Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 7

Tena Hatsangana ny Maty!

Tena Hatsangana ny Maty!

1-3. Nahoana isika no hoatran’ny hoe migadra, ary inona no hataon’i Jehovah?

ERITRERETO hoe gadraina mandra-pahafaty ianao nefa tsy ianao akory no diso. Tsy ho tafavoaka any mihitsy ianao, sady tsy misy azonao atao amin’ilay izy. Hoatran’ny hoe vita hatreo ny hoavinao. Amin’izay mihitsy anefa no misy olona tonga hanafaka anao. Sady mahavita an’izany izy no efa nampanantena hoe hanampy anao. Faly erỳ ianao!

2 Hoatran’ny hoe migadra koa ny olona rehefa maty. I Jehovah anefa afaka manafaka antsika, ary efa nampanantena izy fa “hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.”—1 Korintianina 15:26.

3 Eritrereto ange izany e! Tsy hatahotra intsony ianao hoe sao dia ho faty. Tsy izay ihany anefa. Hovelomin’i Jehovah koa ny olona efa maty. Tena ho tianao izany. Nampanantena mantsy izy fa ho velona indray “ny maty tsy mahefa na inona na inona.” (Isaia 26:19) Fitsanganan’ny maty no iantsoana an’izany ao amin’ny Baiboly.

AHOANA RAHA MATY NY OLONA AKAIKY ANAO?

4. a) Inona no mampahery antsika raha misy maty ny havantsika na ny namantsika? b) Iza no anisan’ny naman’i Jesosy?

4 Malahelo be isika raha maty ny havantsika na ny namantsika. Tsy afa-manoatra koa isika satria tsy misy azontsika atao mba hamelomana azy indray. Mampahery antsika anefa ny Baiboly. (Vakio ny 2 Korintianina 1:3, 4.) Tena tian’i Jehovah sy Jesosy ho velona indray ireny olona akaiky antsika ireny. Andeha isika hijery tantara manaporofo an’izany. Nitsidika matetika an’i Lazarosy sy Marta ary Maria i Jesosy, tamin’izy teto an-tany. Mpinamana be izy efatra. Hoy ny Baiboly: “Tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy i Jesosy.”—Jaona 11:3-5.

5, 6. a) Inona no nataon’i Jesosy rehefa nahita ny olona nisaona an’i Lazarosy? b) Nahoana no mampahery ny mahalala hoe nalahelo koa i Jesosy rehefa nisy maty?

5 Maty anefa i Lazarosy ka nandeha namangy an’i Marta sy Maria i Jesosy. Henon’i Marta hoe tonga i Jesosy ka lasa izy nitsena azy tany ivelan’ny tanàna. Faly be izy nahita an’i Jesosy, nefa niteny koa hoe: “Raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” Nieritreritra i Marta fa efa tara loatra i Jesosy vao tonga. Nahita an’i Maria nitomany i Jesosy avy eo. Rehefa nahita azy mirahavavy nalahelo be izy dia nitomany koa. (Jaona 11:21, 33, 35) Tsapan’i Jesosy tsara hoe hoatran’ny ahoana izany malahelo izany rehefa misy maty.

6 Mampahery izany satria hoatr’izany koa no tsapan’i Jehovah rehefa misy maty. (Jaona 14:9) Efa kely sisa dia hofoanan’i Jehovah ny fahafatesana, ary vitany izany.

“RY LAZAROSY, MIVOAHA!”

7, 8. Maninona no saika tsy navelan’i Marta nesorina ilay vato tamin’ny fasan’i Lazarosy, nefa inona no nataon’i Jesosy?

7 Efa notampenana vatobe ilay fasan’i Lazarosy rehefa tonga tany i Jesosy. Hoy izy: “Esory ny vato.” Saika tsy nanaiky anefa i Marta satria efa efatra andro tamin’izay no nandevenana an’i Lazarosy. (Jaona 11:39) Tsy fantany mantsy izay hataon’i Jesosy.

Faly be ny havan’i Lazarosy sy ny namany rehefa natsangana izy!—Jaona 11:38-44

8 Hoy i Jesosy: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Gaga be i Marta sy Maria avy eo, satria nivoaka tokoa izy, ary “mbola nisy fehim-paty ny tongony aman-tanany.” (Jaona 11:43, 44) Velona indray i Lazarosy ka afaka niaraka tamin’ny havany sy ny namany. Tena nahagaga ilay izy satria lasa azon’izy ireo nokasihina sy nofihinina ary niresahana indray i Lazarosy.

“RY ZAZAVAVY, HOY AHO AMINAO: MIARENA!”

9, 10. a) Iza no nanome hery an’i Jesosy mba hananganana ny maty? b) Nahoana no tena ilaina ny tantaran’ny olona natsangana tamin’ny maty?

9 Tsy ny herin’i Jesosy no nananganany ny maty. Nivavaka tamin’i Jehovah izy talohan’ny nananganany an’i Lazarosy, ka nomen’i Jehovah hery hananganana azy. (Vakio ny Jaona 11:41, 42.) Ankoatra an’i Lazarosy dia nisy olon-kafa koa natsangany. Nisy ankizivavy 12 taona narary mafy, indray mandeha. Jairo no anaran’ny dadany. Kivy be izy ka niangavy an’i Jesosy mba hanasitrana ny zanany. Io irery no zanany. Mbola niresaka tamin’i Jesosy anefa i Jairo no nisy lehilahy vitsivitsy niteny taminy hoe: “Maty ny zanakao! Nahoana no mbola manahirana ny mpampianatra ihany ianao?” Hoy anefa i Jesosy tamin’i Jairo: “Aza matahotra! Minoa fotsiny dia ho voavonjy izy.” Niaraka tamin’i Jairo tany an-tranony izy avy eo. Rehefa akaiky ho tonga izy ireo dia hitan’i Jesosy fa mitomany ny olona. Hoy izy: “Aza mitomany intsony, fa tsy maty izy fa matory.” Lasa saina angamba i Jairo sy ny vadiny hoe inona no tian’i Jesosy holazaina. Nasain’i Jesosy nivoaka daholo ny olona, ary nentiny tao amin’ilay efitra nisy an’ilay ankizivavy ny ray aman-dreniny. Noraisiny ny tanan’ilay ankizivavy ary hoy izy: “Ry zazavavy, hoy aho aminao: Miarena!” Alao sary an-tsaina ange ny hafalian’ny ray aman-dreniny rehefa nahita azy nitsangana sy nandehandeha e! (Marka 5:22-24, 35-42; Lioka 8:49-56) Isaky ny mahita an’ilay zanany vavy izy ireo taorian’izay, dia tadidiny foana hoe i Jehovah no nampiasa an’i Jesosy mba hananganana an’ilay zanany tamin’ny maty. *

10 Marina fa mbola maty ihany ny olona natsangan’i Jesosy. Tena ilaina anefa ireny tantara ireny satria hita amin’ireny fa mbola azo antenaina ho velona ny maty. Tena te hanangana ny maty i Jehovah, ary hataony mihitsy izany.

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’IRENY TANTARA IRENY?

Natsangan’ny apostoly Petera i Dorkasy. —Asan’ny Apostoly 9:36-42

Natsangan’i Elia ny zanaky ny mpitondratena iray.—1 Mpanjaka 17:17-24

11. Nanao ahoana i Lazarosy tamin’izy maty, rehefa jerena ny Mpitoriteny 9:5?

11 Hoy ny Mpitoriteny 9:5: ‘Ny maty tsy mahalala na inona na inona.’ Hoatr’izany i Lazarosy. Tsy nahalala “na inona na inona” izy, tamin’izy tao am-pasana. Hoatran’ny hoe natory izy, araka ilay tenin’i Jesosy.—Jaona 11:11.

12. Ahoana no ahafantarantsika fa tena natsangana i Lazarosy?

12 Be dia be no nahita an’i Jesosy nanangana an’i Lazarosy. Na ny olona tsy tia an’i Jesosy aza nahafantatra an’izany. Tena natsangana i Lazarosy matoa velona indray. (Jaona 11:47) Betsaka koa no nitsidika an’i Lazarosy ka lasa nino hoe nirahin’Andriamanitra i Jesosy. Tezitra àry ny olona tsy tia an’i Jesosy ka te hamono azy sy Lazarosy.—Jaona 11:53; 12:9-11.

13. Nahoana no azo antoka hoe vitan’i Jehovah ny manangana ny maty?

13 Nilaza i Jesosy fa hatsangana daholo izay “rehetra any am-pasana.” (Jaona 5:28) Tsy ho afaka hanangana olona amin’ny maty anefa i Jehovah raha tsy tadidiny daholo ny mombamomba an’ilay olona hatsangany. Ho tadidiny ve izany? Eritrereto hoe firy ny isan’ny kintana eo amin’izao rehetra izao. An’arivony tapitrisa! Milaza anefa ny Baiboly fa hain’i Jehovah ny anaran’ny kintana tsirairay. (Vakio ny Isaia 40:26.) Raha ny anaran’ny kintana tsirairay aza tadidiny, dia tsy ho tadidiny ve ny mombamomba ny olona hatsangany? I Jehovah koa no namorona ny zava-drehetra, ka azo antoka hoe vitany ny mamelona olona efa maty.

14, 15. Inona no dikan’ilay tenin’i Joba hoe ‘haniry mafy hahita ny asan’ny tanany i Jehovah’?

14 Nino i Joba, mpanompon’Andriamanitra, fa hatsangana ny maty. Hoy izy: “Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy?” Hoy i Joba avy eo tamin’i Jehovah: “Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.” Tena tsy andrin’i Jehovah àry ny hananganana ny maty, ary fantatr’i Joba izany.—Joba 14:13-15.

15 Fantatsika izao fa hatsangana ny maty. Mety ho lasa saina anefa ianao hoe: ‘Dia ahoana ireny havanay sy ireny namako efa maty ireny? Hitsangana koa ve ry zareo?’ Mampahery aloha ny mieritreritra fa tena te hanangana ny maty i Jehovah. Iza anefa no hatsangana ary aiza izy ireo no hipetraka? Andao hojerentsika izay lazain’ny Baiboly.

HANDRE NY FEONY IZY IREO “DIA HIVOAKA”

16. Hanao ahoana ny fiainana eto an-tany rehefa hatsangana ny maty?

16 Tafaraka indray tamin’ny havany sy ny namany teto an-tany ireo olona natsangana tamin’ny maty taloha. Hoatr’izany koa no hitranga amin’ny hoavy fa ho tsara kokoa. Afaka ny hiaina mandrakizay mantsy izay hatsangana amin’ny maty, ary mety tsy ho faty intsony. Hafa mihitsy koa ny fiainana amin’izany. Tsy hisy intsony ny ady sy ny olon-dratsy ary ny aretina.

17. Iza avy no hatsangana amin’ny maty?

17 Iza avy no hatsangana? Nilaza i Jesosy fa ho avy ny fotoana “handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Hoy koa ny Apokalypsy 20:13: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny Fasana namoaka ny maty tao aminy.” Be dia be mihitsy no ho velona indray. Nilaza koa ny apostoly Paoly fa hatsangana ny “marina sy ny tsy marina.” (Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15.) Inona no dikan’izany?

Hatsangana ao amin’ny Paradisa ny maty ka ho tafaraka amin’ny havany sy ny namany indray

18. Iza avy ireo olona “marina” hatsangana amin’ny maty?

18 Anisan’ny olona “marina” ny mpanompon’i Jehovah velona talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany. Hatsangana eto an-tany, ohatra, ry Noa, Abrahama, Saraha, Mosesy, Rota, ary Estera. Tantaraina ao amin’ny Hebreo toko faha-11 ny sasany amin’izy ireny. Anisan’ny olona “marina” koa ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika maty amin’izao andro izao. Hatsangana koa izy ireny.

19. Iza ireo olona “tsy marina”? Havelan’i Jehovah hanao inona izy ireo?

19 Ary iza ireo olona “tsy marina”? Olona an’arivony tapitrisa tsy mba afaka nianatra momba an’i Jehovah. Tsy hadinon’i Jehovah izy ireny na dia maty aza. Hatsangany izy ireny ka havelany hianatra momba azy sy hanompo azy.

20. Iza no tsy hatsangana amin’ny maty?

20 Hatsangana daholo àry ve ny maty rehetra? Tsia. Nilaza i Jesosy fa hisy olona tsy hatsangana. (Lioka 12:5) Iza no manapa-kevitra hoe iza no hatsangana na tsy hatsangana? Nomen’i Jehovah fahefana “hitsara ny velona sy ny maty” i Jesosy, nefa i Jehovah ihany no tena Mpitsara. (Asan’ny Apostoly 10:42) Tsy hatsangana izay olona hitan’izy ireo hoe ratsy fanahy sy tsy mety miova.—Jereo ny Fanamarihana 19.

HATSANGANA MBA HO ANY AN-DANITRA

21, 22. a) Hoatran’ny ahoana ireo ho any an-danitra rehefa hatsangana amin’ny maty? b) Iza no voalohany natsangana ho any an-danitra?

21 Milaza koa ny Baiboly fa ho any an-danitra ny olona sasany. Rehefa hatsangana amin’ny maty izy ireny, dia ho lasa fanahy ary hipetraka any an-danitra.

22 I Jesosy no voalohany natsangana ho any an-danitra. (Jaona 3:13) Natsangan’i Jehovah izy, telo andro taorian’ny nahafatesany. (Salamo 16:10; Asan’ny Apostoly 13:34, 35) Tsy olombelona i Jesosy rehefa natsangana. Nohazavain’ny apostoly Petera hoe “nofo izy rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina.” (1 Petera 3:18) Lasa anjely mahery izy rehefa natsangana. (1 Korintianina 15:3-6) Milaza anefa ny Baiboly fa tsy izy irery no ho hoatr’izany.

23, 24. Iza ireo “ondry vitsy” noresahin’i Jesosy, ary firy ny isany?

23 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, taloha kelin’ny nahafatesany: “Handeha hanomana toerana ho anareo aho.” (Jaona 14:2) Hiaraka aminy any an-danitra àry ny mpanara-dia azy sasany rehefa hatsangana amin’ny maty. Firy izy ireo? Vitsivitsy ihany matoa nantsoin’i Jesosy hoe “ondry vitsy.” (Lioka 12:32) Nilaza ny apostoly Jaona fa 144 000 ny isany. Nahita an’i Jesosy “nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona” any an-danitra mantsy izy, ary “nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka taminy.”—Apokalypsy 14:1.

24 Rahoviana no hatsangana ireo Kristianina 144 000 ireo? Milaza ny Baiboly hoe rehefa manomboka manjaka any an-danitra i Kristy. (1 Korintianina 15:23) Efa manjaka anefa izy izao, ka efa natsangana any an-danitra ny ankamaroan’ny 144 000. Izay naman’izy ireo mbola eto an-tany kosa tonga dia hatsangana ho any an-danitra raha vao maty. Ary ahoana ireo olona be dia be tsy ho any an-danitra? Any aoriana kokoa izy ireo vao hatsangana ary hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.

25. Inona no hianarantsika ao amin’ny toko manaraka?

25 Kely sisa i Jehovah dia hanafaka ny olona rehetra, ka tsy hisy ho faty intsony. (Vakio ny Isaia 25:8.) Hanao inona any an-danitra anefa izay mankany? Milaza ny Baiboly fa hiara-manjaka amin’i Jesosy izy ireo. Hianarantsika ao amin’ny toko manaraka ny momba an’io Fanjakana io.

^ feh. 9 Mitantara olona hafa nitsangana tamin’ny maty koa ny Baiboly. Misy amin’izy ireo tanora, antitra, lehilahy, vehivavy, Israelita, ary hafa firenena. Hita amin’ireto andininy ireto izany: 1 Mpanjaka 17:17-24; 2 Mpanjaka 4:32-37; 13:20, 21; Matio 28:5-7; Lioka 7:11-17; 8:40-56; Asan’ny Apostoly 9:36-42; 20:7-12.