamanitra. Nasehony an’i Petera fa ho toy izany koa no hiafarany. Hoy izy: “Fony mbola tanora kokoa ianao, dia ianao ihany no nampiakanjo ny tenanao, ary nankany amin’izay tianao haleha ianao. Fa rehefa mihantitra kosa ianao, dia hanatsotra ny tananao, ka olon-kafa no hampiakanjo anao sy hitondra anao any amin’izay tsy tianao haleha.” Hoy anefa i Jesosy: “Manaraha ahy mandrakariva.”—Jaona 21:18, 19.

Nahita ny apostoly Jaona i Petera ka nanontany hoe: “Tompo ô, inona kosa no hataon’itsy?” Inona tokoa ny hoavin’ilay apostoly tena tian’i Jesosy? Hoy i Jesosy: “Mampaninona anao moa raha tiako hitoetra mandra-piaviko izy, na tsia?” (Jaona 21:21-23) Tokony hanara-dia an’i Jesosy i Petera fa tsy hiasa saina hoe inona no ataon’ny hafa. Nasehon’i Jesosy koa fa ho ela velona kokoa noho ny apostoly hafa i Jaona, ary hahazo fahitana momba ny fahatongavan’i Jesosy rehefa lasa Mpanjaka.

Mbola nanao zavatra maro hafa i Jesosy, ka raha nosoratana izany dia tsy ho omby na horonam-boky maro aza.