Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 4

Ny Fanompoan’i Jesosy Faramparany Tany Jodia

“Iangavio ny Tompon’ny vokatra mba haniraka mpiasa.”​—LIOKA 10:2

Ny Fanompoan’i Jesosy Faramparany Tany Jodia

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 66

Tamin’ny Fetin’ny Tranolay Tao Jerosalema

Nahoana ny olona nihaino an’i Jesosy no nihevitra fa misy demonia izy?

TOKO 67

“Mbola Tsy Nisy Olona Niteny Tahaka Izany Mihitsy”

Saika ny olona rehetra tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy no nanohitra an’i Jesosy. Iray ihany no sahy niaro azy.

TOKO 68

Ny Zanak’Andriamanitra no “Fahazavan’izao Tontolo Izao”

Hoy i Jesosy: “Ny marina hanafaka anareo.” Hanafaka amin’ny inona ny marina?

TOKO 69

Abrahama sa ny Devoly no Rain’izy Ireo?

Nolazain’i Jesosy hoe ahoana no amantarana ny zanak’i Abrahama. Nolazainy koa hoe iza no tena Rainy.

TOKO 70

Nanasitrana Lehilahy Teraka Jamba i Jesosy

Nanontany ny nahajamba an’ilay lehilahy ny mpianatra. Izy no nanota sa ny ray aman-dreniny? Tsy nitovy ny fihetsiky ny olona rehefa nositranin’i Jesosy izy io.

TOKO 71

Niady Hevitra Tamin’ilay Lehilahy Jamba Taloha ny Fariseo

Nitombina ny tenin’ilay jamba taloha ka tezitra be ny Fariseo. Noroahin’izy ireo avy tao amin’ny synagoga izy, araka ny efa natahoran’ny ray aman-dreniny.

TOKO 72

Naniraka Mpianatra 70 mba Hitory i Jesosy

Nirahin’i Jesosy hitory ny Fanjakan’Andriamanitra tao Jodia ny mpianatra 70 lahy. Tao amin’ny synagoga sa tany an-tranon’olona izy ireo no nirahina hitory?

TOKO 73

Nasehon’ny Samaritanina Iray fa Tena Namana Izy

Ahoana no nampianaran’i Jesosy lesona lehibe tamin’ny alalan’ilay fanoharana momba ny Samaritanina tsara fanahy?

TOKO 74

Lesona Momba ny Fandraisam-bahiny sy ny Vavaka

Nitsidika an’i Maria sy Marta i Jesosy. Inona no nampianariny momba ny fandraisam-bahiny? Inona no nolazainy fa tokony hangatahina amin’ny vavaka?

TOKO 75

Nolazain’i Jesosy hoe Inona no Mahasambatra

Niresaka tamin’ny mpanakiana momba ny “rantsantanan’Andriamanitra” i Jesosy ary nilaza fa ‘teo amin’izy ireo ilay Fanjakana.’ Nolazainy koa ny tena mahasambatra.

TOKO 76

Nisakafo tao Amin’ny Fariseo Iray

Nahariharin’i Jesosy fa mpihatsaravelatsihy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna. Inona no enta-mavesatra nampitondrain’izy ireo ny olona?

TOKO 77

Nanome Torohevitra Momba ny Harena i Jesosy

Nilaza fanoharana momba ny mpanankarena nanangana trano fitehirizam-bokatra lehibe kokoa i Jesosy. Nisy torohevitra naveriny momba ny fikatsahana harena.

TOKO 78

Tokony ho Vonona Foana ny Mpanompo Mendri-pitokisana

Nasehon’i Jesosy fa niahy ny fifandraisan’​ny mpianany tamin’i Jehovah izy. Inona no asan’ilay mpanompo? Nahoana no tena ilaina ny ho vonona foana?

TOKO 79

Nahoana Izy Ireo no Horinganina?

Nilaza i Jesosy fa mety ho ringana ireo nampiany raha tsy mibebaka. Nandray ny lesona nampianariny momba ny fifandraisana tamin’i Jehovah ve izy ireo?

TOKO 80

Ilay Mpiandry Tena Tsara sy ny Valan’ondry

Hita amin’ny fifandraisan’ny mpiandry ondry sy ny ondriny ny fiahian’i Jesosy ny mpianany. Hanaiky ny fampianarany ve izy ireo ka hanaraka azy?

TOKO 81

Inona no Dikan’ny hoe Iray Ihany i Jesosy sy ny Ray?

Niampanga an’i Jesosy ho nampitovy ny tenany tamin’Andriamanitra ny olona sasany nanakiana azy. Ahoana no nanaporofoany fa diso izy ireo?