Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 139

Hanova ny Tany ho Paradisa i Jesosy ary Hamita ny Asa Nasaina Nataony

Hanova ny Tany ho Paradisa i Jesosy ary Hamita ny Asa Nasaina Nataony

1 KORINTIANINA 15:24-28

  • NY HIAFARAN’NY ONDRY SY NY OSY

  • MARO NO HIAINA AO AMIN’NY PARADISA ETO AN-TANY

  • VOAPOROFO FA I JESOSY NO LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA

Vao vita batisa i Jesosy ary mbola tsy nanomboka ny fanompoany akory, dia efa nisy fahavalo tapa-kevitra ny hampivadika azy. Naka fanahy azy imbetsaka ny Devoly. Hoy i Jesosy tatỳ aoriana momba an’io anjely ratsy io: “Avy ilay mpitondra an’izao tontolo izao. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.”—Jaona 14:30.

Hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana izay hanjo an’ilay “dragona lehibe”, dia “ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana.” Hitany fa horoahina avy any an-danitra io fahavalon’ny olombelona io ary ho “tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Apokalypsy 12:9, 12) Manana porofo ny Kristianina fa efa miaina amin’io ‘fotoana fohy’ io, ary tsy ho ela dia hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka “ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany.” Tsy ho afaka hanao na inona na inona izy mandritra ny 1 000 taona. Hanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa i Jesosy.—Apokalypsy 20:1, 2.

Inona no hitranga eto an-tany amin’io fotoana io? Iza no hiaina eto ary hanao ahoana ny fiainana? I Jesosy mihitsy no namaly izany, ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy. Nolazainy tao ny hoavin’ireo olo-marina toy ny ondry, izay miara-miasa amin’ny rahalahin’i Kristy sy manao soa amin’izy ireo. Inona kosa no hanjo an’izay tsy manao an’ireo, izany hoe ireo toy ny osy? Hoy i Jesosy: “Ho any amin’ny fandringanana mandrakizay ireo [ny osy], fa ny olo-marina [ny ondry] kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”—Matio 25:46.

Azontsika avy amin’izany ny tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay jiolahy teo akaikiny tamin’izy novonoina. Tsy nitovy tamin’ny valisoan’ny apostoly tsy mivadika ny valisoa nampanantenain’i Jesosy azy io. Hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra mantsy ireo apostoly. Hoy kosa izy tamin’ilay jiolahy nibebaka: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43) Afaka nanantena àry io lehilahy io fa hiaina ao amin’ny Paradisa, izay toy ny zaridaina kanto. Hiaina ao amin’io Paradisa io koa ny olon-kafa toy ny ondry, izay hahazo ny “fiainana mandrakizay.”

Mifanaraka amin’izay nolazain’ny apostoly Jaona izany. Hoy izy momba ny fiainana eto an-tany amin’ny hoavy: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.

Tsy maintsy hatsangana amin’ny maty ilay jiolahy mba hahafahany hiaina ao amin’ny Paradisa. Tsy izy irery anefa no hatsangana amin’ny maty. Hoy mantsy i Jesosy: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.”—Jaona 5:28, 29.

Ary ireo apostoly tsy mivadika sy ireo olona vitsivitsy hiaraka amin’i Jesosy any an-danitra? Hoy ny Baiboly: “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.” (Apokalypsy 20:6) Lehilahy sy vehivavy avy eto an-tany ireo hiara-manjaka amin’i Kristy ireo. Azo antoka àry fa hahay hangoraka sy ho tsara fanahy izy ireo rehefa hanjaka amin’ny olona eto an-tany.—Apokalypsy 5:10.

Hanampy ny olombelona handray soa amin’ny sorom-panavotana i Jesosy ka hanafaka azy ireo amin’ny ota nolovana. Hanampy ny olona tsy mivadika mba ho lasa lavorary izy sy ireo mpiara-manjaka aminy. Hankafy ny fiainana ny olombelona satria ho tanteraka ilay fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, tamin’izy nandidy an’i Adama sy Eva mba hiteraka sy hameno ny tany. Na ny fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama aza tsy hisy intsony.

Ho vitan’i Jesosy àry izay rehetra nasain’i Jehovah nataony. Hanolotra ny Fanjakana amin’ny Rainy izy amin’ny faran’ny arivo taona ary homeny azy ny fianakavian’olombelona lavorary. Manetry tena tokoa i Jesosy. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra, dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.”—1 Korintianina 15:28.

Manana anjara lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra tokoa i Jesosy. Ho tanteraka tsikelikely ireny fikasany faran’izay tsara ireny, mandritra ny mandrakizay. Ho hita àry fa tena marina ny tenin’i Jesosy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.”—Jaona 14:6.