Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 5

Fanomezana avy Amin’Andriamanitra ny Vidim-panavotana

Fanomezana avy Amin’Andriamanitra ny Vidim-panavotana

1, 2. a) Fanomezana manao ahoana no tena tianao? b) Nahoana ny vidim-panavotana no fanomezana tsara indrindra?

INONA ny fanomezana tsara indrindra azonao hatramin’izay? Tianao kokoa angamba raha zavatra tena ilainao no omena anao. Tena hankasitraka an’ilay nanome azy ianao amin’izay.

2 Betsaka ny zavatra efa nomen’i Jehovah antsika, fa ny vidim-panavotana no tena tsara sy ilaintsika indrindra. Hojerentsika ato fa naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany i Jehovah, mba hahafahantsika hiaina mandrakizay. (Vakio ny Matio 20:28.) Nalefany tetỳ an-tany i Jesosy mba ho vidim-panavotana ho antsika, satria tena tiany isika.

INONA NO ATAO HOE VIDIM-PANAVOTANA?

3. Nahoana ny olombelona no maty?

3 Ny fomba anafahan’i Jehovah ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana no atao hoe vidim-panavotana. (Efesianina 1:7) Nahoana isika no mila an’izany? Andao aloha hojerentsika izay nitranga tany Edena. Nanota mantsy i Adama sy Eva ka maty. Lasa mpanota sy maty koa isika satria taranany.—Jereo ny Fanamarihana 9.

4. Iza i Adama, ary inona no nomena azy?

4 I Adama no lehilahy voalohany noforonin’i Jehovah. Nomen’i Jehovah zavatra sarobidy be izy, dia aina lavorary. Lavorary àry ny vatany sy ny sainy, ka tsy narary mihitsy izy sady tsy lasa antitra na maty. Noforonin’i Jehovah i Adama ka hoatran’ny hoe zanany. (Lioka 3:38) Nifampiresaka foana izy ireo. Nomen’i Jehovah asa mahafinaritra izy, sady nohazavainy izay tokony hataony.—Genesisy 1:28-30; 2:16, 17.

5. Inona no dikan’ny hoe noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” i Adama?

5 Noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” i Adama. (Genesisy 1:27) Midika izany hoe hoatran’ny toetran’i Jehovah ny toetrany, ohatra hoe nanana fitiavana sy fahendrena, tia rariny, ary nanana hery izy. Nataony afaka nanao safidy koa izy, fa tsy hoatran’ny milina baikoina fotsiny. Afaka nanapa-kevitra izy hoe hanao ny tsara sa hanao ny ratsy. Mbola niaina mandrakizay tao amin’ilay Paradisa izy raha nifidy ny hankatò an’Andriamanitra.

6. Lasa nanao ahoana i Adama rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra? Ary nanao ahoana ny taranany?

6 Voaheloka ho faty i Adama rehefa tsy nankatò. Tsy mpinamana be intsony koa izy sy Jehovah. Lasa tsy lavorary izy ary tsy nahazo nipetraka tao amin’ny Paradisa intsony. (Genesisy 3:17-19) Safidin’i Adama sy Eva mihitsy ilay tsy nankatò, ka tsy azo avotana intsony izy ireo. Lasa niditra tamin’izao tontolo izao ny ota noho ny nataon’i Adama, ary “avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romanina 5:12) Rehefa nanota i Adama dia hoatran’ny hoe ‘namidiny’ ny tenany sy ny taranany, ka lasa andevon’ny ota sy ny fahafatesana. (Romanina 7:14) Vita hatreo àry ve ny amintsika? Tsy izany mihitsy, satria nanome vidim-panavotana i Jehovah.

7, 8. Inona avy no dikan’ny hoe vidim-panavotana?

7 Misy heviny roa ilay hoe vidim-panavotana. Voalohany, vola na zavatra aloa mba hanafahana olona, na hividianana zavatra efa anao ihany taloha. Faharoa, vola na zavatra atao onitra raha nisy zavatra simba.

8 Lehibe loatra ny zavatra nosimban’i Adama, ka tsy misy olombelona mahavita manonitra an’ilay izy. Nanao zavatra anefa i Jehovah mba hanavotana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Andao isika hianatra momba ny vidim-panavotana sy ny soa azontsika amin’izy io.

NANOME VIDIM-PANAVOTANA I JEHOVAH

9. Hoatran’ny ahoana ilay vidim-panavotana nilaina?

9 Aina lavorary no nafoin’i Adama. Tsy misy olona afaka mandoa an’ilay vidim-panavotana àry satria tsy misy lavorary ny olombelona. (Salamo 49:7, 8) Tsy maintsy aina lavorary mantsy no atao vidim-panavotana. Izay no antony iantsoana azy hoe “vidim-panavotana mifandanja.” (1 Timoty 2:6) Tsy maintsy nitovy tamin’ilay aina nafoin’i Adama ny vidim-panavotana.

10. Ahoana no nanomezan’i Jehovah ny vidim-panavotana?

10 Ahoana no nanomezan’i Jehovah ny vidim-panavotana? Nalefany tetỳ an-tany i Jesosy, ilay Zanany voalohany sady tiany indrindra. (1 Jaona 4:9, 10) I Jesosy koa moa tsy nanda fa nanaiky handao ny Rainy sy hiala tany an-danitra. (Filipianina 2:7) Nataon’i Jehovah tao an-kibon’i Maria i Jesosy, ka lavorary izy rehefa teraka fa tsy mpanota.—Lioka 1:35.

Nanome ny Zanany mba ho vidim-panavotana ho antsika i Jehovah

11. Lehilahy iray ve dia afaka manavotra ny olona rehetra? Hazavao.

11 Tsy nankatò an’i Jehovah i Adama, ilay lehilahy voalohany. Lasa tsy lavorary daholo àry ny taranany, ka tsy maintsy maty. Misy olona iray anefa afaka manavotra ny taranany. (Vakio ny Romanina 5:19.) Tsy nanota i Jesosy ka nanome ny ainy lavorary ho vidim-panavotana. (1 Korintianina 15:45) Azony atao tsara àry ny manavotra ny taranak’i Adama rehetra mba tsy ho faty intsony.—1 Korintianina 15:21, 22.

12. Nahoana i Jesosy no tsy maintsy nijaly be?

12 Tantarain’ny Baiboly fa tena nijaly be aloha i Jesosy vao maty. Nokaravasina izy, nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana, ary nanaintaina ela be vao maty. (Jaona 19:1, 16-18, 30) Nahoana i Jesosy no tsy maintsy nijaly be hoatr’izany? Satria nolazain’i Satana fa hivadika amin’i Jehovah ny olona rehefa mijaly be. Noporofoin’i Jesosy fa mahavita tsy mivadika amin’Andriamanitra ny olona lavorary, na dia mijalijaly be aza. Faly be i Jehovah tamin’izay!—Ohabolana 27:11; jereo ny Fanamarihana 15.

13. Ahoana no nandoavana ny vidim-panavotana?

13 Ahoana no nandoavana ny vidim-panavotana? Navelan’i Jehovah hovonoin’ny olona aloha i Jesosy tamin’ny 14 Nisana, volana jiosy, taona 33. (Hebreo 10:10) Natsangan’i Jehovah tamin’ny maty izy, rehefa afaka telo andro, ary lasa fanahy fa tsy olona intsony. Rehefa niverina tany an-danitra i Jesosy, dia nanome an’i Jehovah Rainy ny vidin’ilay ainy lavorary. (Hebreo 9:24) Tamin’izay no voaloa ny vidim-panavotana. Azo afahana amin’ny ota sy ny fahafatesana amin’izay àry isika.—Vakio ny Romanina 3:23, 24.

INONA AVY NY SOA AZONAO?

14, 15. Inona no tsy maintsy ataontsika mba havelan’i Jehovah ny fahotantsika?

14 Andao hojerentsika hoe inona ny soa azontsika dieny izao sy any aoriana any, noho ny vidim-panavotana.

15 Avelan’i Jehovah ny fahotantsika. Sarotra ny manao ny tsara foana. Manao fahadisoana isika indraindray, na miteny zavatra tsy tokony hotenenina. (Kolosianina 1:13, 14) Hamela antsika anefa i Jehovah, raha tena manenina amin’ilay fahadisoana isika, ary manetry tena ka mifona aminy. Raha manao an’izany isika dia hatoky fa voavela ny fahotantsika.—1 Jaona 1:8, 9.

16. Inona no mila ataonao raha tianao hilamina ny feon’ny fieritreretanao?

16 Milamina tsara ny feon’ny fieritreretantsika. Enjehin’ny eritreritra isika rehefa manao zavatra tsy mety. Mety ho kivy be mihitsy aza isika ka hieritreritra hoe tsy misy ilana antsika intsony. Aza kivy anefa. Raha mifona amin’i Jehovah ianao, dia hihaino anao sy hamela anao izy. (Hebreo 9:13, 14) Resaho aminy àry izay toetra ratsinao na fahadisoana nataonao. (Hebreo 4:14-16) Tian’i Jehovah hanao an’izany ianao, amin’izay mba mihavana tsara aminy.

17. Inona ny fitahiana mety ho azontsika noho i Jesosy maty ho antsika?

17 Afaka ny hiaina mandrakizay isika. “Fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” (Romanina 6:23) Afaka ny hiaina mandrakizay sy tsy harary mihitsy isika, satria maty ho antsika i Jesosy. (Apokalypsy 21:3, 4) Inona anefa no tokony hataontsika raha te hahazo an’izany fitahiana izany isika?

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

18. Ahoana no ahafantarantsika fa tia antsika i Jehovah?

18 Faly be ianao rehefa misy manome fanomezana. Ny vidim-panavotana no fanomezana tsara indrindra, ary i Jehovah no nanome azy io ka tena tokony hankasitraka azy ianao. Hoy ny Jaona 3:16: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana.” Tia be antsika i Jehovah matoa nomeny antsika i Jesosy, ilay Zanany tena tiany. Tia antsika koa i Jesosy matoa nahafoy ny ainy ho antsika. (Jaona 15:13) Ny vidim-panavotana àry no tena ahitana hoe tia anao i Jehovah sy Jesosy.—Galatianina 2:20.

Ho naman’i Jehovah sy ho tia azy kokoa izay mianatra momba azy foana

19, 20. a) Inona no azonao atao mba ho lasa naman’i Jehovah? b) Ahoana no ampisehoanao hoe mino ny soron’i Jesosy ianao?

19 Hitantsika teo fa tena tia anao Andriamanitra. Inona àry no azonao atao mba ho lasa namany? Tsy tena ho tia azy ianao raha tsy fantatrao izy. Afaka mianatra momba an’i Jehovah isika, hoy ny Jaona 17:3. Raha manao an’izany ianao, dia ho tia azy kokoa sy te hampifaly azy ary ho lasa namany. Ianaro foana àry ny Baiboly dia hahalala an’i Jehovah ianao.—1 Jaona 5:3.

20 Asehoy hoe mino ny sorona nataon’i Jesosy ianao. Hoy ny Baiboly: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:36) Inona no dikan’ny hoe maneho finoana? Manao an’izay nasain’i Jesosy atao. (Jaona 13:15) Tsy ampy mantsy ny miteny fotsiny hoe mino an’i Jesosy, fa ilaina koa ny manao zavatra. Milaza ny Jakoba 2:26 fa ‘maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.’

21, 22. a) Nahoana isika no tokony hanatrika ny Fahatsiarovana isan-taona? b) Inona no hohazavain’ny Toko faha-6 sy faha-7?

21 Tongava manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Nilaza i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany, fa tokony hahatsiaro ny nahafatesany isika. Isan-taona izany no atao ary antsoina hoe Fahatsiarovana, na “sakafo harivan’ny Tompo.” (1 Korintianina 11:20; Matio 26:26-28) Tian’i Jesosy ho tsaroantsika fa nanome ny ainy lavorary mba ho vidim-panavotana ho antsika izy. Hoy izy: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Vakio ny Lioka 22:19.) Mahatsiaro an’ilay vidim-panavotana ianao raha manatrika Fahatsiarovana. Tadidinao foana koa amin’izay fa tia anao i Jehovah sy Jesosy.—Jereo ny Fanamarihana 16.

22 Ny vidim-panavotana no fanomezana lehibe indrindra nomena antsika. (2 Korintianina 9:14, 15) Handray soa amin’izy io na dia ny olona an-tapitrisany efa maty aza. Hanazava an’izany ny Toko faha-6 sy faha-7.