Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 4

Iza i Jesosy Kristy?

Iza i Jesosy Kristy?

1, 2. a) Tena fantatrao ve ny olo-malaza iray raha ny anarany fotsiny no hainao? Hazavao. b) Inona no lazain’ny olona momba an’i Jesosy?

BETSAKA ny olo-malaza maneran-tany. Raha ny anaran’ilay olona malaza fotsiny no hainao, dia tsy midika izany hoe tena fantatrao tsara izy. Mety tsy ho fantatrao daholo ny fiainany sy ny tena toetrany.

2 Mety ho efa naheno momba an’i Jesosy Kristy ianao, na dia efa tamin’ny 2 000 taona lasa aza izy no tetỳ an-tany. Tsy mahalala tsara an’i Jesosy anefa ny ankamaroan’ny olona. Misy miteny hoe olona tsara fanahy izy, na koa mpaminany. Misy indray mino hoe Andriamanitra izy. Ary ahoana ny hevitrao?—Jereo ny Fanamarihana 12.

3. Nahoana ianao no mila mahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy?

3 Mila mahafantatra tsara an’i Jesosy anefa ianao. Hoy mantsy ny Jaona 17:3: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” Ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany ianao raha fantatrao hoe iza marina i Jehovah sy Jesosy. (Jaona 14:6) Mila mahafantatra tsara an’i Jesosy koa ianao, satria tokony hanahaka azy. Nahay nifandray tamin’olona izy sady hafa mihitsy ny fomba fiainany. (Jaona 13:34, 35) Efa nianatra momba an’Andriamanitra isika tao amin’ny Toko 1. Hojerentsika kosa izao izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy.

EFA HITANAY NY MESIA!

4. Inona no dikan’ny hoe “Mesia” sy “Kristy”?

4 Mbola tsy teraka i Jesosy dia efa nolazain’i Jehovah tao amin’ny Baiboly hoe halefany etỳ an-tany ny Mesia na Kristy. Avy amin’ny teny hebreo ny hoe “Mesia”, ary avy amin’ny teny grika ny hoe “Kristy.” Olona notendren’Andriamanitra hanao zavatra manokana no dikan’ny hoe Mesia sy Kristy. Izy no hanatanteraka an’izay rehetra nampanantenain’Andriamanitra. Mahasoa anao koa ny zavatra nataony tetỳ an-tany.

5. Nino ve ny mpianatr’i Jesosy hoe izy no Mesia?

5 Tsy nisalasala mihitsy ny mpianatr’i Jesosy hoe izy no Mesia. (Jaona 1:41) Izao, ohatra, ny tenin’i Simona Petera tamin’i Jesosy: “Ianao no Kristy.” (Matio 16:16) Ahoana no ahalalantsika fa i Jesosy tokoa no Mesia?

6. Inona no nataon’i Jehovah mba hahafantaran’ny olona an’ilay Mesia?

6 Nilaza zavatra be dia be momba ny Mesia ny mpaminanin’Andriamanitra mba hahafantaran’ny olona azy. Mbola tsy teraka i Jesosy tamin’izany. Mitovitovy amin’izao izany: Misy olona mbola tsy hitanao mihitsy nefa asaina tsenainao eny amin’ny toerana be olona. Ho fantatrao ilay olona raha hazavaina tsara aminao ny paoziny. Hoatr’izany no nataon’i Jehovah. Ny mpaminaniny no nasainy nilaza tamintsika an’izay hataon’ilay Mesia sy izay hitranga aminy. Rehefa tanteraka tamin’i Jesosy ireny faminaniana ireny, dia fantatry ny olona hoe izy no Mesia.

7. Milazà faminaniana roa manaporofo hoe i Jesosy no Mesia.

7 Ireto misy faminaniana roa. Voalohany, 700 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy dia efa nilaza i Mika fa ho teraka ao amin’ny tanàna kely atao hoe Betlehema ny Mesia. (Mika 5:2) Tao tokoa i Jesosy no teraka! (Matio 2:1, 3-9) Faharoa, tanteraka koa ilay tenin’i Daniela hoe hiseho amin’ny taona 29 ny Mesia. (Daniela 9:25) Vao roa fotsiny ireo, fa mbola be dia be ny faminaniana manaporofo hoe i Jesosy no Mesia.—Jereo ny Fanamarihana 13.

Lasa Mesia na Kristy i Jesosy tamin’izy natao batisa

8, 9. Inona no nitranga tamin’i Jesosy natao batisa, ka manaporofo hoe izy no Mesia?

8 Nataon’i Jehovah mazava tsara fa i Jesosy no Mesia. Nampanantena an’i Jaona Mpanao Batisa aloha i Jehovah hoe hanome azy famantarana mba hahalalany an’ilay Mesia. Hitan’i Jaona io famantarana io tamin’i Jesosy natao batisa teo amin’ny Reniranon’i Jordana, tamin’ny taona 29. Hoy ny Baiboly: “Raha vao vita batisa i Jesosy, dia niakatra avy tao amin’ny rano. Ary nisokatra ny lanitra, ka hitan’i Jaona ny fanahin’Andriamanitra, nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i Jesosy. Injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: ‘Io no Zanako malalako, izay sitrako.’” (Matio 3:16, 17) Hitan’i Jaona ilay famantarana sady henony ka fantany hoe i Jesosy ilay Mesia. (Jaona 1:32-34) Tamin’io andro io i Jesosy no lasa Mesia, satria tamin’io i Jehovah no nandatsaka fanahy masina taminy. Izy no nofidin’Andriamanitra ho Mpanjaka sy Mpitarika antsika.—Isaia 55:4.

9 Na ny faminanian’ny Baiboly, na ny tenin’i Jehovah, na ilay famantarana tamin’ny batisan’i Jesosy, dia samy manaporofo fa i Jesosy ilay Mesia. Taiza anefa i Jesosy taloha? Hoatran’ny ahoana ny toetrany? Andao hojerentsika ny Baiboly.

TAIZA I JESOSY TALOHA?

10. Inona no lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy?

10 Milaza ny Baiboly fa efa tany an-danitra ela be i Jesosy, vao nanketỳ an-tany. Nilaza i Mika hoe efa nisy “hatramin’ny taloha ela be” ny Mesia. (Mika 5:2) Imbetsaka koa i Jesosy no niteny fa efa tany an-danitra izy, talohan’ny nahaterahany teto an-tany. (Vakio ny Jaona 3:13; 6:38, 62; 17:4, 5.) Nifandray be izy sy Jehovah tamin’izy mbola tany an-danitra.

11. Nahoana i Jehovah no tena tia be an’i Jesosy?

11 Tena tia be an’i Jesosy i Jehovah. I Jesosy mantsy no noforoniny voalohany indrindra, izay izy vao nanao ny zavatra rehetra sy ny olona. Izany no iantsoana azy hoe “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” * (Kolosianina 1:15) Tena tian’i Jehovah koa izy satria izy ihany no noforoniny mivantana. Izany no iantsoana azy hoe “Zanany lahitokana.” (Jaona 3:16) I Jesosy irery koa no nampiasain’i Jehovah tamin’izy namorona ny zavatra hafa rehetra. (Kolosianina 1:16) I Jesosy ihany no antsoina hoe “ny Teny”, satria izy no nasain’i Jehovah nampita hafatra tamin’ny anjely sy ny olombelona.—Jaona 1:14.

12. Nahoana no tsy mitovy i Jesosy sy Andriamanitra?

12 Misy mino fa mitovy ihany i Jesosy sy Andriamanitra. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Baiboly. Voalaza ao fa noforonina i Jesosy, izany hoe tsy nisy izy taloha fa lasa nisy. I Jehovah kosa efa nisy hatramin’izay, ary izy no namorona ny zava-drehetra. (Salamo 90:2) Zanak’Andriamanitra i Jesosy ka tsy nieritreritra ny hitovy amin’Andriamanitra mihitsy. Mazava ny lazain’ny Baiboly, dia hoe ny Ray lehibe noho ny Zanaka. (Vakio ny Jaona 14:28; 1 Korintianina 11:3.) I Jehovah ihany no “Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Genesisy 17:1) Izy no ambony sy matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao.—Jereo ny Fanamarihana 14.

13. Nahoana ny Baiboly no miteny hoe “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” i Jesosy?

13 Efa an’arivony tapitrisa taona i Jehovah sy Jesosy no niara-niasa. Mbola tsy nisy ny lanitra sy ny tany tamin’izany. Azo antoka fa nifankatia be izy mianaka! (Jaona 3:35; 14:31) Antsoin’ny Baiboly hoe “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” i Jesosy, satria tena nitovy tamin’ny toetran’i Jehovah ny toetrany.—Kolosianina 1:15.

14. Ahoana no nahatonga an’i Jesosy ho lasa olombelona?

14 Nanaiky hiala tany an-danitra io Zanak’i Jehovah io mba ho lasa olombelona teto an-tany. Nanao fahagagana i Jehovah mba hanaovana an’izany. Nataony tao an-kibon’ilay vehivavy virjiny atao hoe Maria io Zanany io. Tsy nanana dada olombelona àry ilay zaza ka lavorary rehefa teraka. Nataon’i Maria hoe Jesosy ny anarany.—Lioka 1:30-35.

NY TOETRAN’I JESOSY

15. Inona no hanampy anao hahafantatra tsara an’i Jehovah?

15 Hahafantatra ny fiainan’i Jesosy sy ny toetrany ianao, raha mamaky ny Matio, Marka, Lioka, ary Jaona. Antsoina hoe Filazantsara ireo boky ao amin’ny Baiboly ireo. Ho fantatrao tsara koa i Jehovah raha mamaky an’ireo ianao, satria mitovy be ny toetran’i Jehovah sy Jesosy. Izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.”—Jaona 14:9.

16. Inona no nampianarin’i Jesosy? Avy amin’iza ny zavatra nampianariny?

16 Nantsoin’ny olona hoe “Mpampianatra” i Jesosy. (Jaona 1:38; 13:13) “Ny vaovao tsaran’ilay fanjakana” no tena nampianariny. Inona io Fanjakana io? Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Tsy hijaly intsony ny olona rehefa hitondra eto an-tany izy io. (Matio 4:23) Avy amin’i Jehovah ny zavatra rehetra nampianarin’i Jesosy. Hoy izy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.” (Jaona 7:16) Nampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy satria tian’i Jehovah hahafantatra an’izany ny olona.

17. Taiza i Jesosy no nampianatra? Nahoana izy no niezaka mafy nampianatra ny olona?

17 Taiza i Jesosy no nampianatra? Tany amin’izay nahitany olona, ohatra hoe tany ambanivohitra, tany an-tanàn-dehibe, teny an-tsena, tany amin’ny toeram-pivavahana, ary tany an-tranon’olona. Tsy ny olona no nandrasany hankany aminy, fa izy mihitsy no nanatona. (Marka 6:56; Lioka 19:5, 6) Tena niezaka i Jesosy nampianatra ny olona, ary nanokana fotoana be tamin’izany. Fantany mantsy hoe izany no tian’Andriamanitra hataony, ary nankatò ny Rainy foana izy. (Jaona 8:28, 29) Nampianariny koa ny olona satria nampalahelo azy. (Vakio ny Matio 9:35, 36.) Tsy nampianatra ny marina momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany mantsy ny mpitondra fivavahana tamin’izany. Nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona betsaka araka izay azony natao àry izy.

18. Inona ny toetran’i Jesosy tianao indrindra?

18 Tia olona i Jesosy sady tia nikarakara azy ireo. Tsara fanahy izy ary mora niresahana. Na ny ankizy aza tia niaraka taminy. (Marka 10:13-16) Nanao ny rariny foana izy. Tsy tiany ny tsolotra sy ny tsy rariny. (Matio 21:12, 13) Tsy nohajaina ny vehivavy tamin’izany ary be dia be ny zavatra tsy navela nataony, nefa i Jesosy nanaja azy ireny foana. (Jaona 4:9, 27) Nanetry tena be koa izy. Nanasa ny tongotry ny mpianany izy, indray mandeha, nefa ny mpanompo no tokony hanao an’izany.—Jaona 13:2-5, 12-17.

Nitory tany amin’izay nahitany olona i Jesosy

19. Manomeza ohatra mampiseho hoe fantatr’i Jesosy izay tena nilain’ny olona, ary te hanampy azy ireo izy.

19 Fantatr’i Jesosy izay tena nilain’ny olona, ary te hanampy azy ireo izy. Jereo ange izay nataony rehefa nanasitrana e! (Matio 14:14) Nampiasa ny herin’Andriamanitra izy mba hanaovana fahagagana ho an’ny olona. Nankeo aminy, ohatra, ny boka iray ary niteny taminy hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Nampalahelo an’i Jesosy ilay lehilahy satria narary sy nijaly. Te hanampy azy àry izy ka nikasika an’ilay lehilahy, ary niteny hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” Dia sitrana ilay boka. (Marka 1:40-42) Faly be ilay lehilahy!

TSY NIVADIKA TAMIN’NY RAINY MIHITSY IZY

20, 21. Inona no nataon’i Jesosy ka tokony hotahafintsika?

20 Nankatò an’Andriamanitra foana i Jesosy ka tokony hanahaka azy isika. Tsy nivadika tamin’ny Rainy mihitsy izy na inona na inona nitranga, ary na inona na inona nataon’ny olona tsy tia azy. Tsy nanota, ohatra, izy rehefa naka fanahy azy i Satana. (Matio 4:1-11) Tsy nino koa ny havany sasany hoe izy no Mesia ary nolazain’izy ireo fa “voa ny sainy.” (Marka 3:21) Nanao an’izay nasain’Andriamanitra nataony foana anefa izy. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy koa izy ary tsy namaly faty, na dia ratsy fanahy taminy aza ny olona tsy tia azy.—1 Petera 2:21-23.

21 Tsy nivadika tamin’i Jehovah mandra-pahafatiny i Jesosy, na dia nampijalijalina be aza. (Vakio ny Filipianina 2:8.) Eritrereto ange ny zavatra niaretany e! Nosamborina izy, nendrikendrehina hoe niteny ratsy an’Andriamanitra, notsarain’ny olona ratsy fanahy, nihomehezan’ny olona, ary nampijalin’ny miaramila sy nofantsihany tamin’ny hazo. Hoy izy rehefa ho faty: “Vita!” (Jaona 19:30) Natsangan’i Jehovah izy rehefa afaka telo andro ary lasa fanahy. (1 Petera 3:18) Niverina tany an-danitra i Jesosy, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. “Nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra” izy, ary niandry aloha. Notendrena ho Mpanjaka izy tatỳ aoriana.—Hebreo 10:12, 13.

22. Inona no mety ho azontsika noho ny zavatra nataon’i Jesosy?

22 Efa fikasan’i Jehovah ny hanome antsika fiainana mandrakizay. Afaka mahazo an’izany isika satria tsy nivadika tamin’ny Rainy mihitsy i Jesosy ka maty. Izany no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka.

^ feh. 11 Antsoina hoe Ray i Jehovah satria izy no Mpamorona. (Isaia 64:8) Zanak’Andriamanitra kosa i Jesosy satria noforonin’i Jehovah. Antsoina hoe zanak’Andriamanitra koa i Adama sy ny anjely.—Joba 1:6; Lioka 3:38.