Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izao ve no Tian’Andriamanitra Hiainantsika?

Izao ve no Tian’Andriamanitra Hiainantsika?

NA MAMAKY gazety ianao, na mijery tele, na mihaino radio, dia misy resaka olon-dratsy sy ady ary zavatra ratsy be foana! Mety hoe ianao mihitsy koa no marary, na nisy maty ny havanao akaiky.

Eritrereto hoe:

  • Izao ve no tian’Andriamanitra hiainako sy hiainan’ny fianakaviako?

  • Iza no mba afaka manampy ahy amin’izao mahazo ahy izao?

  • Mba hisy ihany ve izany fiadanana izany?

Mamaly an’ireo fanontaniana rehetra ireo ny Baiboly.

AMPIANARIN’NY BAIBOLY FA HANAO ZAVATRA MIAVAKA ETO AN-TANY ANDRIAMANITRA.

MAHASOA ANAO NY MIANATRA BAIBOLY

Mety tonga dia hieritreritra ianao hoe: ‘Izany ve tsy nofy ihany?’ Andriamanitra mihitsy anefa no nampanantena fa tena hataony ireo, ary tsy ho ela. Hazavain’ny Baiboly hoe ahoana no hanaovany an’izany.

Ankoatra izany koa, dia atoron’ny Baiboly hoe inona no tokony hatao raha te ho sambatra sy ho afa-po amin’ny fiainana, dieny izao. Diniho kely ange e! Inona izao no tena mampiasa saina anao? Tsy manam-bola ve, ohatra, ianao, sa mikorontana ny tokantranonao? Marary ve ianao, sa misy maty ny havanao? Afaka mampahery anao sy manampy anao amin’izany ny Baiboly. Valiana ao, ohatra, ireto:

Te hahafantatra an’izay ampianarin’ny Baiboly ianao, matoa mamaky an’ity boky ity. Jereo àry ireo fanontaniana eny ambany pejy, satria hanampy anao hahazo kokoa an’izay lazain’ny Baiboly izany. Olona an-tapitrisany no tia mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manantena izahay fa ho tianao koa izany. Enga anie ka hotahin’Andriamanitra ianao rehefa mianatra Baiboly!