Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 5

Ny Fanompoan’i Jesosy Tany Atsinanan’i Jordana

“Maro no nino an’i Jesosy.”​—Jaona 10:42

Ny Fanompoan’i Jesosy Tany Atsinanan’i Jordana

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 82

Ny Fanompoan’i Jesosy Tany Pere

Nohazavain’i Jesosy tamin’ny mpihaino izay ilaina hatao mba ho voavonjy. Tena nilaina tamin’izany ny toroheviny. Ary ankehitriny?

TOKO 83

Fanasana Hisakafo

Nilaza fanoharana momba ny fanasambe tamin’​ny sakafo hariva i Jesosy, tao amin’ny Fariseo iray. Inona no lesona lehibe nampitainy tamin’izay?

TOKO 84

Andraikitra Lehibe ny Manara-dia An’i Jesosy

Andraikitra lehibe ny manara-dia an’i Kristy. Nohazavain’i Jesosy izay tafiditra amin’izany. Tafintohina ny olona sasany rehefa nandre ny teniny.

TOKO 85

Fifaliana Noho Ilay Mpanota Nibebaka

Nokianin’ny Fariseo sy mpanora-dalàna i Jesosy satria nifandray tamin’ny sarambabem-bahoaka. Nasehony tamin’ny fanoharana ny fiheveran’Andriamanitra ny mpanota.

TOKO 86

Niverina Ilay Zanaka Very

Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’​i Jesosy momba ilay zanaka adala?

TOKO 87

Miezaha ho Malina ka Tsinjovy ny Hoavy

Tsy nampoizina ny lesona nampitain’​i Jesosy tamin’ilay fanoharana momba ny mpitantana iray fetsy sy tsy nanao ny marina.

TOKO 88

Ny Fiovana teo Amin’ilay Mpanankarena sy Lazarosy

Mila fantarina aloha ny mifanitsy amin’i Lazarosy sy ilay mpanankarena, izay vao hazava ilay fanoharan’i Jesosy.

TOKO 89

Nampianatra tao Pere i Jesosy Tamin’izy ho any Jodia

Nasongadiny ny toetra hanampy antsika hamela heloka, na dia misy manota imbetsaka amintsika aza.

TOKO 90

“Fananganana ny Maty sy Fiainana”

Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy fa “tsy ho faty mihitsy” izay maneho finoana azy?

TOKO 91

Natsangana Tamin’ny Maty i Lazarosy

Tsy afaka nanda ny mpanohitra an’i Jesosy hoe tena nisy io fahagagana io, noho ny antony lehibe roa.

TOKO 92

Nahay Nankasitraka ny Boka Iray

Tsy i Jesosy ihany no nankasitrahan’ilay lehilahy sitrana.

TOKO 93

Haharihary ny Zanak’olona

Nahoana ny fanatrehan’i Kristy no ho toy ny tselatra?

TOKO 94

Tena Ilaina ny Mivavaka sy Manetry Tena

Nasongadin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray ny toetra iray tena sarobidy.

TOKO 95

Ny Fisaraham-panambadiana sy ny Fitiavana ny Ankizy

Tsy nitovy mihitsy ny fiheveran’i Jesosy ny ankizy sy ny fiheveran’ny mpianany azy ireny. Nahoana?

TOKO 96

Namaly ny Fanontanian’ny Tovolahy Iray Mpanankarena i Jesosy

Nahoana i Jesosy no nilaza fa ho mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra?

TOKO 97

Fanoharana Momba Ireo Mpiasa tao An-tanimboaloboka

Ahoana no hahatonga ny voalohany ho farany ary ny farany ho voalohany?

TOKO 98

Te ho Ambony Indray Ireo Apostoly

Tsy i Jakoba sy Jaona ihany no te hahazo toerana manokana ao amin’ilay Fanjakana.

TOKO 99

Nanasitrana Jamba sy Nanampy An’i Zakaiosy i Jesosy

Toa tsy mifanaraka ny fitantaran’ny Baiboly ny nanasitranan’i Jesosy jamba iray tany akaikin’i Jeriko. Ahoana no ampifanarahana azy ireo?

TOKO 100

Ilay Fanoharana Momba ny Farantsa Folo

Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe: “Izay manana dia homena bebe kokoa, ary izay tsy manana, na izay ananany aza halaina aminy”?