Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 138

Teo Ankavanan’Andriamanitra i Kristy

Teo Ankavanan’Andriamanitra i Kristy

ASAN’NY APOSTOLY 7:56

  • NIPETRAKA TEO ANKAVANAN’ANDRIAMANITRA I JESOSY

  • LASA MPIANATR’I JESOSY I SAOLY

  • TOKONY HIFALY ISIKA

Voaporofo fa efa tena tany an-danitra i Jesosy tamin’ny Pentekosta, izany hoe folo andro taorian’ny niakarany tany. Nandatsaka ny fanahy masina mantsy izy tamin’io. Mbola nisy porofo hafa tatỳ aoriana. Hoy i Stefana mpianatr’i Jesosy, taloha kelin’ny nitoraham-bato azy noho izy sahy nitory: “Io fa hitako ny lanitra misokatra, ary ny Zanak’olona mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.”—Asan’ny Apostoly 7:56.

Nahazo ny fanahy masina i Davida ka nanoratra hoe: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko [Jesosy]: ‘Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ ” Niandry ny hilazana taminy an’io didy mazava io i Jesosy rehefa tonga tany amin’ny Rainy tany an-danitra. ‘Nanjaka teo anivon’ny fahavalony’ izy rehefa tapitra io fotoana niandrasany io. (Salamo 110:1, 2) Inona anefa no nataon’i Jesosy teo am-piandrasana?

Lasa nisy ny fiangonana kristianina tamin’ny Pentekosta taona 33. Nanomboka nanjaka avy tany an-danitra i Jesosy tamin’io, ka ireo mpianany voahosotry ny fanahy no nanjakany. (Kolosianina 1:13) Nitarika azy ireo hanao ny asa fitoriana izy ary nanomana azy ireo ho amin’ny andraikiny. Andraikitra inona? Hatsangana amin’ny maty ireo tsy mivadika mandra-pahafatiny, ary hiara-manjaka amin’i Jesosy.

Anisan’ireo miavaka amin’ireo ho lasa mpanjaka ireo i Saoly, izay fantatra amin’ilay anarana romanina hoe Paoly. Jiosy izy ary efa ela no nazoto nitandrina ny Lalàn’Andriamanitra. Tena voafitaky ny mpitondra fivavahana anefa izy ka nankasitrahany hatramin’ny fitoraham-bato an’i Stefana. “Nandrahona sy nitady handripaka ny mpianatry ny Tompo” izy ka nankany Damaskosy. Nahazo fahefana tamin’i Kaiafa Mpisoronabe izy mba hisambotra ny mpianatr’i Jesosy sy hitondra azy ireo any Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 7:58; 9:1) Nisy hazavana nanjelanjelatra nanodidina azy anefa tamin’izy teny an-dalana, ka lavo tamin’ny tany izy.

Nisy feo avy eo nilaza hoe: “Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao?” Nanontany i Saoly hoe: “Iza moa ianao, tompoko?” Namaly ilay feo hoe: “Izaho no Jesosy izay enjehinao.”—Asan’ny Apostoly 9:4, 5.

Nasain’i Jesosy nankany Damaskosy i Saoly ary hiandry toromarika. Tsy maintsy notantanana anefa izy satria lasa jamba noho ilay hazavana mahagaga. Nisehoan’i Jesosy tamin’ny fahitana koa i Ananiasy, mpianatr’i Jesosy tao Damaskosy. Nasain’i Jesosy nankany amin’ny toerana iray izy mba hitady an’i Saoly. Natahotra izy nefa nanome toky azy i Jesosy hoe: “Fanaka voafidy ho ahy izany lehilahy izany, mba hitondra ny anarako any amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely.” Nahita indray i Saoly ary nanomboka nitory tao Damaskosy, ka “nilaza fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra.”—Asan’ny Apostoly 9:15, 20.

Nampian’i Jesosy i Paoly sy ny mpitory ny vaovao tsara hafa ary nanohy an’ilay fitoriana natombok’i Jesosy. Notahin’Andriamanitra izy ireo ka tena nahita vokatra. Nanoratra mantsy i Paoly, 25 taona teo ho eo taorian’ilay nisehoan’i Jesosy taminy, fa efa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara.—Kolosianina 1:23.

Nisy fahitana maromaro nasehon’i Jesosy an’i Jaona, ilay apostoly tena tiany, taona maro tatỳ aoriana. Hita ao amin’ny Apokalypsy izany. Toy ny hoe nahita maso ny fiverenan’i Jesosy efa lasa Mpanjaka i Jaona. (Jaona 21:22) “Tonga tamin’ny andron’ny Tompo teo ambany herin’ny fanahy masina” i Jaona. (Apokalypsy 1:10) Oviana ny “andron’ny Tompo”?

Hita fa tamin’ny 1914 no nanomboka izy io, rehefa dinihina tsara ny faminanian’ny Baiboly. Nipoaka ny Ady Lehibe I tamin’io taona io. Taorian’izay, dia vao mainka nisy ady, areti-mandringana, mosary, horohoron-tany, ary olana hafa. Ireo no porofo fa efa miseho eran-tany ilay “famantarana” momba ny ‘fanatrehan’i Jesosy’ sy “ny farany”, araka ny noresahin’i Jesosy tamin’ny apostoliny. (Matio 24:3, 7, 8, 14) Torina eran-tany izao ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, fa tsy any amin’ny faritra nanjakan’ny Romanina ihany.

Inona no dikan’ireo rehetra ireo? Nahazo herin’ny fanahy masina i Jaona ka nanoratra hoe: “Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy ny fahefan’ny Kristiny.” (Apokalypsy 12:10) Tena misy ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, izay notorin’i Jesosy hatraiza hatraiza.

Vaovao faran’izay tsara ho an’ny mpianatr’i Jesosy tsy mivadika rehetra izany. Tokony hoeritreretin’izy ireo tsara àry ny tenin’i Jaona hoe: “Noho izany, dia mifalia ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy! Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.”—Apokalypsy 12:12.

Efa tsy miandry eo ankavanan’ny Rainy intsony i Jesosy izao. Efa Mpanjaka am-perinasa izy ary tsy ho ela dia handringana ny fahavalony rehetra. (Hebreo 10:12, 13) Inona àry no zavatra mahafaly miandry antsika?