Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 70

Nanasitrana Lehilahy Teraka Jamba i Jesosy

Nanasitrana Lehilahy Teraka Jamba i Jesosy

JAONA 9:1-18

  • SITRANA NY LEHILAHY IRAY JAMBA HATRANY AN-KIBON-DRENINY

Mbola tao Jerosalema i Jesosy tamin’ny Sabata. Nahita lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny izy sy ny mpianany, teny an-dalana. Hoy ireo mpianatra: “Raby ô, fa iza no nanota, io lehilahy io sa ny ray aman-dreniny, no teraka jamba izy?”—Jaona 9:2.

Fantatr’ireo mpianatra hoe mbola tsy nisy tany ho any io lehilahy io, talohan’ny nahaterahany. Nety ho nieritreritra anefa izy ireo hoe sao dia efa manota ny olona iray ao am-bohoka. Hoy i Jesosy: “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa mba hampisehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy no anton’izany.” (Jaona 9:3) Tsy fahadisoana na fahotana nataon’ilay lehilahy na ny ray aman-dreniny àry no nahajamba an’ilay lehilahy. Nanota i Adama, ka vao teraka ny olona rehetra dia tsy lavorary ary mety hanan-kilema toy ny fahajambana. Afaka nampiseho ny asan’Andriamanitra anefa i Jesosy noho io jamba io. Efa nanao izany izy rehefa nanasitrana.

Nantitranterin’i Jesosy fa ilaina maika ny manao ny asan’Andriamanitra. Hoy izy: “Tsy maintsy manao ny asan’ilay naniraka ahy isika, dieny mbola antoandro. Fa ho avy ny alina izay tsy hahafahan’ny olona hiasa. Izaho no fahazavan’izao tontolo izao raha mbola eo amin’izao tontolo izao aho.” (Jaona 9:4, 5) Tsy ho ela tokoa i Jesosy dia ho faty ary ho any amin’ny haizina ao am-pasana ka tsy ho afaka hanao na inona na inona. Fahazavana ho an’izao tontolo izao anefa aloha izy mandra-pahatongan’izany.

Hositranin’i Jesosy ve anefa ilay jamba? Ahoana no hataony? Nandrora tamin’ny tany izy ka nanao feta tanimanga tamin’ny rorany. Nohosorany an’ilay izy ny mason’ilay lehilahy ary hoy izy: “Mandehana misasa any amin’ny dobon’i Siloama.” (Jaona 9:7) Nanao izany ilay lehilahy ka nahiratra. Izay izy vao nahita. Eritrereto ange ny hafaliany e!

Gaga ny mpiara-monina taminy sy izay nahalala hoe jamba izy. Hoy izy ireo: “Tsy ilay lehilahy nipetraka nangataka ve ity?” Nisy namaly hoe: “Izy tokoa io.” Tsy nino anefa ny sasany ka niteny hoe: “Tsy izy mihitsy io, fa olona mitovy aminy.” Namaly àry ilay lehilahy hoe: “Izaho no izy.”—Jaona 9:8, 9.

Nanontany izy ireo hoe: “Ary ahoana no nahiratan’ny masonao?” Hoy izy: “Nanao feta tanimanga ilay lehilahy atao hoe Jesosy, ka nanosotra izany teo amin’ny masoko, ary nanao hoe: ‘Mandehana misasa any Siloama.’ Dia nandeha aho ka nisasa, ary nahiratra.” Ary hoy ireo: “Aiza izany lehilahy izany?” Dia hoy izy: “Tsy fantatro.”—Jaona 9:10-12.

Nentina tany amin’ny Fariseo ilay jamba. Tian’izy ireo ho fantatra ny nahasitrana azy. Hoy ilay lehilahy: “Nasiany feta tanimanga ny masoko, ary nosasako ka nahita aho.” Tokony ho faly ny Fariseo fa sitrana ilay jamba mpangataka, nefa nanakiana an’i Jesosy ny sasany. Hoy izy ireo: “Tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata.” Nisy koa niteny hoe: “Hataon’ny lehilahy mpanota ahoana no hahavita famantarana toy izany?” (Jaona 9:15, 16) Tsy nitovy hevitra izy ireo.

Nanontany an’ilay lehilahy àry izy ireo hoe: “Inona kosa no lazainao momba azy, noho izao nampahiratany ny masonao izao?” Tsy nisalasala niteny ilay lehilahy hoe: “Mpaminany izy.”—Jaona 9:17.

Tsy nety nino an’izany ny Fariseo. Nihevitra angamba izy ireo hoe miray tetika hamitaka ny olona i Jesosy sy ilay lehilahy. Nanapa-kevitra àry izy ireo fa hanontany ny ray aman-drenin’ilay lehilahy mba hahalalana raha tena jamba izy io taloha.