Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 10

Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy

Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy

1. Nahoana isika no mila mahafantatra momba ny anjely?

TIAN’I Jehovah hahafantatra ny fianakaviany isika. Anisan’ny fianakaviany ny anjely satria antsoin’ny Baiboly hoe “zanak’Andriamanitra.” (Joba 38:7) Inona no ataon’ny anjely? Nanampy olona ve izy ireny taloha? Mbola manampy antsika ve izy ireny?—Jereo ny Fanamarihana 8.

2. Iza no namorona ny anjely? Ary firy izy ireny?

2 Mila fantatsika hoe iza no namorona ny anjely. Milaza ny Kolosianina 1:16 fa rehefa avy namorona an’i Jesosy i Jehovah dia namorona “ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”, anisan’izany ny anjely. An-jatony tapitrisa ny anjely, hoy ny Baiboly.—Salamo 103:20; Apokalypsy 5:11.

3. Inona no resahin’ny bokin’i Joba momba ny anjely?

3 Milaza koa ny Baiboly fa noforonin’i Jehovah talohan’ny tany ny anjely. Resahin’ny bokin’i Joba fa faly be ny anjely rehefa vita ny tany. Fianakaviana nifankatia tokoa izy ireo ary niara-nanompo an’i Jehovah.—Joba 38:4-7.

MANAMPY NY VAHOAKAN’I JEHOVAH NY ANJELY

4. Inona ny porofo fa liana amin’ny fiainan’ny olombelona ny anjely?

4 Efa hatramin’izay ny anjely no liana tamin’ny fiainan’ny olombelona. Tiany ho fantatra koa hoe hataon’i Jehovah ahoana ny tany sy ny olona. (Ohabolana 8:30, 31; 1 Petera 1:11, 12) Tsy maintsy nalahelo be izy ireo rehefa tsy nankatò i Adama sy Eva. Vao mainka malahelo izy ireo rehefa mahita fa tsy mankatò an’Andriamanitra izao ny ankamaroan’ny olona. Faly be anefa ny anjely rehefa misy olona mibebaka sy miverina amin’i Jehovah. (Lioka 15:10) Tena tian’izy ireo izay manompo an’i Jehovah. Mampiasa anjely i Jehovah mba hanampy sy hiaro ny mpanompony eto an-tany. (Hebreo 1:7, 14) Hijery ohatra amin’izany isika.

“Naniraka ny anjeliny ny Andriamanitro ka nanakombona ny vavan’ny liona.”—Daniela 6:22

5. Inona no efa nataon’ny anjely mba hanampiana ny mpanompon’i Jehovah?

5 Rehefa noravana i Sodoma sy Gomora, dia naniraka anjely roa i Jehovah mba hanampy an’i Lota sy ny vady aman-janany hiala tao. (Genesisy 19:15, 16) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia natsipy tao anaty lavaka feno liona i Daniela mpaminany nefa tsy naninona. “Naniraka ny anjeliny” mantsy Andriamanitra “ka nanakombona ny vavan’ny liona.” (Daniela 6:22) Naniraka anjely koa i Jehovah tatỳ aoriana mba hanafaka ny apostoly Petera tao am-ponja. (Asan’ny Apostoly 12:6-11) Nisy anjely koa nanampy an’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Rehefa vita batisa, ohatra, izy dia “nikarakara azy ny anjely.” (Marka 1:13) “Nankahery azy” koa ny anjely iray, talohan’ny hamonoana azy.—Lioka 22:43.

6. a) Mbola manampy antsika ve ny anjely? Hazavao. b) Inona avy ny fanontaniana hovaliantsika?

6 Tsy miseho amin’ny olona intsony izao ny anjely. Mbola asain’i Jehovah manampy ny mpanompony anefa izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Ny anjelin’i Jehovah dia mitoby manodidina an’izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.” (Salamo 34:7) Mila arovana isika satria misy fahavalo matanjaka be te hanisy ratsy antsika. Iza izany, ary ahoana no nampisy azy? Inona no ataony mba hampijaliana antsika? Andao hojerentsika izay nitranga taoriana kelin’ny namoronana an’i Adama sy Eva.

TSY HITA MASO NY FAHAVALONTSIKA

7. Voafitak’i Satana ny olona ka lasa nanao inona?

7 Hitantsika tany amin’ny Toko faha-3 fa nanohitra an’Andriamanitra ny anjely iray ary te hotompoina. Antsoin’ny Baiboly hoe Satana Devoly izy io. (Apokalypsy 12:9) Tsy tiany hankatò an’Andriamanitra koa ny olona. Voafitak’i Satana i Eva ka tsy nankatò, ary voafitaka koa ny ankamaroan’ny olona taorian’izay. Nisy tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy anefa, ohatra hoe i Abela sy Enoka ary Noa.—Hebreo 11:4, 5, 7.

8. a) Ahoana no nahatonga ny anjely sasany ho lasa demonia? b) Inona no nataon’ny demonia mba tsy ho faty tamin’ny Safodrano?

8 Tsy nankatò an’i Jehovah koa ny anjely sasany, tamin’ny andron’i Noa, ka niala tany an-danitra ary nanketỳ an-tany. Niova ho olombelona izy ireo satria te hanambady. (Vakio ny Genesisy 6:2.) Tsy tokony hanambady anefa ny anjely. (Joda 6) Ratsy toetra sy mahery setra hoatran’ireo anjely ireo koa ny ankamaroan’ny olona tamin’izany. Naringan’i Jehovah àry ny ratsy fanahy ka nataony difotry ny rano ny tany manontolo. Novonjeny kosa ny mpanompony. (Genesisy 7:17, 23) Niverina tany an-danitra ny anjely ratsy satria tsy te ho faty. Antsoin’ny Baiboly hoe demonia izy ireny. Lasa naman’i Satana Devoly izy ireny ka i Satana no lehibeny.—Matio 9:34.

9. a) Natao ahoana ny demonia rehefa niverina tany an-danitra? b) Inona indray izao no hojerentsika?

9 Tsy navelan’i Jehovah ho anisan’ny fianakaviany intsony ny demonia satria tsy nankatò azy. (2 Petera 2:4) Tsy afaka miova ho olombelona intsony koa izy ireo. Mbola “mamitaka ny tany rehetra misy mponina” anefa izy ireo ary betsaka no voafitany. (Apokalypsy 12:9; 1 Jaona 5:19) Andao hojerentsika ny fomba amitahany ny olona.—Vakio ny 2 Korintianina 2:11.

NY FOMBA AMITAHAN’NY DEMONIA

10. Ahoana no amitahan’ny demonia ny olona?

10 Betsaka ny fomba amitahan’ny demonia ny olona. Efa voafitaka ny olona iray raha mifandray mivantana aminy na manatona olon-kafa, ohatra hoe mpilalao ody, mba hifandraisana aminy. Milaza ny Baiboly hoe tsy tokony hanao na inona na inona misy ifandraisany amin’ny demonia isika. (Galatianina 5:19-21) Manao hoatran’ny mpihaza mantsy ny demonia, ka mampiasa fandrika isan-karazany mba hamitahana sy hibaikoana ny olona.—Jereo ny Fanamarihana 26.

11. Inona no atao hoe manao sikidy? Nahoana izany no ratsy?

11 Anisan’ny fandrika ampiasainy ny sikidy. Mampiasa herin’ny maizina ny olona manao sikidy mba hahalalana ny hoavy na zavatra hafa. Misy, ohatra, mijery kintana, mitady fambara, mijery karatra (tarot), mampiasa baolina kristaly, na mamaky soritra amin’ny felatanana. Maro no mieritreritra fa tsy mampaninona ny manao sikidy. Tena ratsy anefa izany. Asehon’ny Baiboly, ohatra, fa ampiasain’ny demonia ny olona mpilaza ny hoavy. Tantarain’ny Asan’ny Apostoly 16:16-18 fa nahay “naminany” ny ankizivavy iray satria nampian’ny “demonia mpilaza ny hoavy.” Tsy nahay nilaza ny hoavy intsony izy rehefa nesorin’ny apostoly Paoly taminy ilay demonia.

12. a) Nahoana no tena ratsy ny miresaka amin’ny maty? b) Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no tsy manao fombafomba sasany?

12 Mampiasa fandrika hafa koa ny demonia. Tiany hino isika hoe mbola velona any ho any ny maty, ary afaka mifampiresaka amintsika na mampijaly antsika. Milaza, ohatra, ny mpamoha angatra fa afaka miresaka amin’ny maty izy. Mankany aminy àry ny olona sasany rehefa manana havana na namana maty. Mety hilaza zavatra momba an’ilay maty ilay mpamoha angatra, ary mety hanao ny feon’ilay olona maty mihitsy aza. (1 Samoela 28:3-19) Manao fombafomba koa ny olona sasany rehefa misy maty, satria mino fa mbola velona any ho any ny maty. Manao fety ho an’ny maty, ohatra, izy ireo, na miandry faty, na mamadika, na manao sorona ho an’ny maty. Misy ifandraisany amin’ny demonia daholo ireo ka tsy mandray anjara amin’ireo ny Kristianina. Mety hanaratsy na haneso na hanilikilika azy àry ny havany sy ny mpiray tanàna aminy. Fantatry ny Kristianina anefa fa tsy mandehandeha any ho any ny maty. Tsy afaka miresaka amintsika na mampijaly antsika izy. (Salamo 115:17) Aza mitady hiresaka amin’ny maty na amin’ny demonia mihitsy àry, ary aza manao fombafomba misy ifandraisany amin’ny demonia.—Vakio ny Deoteronomia 18:10, 11; Isaia 8:19.

13. Nisy olona natahotra demonia taloha, nefa nanao ahoana izy ireny izao?

13 Sady mamitaka ny demonia no mampitahotra olona. Vao mainka romotra sy masiaka be i Satana sy ny demoniany izao. Fantatr’izy ireo mantsy fa “fohy ny fotoana ananany” eto an-tany, fa efa hesorin’Andriamanitra etỳ izy ireo. (Apokalypsy 12:12, 17) Olona an’arivony taloha no natahotra an’ireny demonia ireny, kanefa lasa tsy natahotra intsony. Inona no nataon’izy ireo?

TOHERO NY DEMONIA

14. Inona no atao raha tsy te hifandray amin’ny demonia intsony?

14 Atoron’ny Baiboly hoe ahoana no hatao raha tsy te hifandray amin’ny demonia intsony isika na te hanohitra azy. Nisy nifandray tamin’ny demonia, ohatra, tany Efesosy. Tsy nanao an’izany intsony anefa izy ireo rehefa nahalala ny marina. Lazain’ny Baiboly fa “maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra.” (Asan’ny Apostoly 19:19) Mpanao mazia ireo olona ireo, nefa misy herin’ny maizina izany. Nopotehiny daholo àry ny bokiny momba ny mazia satria te ho lasa Kristianina izy ireo. Izany koa no tokony hataontsika raha te hanompo an’i Jehovah isika. Marina fa misy zavatra heverin’ny olona hoe mahafinaritra na tsy mampaninona, ohatra hoe ny mazia, na ny zavatra anaovana mba hatao fiaro. Ao koa ny tononandro, na boky, na filma, na mozika, na kilalao, ary na sary aza, nefa misy resaka herin’ny maizina. Misy ifandraisany amin’ny demonia daholo anefa ireny, ka tokony hopotehina.—1 Korintianina 10:21.

15. Inona koa no tokony hatao mba hanoherana an’i Satana sy ny demonia?

15 Marina fa efa nanapotika ny bokiny momba ny mazia ireo Kristianina tany Efesosy. Nanoratra ho azy ireo anefa ny apostoly Paoly, taona vitsivitsy taorian’izay, hoe mbola mila “mitolona” sy miady “amin’ireo fanahy ratsy” izy ireo. (Efesianina 6:12) Mbola notadiavin’ny demonia hampijalina ihany àry izy ireo. Fa inona no mbola tokony hataony? Hoy i Paoly: “Raiso ny ampinga lehibe, dia ny finoana, izay hahafahanareo hamono [na hanakana] ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.” (Efesianina 6:16) Miaro ny miaramila ny ampinga rehefa miady, ary miaro antsika hoatr’izany koa ny finoana. Hahavita hanohitra an’i Satana sy ny demonia isika raha matoky tanteraka fa afaka miaro antsika i Jehovah.—Matio 17:20.

16. Inona no hanampy antsika hino kokoa an’i Jehovah?

16 Inona no hanampy antsika hino kokoa fa miaro antsika i Jehovah? Mila mamaky Baiboly isan’andro isika, ary mianatra miantehitra aminy mba hiaro antsika. Raha tena matoky an’i Jehovah isika, dia tsy hahavita hanisy ratsy antsika i Satana sy ny demonia.—1 Jaona 5:5.

17. Mila manao inona isika mba tsy hampijalin’ny demonia?

17 Nila nanao inona koa ny Kristianina tany Efesosy? Feno olona nifandray tamin’ny demonia tao Efesosy. Hoy àry i Paoly: “Mivavaha foana na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.” (Efesianina 6:18) Nila nivavaka tamin’i Jehovah foana izy ireo mba harovany. Feno olona mifandray amin’ny demonia koa manodidina antsika. Ilaintsika koa àry ny mangataka mba harovan’i Jehovah, sy mampiasa ny anarany rehefa mivavaka. (Vakio ny Ohabolana 18:10.) Hamaly antsika i Jehovah raha mivavaka aminy foana isika mba tsy ho resin’i Satana.—Salamo 145:19; Matio 6:13.

18, 19. a) Inona no hanampy antsika handresy an’i Satana sy ny demonia? b) Inona no hovaliana ao amin’ny toko manaraka?

18 Ho afaka hanohitra an’i Satana sy ny demonia isika raha tsy mifandray amin’ny fanahy ratsy mihitsy, ary miantehitra amin’i Jehovah. Tsy mila matahotra azy ireo isika. (Vakio ny Jakoba 4:7, 8.) I Jehovah mantsy mbola mahery lavitra noho ny demonia. Nosaziny izy ireo tamin’ny andron’i Noa ary mbola horinganiny amin’ny hoavy. (Joda 6) Tadidio hoe tsy miady irery isika fa asain’i Jehovah miaro antsika ny anjely tsara. (2 Mpanjaka 6:15-17) Matokia fa handresy an’i Satana sy ny demonia isika rehefa ampian’i Jehovah.—1 Petera 5:6, 7; 2 Petera 2:9.

19 Nahoana anefa Andriamanitra no mbola tsy mandringana an’i Satana sy ny demonia ihany, nefa izy ireo no tena mampijaly ny olona? Hovaliana ao amin’ny toko manaraka izany.