Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 13

Hajao ny Aina

Hajao ny Aina

1. Iza no nanome aina antsika?

I JEHOVAH no “Andriamanitra velona.” (Jeremia 10:10) Izy no nanome aina antsika satria izy no Mpamorona antsika. Hoy ny Baiboly: “Namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” (Apokalypsy 4:11) Fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah tokoa ny aina, ary tiany ho velona isika.—Vakio ny Salamo 36:9.

2. Inona no tokony hataontsika raha te ho sambatra?

2 Omen’i Jehovah sakafo sy rano ary zavatra be dia be isika, satria tiany ho velona. (Asan’ny Apostoly 17:28) Tiany hankafy fiainana koa isika. (Asan’ny Apostoly 14:15-17) Mila mankatò ny lalàn’Andriamanitra isika raha te ho sambatra.—Isaia 48:17, 18.

SAROBIDY AMIN’I JEHOVAH NY AINA

3. Nataon’i Jehovah ahoana i Kaina rehefa namono an’i Abela?

3 Milaza ny Baiboly fa sarobidy amin’i Jehovah ny aintsika sy ny ain’ny olon-kafa. Eritrereto, ohatra, izay nataon’i Kaina zanak’i Adama sy Eva. Tezitra be tamin’i Abela zandriny lahy izy indray mandeha. Nampitandrina azy i Jehovah hoe mila mifehy tena izy sao tezitra loatra. Tsy noraharahain’i Kaina anefa izany, fa “namely an’i Abela rahalahiny” izy ka “nahafaty azy.” (Genesisy 4:3-8) Nosazin’i Jehovah i Kaina satria namono an’i Abela. (Genesisy 4:9-11) Tena ratsy àry ny hoe tezitra be sy mankahala olona, satria mety ho lasa mahery setra isika na hamono olona mihitsy. Tsy hahazo fiainana mandrakizay izay manao an’izany. (Vakio ny 1 Jaona 3:15.) Tokony ho tia ny olona rehetra isika raha te hampifaly an’i Jehovah.—1 Jaona 3:11, 12.

4. Nahoana isika no milaza fa sarobidy amin’i Jehovah ny aina?

4 Mbola nasehon’i Jehovah ihany, tatỳ aoriana, hoe sarobidy aminy ny aina. Anisan’ny Didy Folo nomeny an’i Mosesy ny hoe: “Aza mamono olona.” (Deoteronomia 5:17) Tsy maintsy novonoina ho faty izay nanao fanahy iniana namono olona.

5. Ratsy ve ny manala zaza, raha ny hevitr’i Jehovah no jerena? Hazavao.

5 Ary ratsy ve ny manala zaza? Sarobidy amin’i Jehovah koa na dia ny ain’ny zazakely mbola any am-bohoka aza. Nilaza izy tao amin’ny Lalàna nomeny ny Israelita, fa hovonoina ho faty izay olona mandratra vehivavy bevohoka, raha afa-jaza ilay vehivavy. (Vakio ny Eksodosy 21:22, 23; Salamo 127:3.) Hita amin’izany fa ratsy ny manala zaza.—Jereo ny Fanamarihana 28.

6, 7. Inona no hataontsika raha sarobidy amintsika ny aina?

6 Inona no hataontsika raha sarobidy amintsika ny aina nomen’i Jehovah antsika sy ny ain’ny olon-kafa? Tsy hataontsika mihitsy izay zavatra mety hankarary na hahafaty antsika sy ny olon-kafa. Tsy hihinam-paraky, na hifoka sigara na rongony àry isika, satria mankarary sy mahafaty ireny.

7 Mila manaja ny aintsika sy ny vatantsika isika, ka zavatra tian’i Jehovah ihany no tokony hataontsika. Avy aminy mantsy ireo, ka tokony hokarakaraina tsara. Raha tsy izany dia hoheverin’i Jehovah hoe tsy madio isika. (Romanina 6:19; 12:1; 2 Korintianina 7:1) Tsy mety ny hoe manompo an’i Jehovah nefa tsy miraharaha ny aina. Izy mantsy no nanome ny aina. Mety ho sarotra ny miala amin’ny zavatra ratsy fanaontsika, nefa hampian’i Jehovah isika raha tena miezaka.

8. Inona avy no tokony hotandremantsika?

8 Fanomezana tena sarobidy ny aina. Tian’i Jehovah raha tsy manao zavatra mety hahafaty antsika na ny olon-kafa mihitsy isika. Mitandrema àry rehefa mitondra fiara, na môtô, na zavatra hafa. Aza manao fanatanjahan-tena mahery setra na mety hahafaty. (Salamo 11:5) Mitandrema koa mba tsy hisy zavatra mampidi-doza amin’ny tranonao. Nandidy ny Israelita i Jehovah hoe: “Asio arofanina ny tampon-trano raha manao trano vaovao ianao. Amin’izay dia tsy hahatonga trosan-dra amin’ny tranonao ianao. Mety hisy olona hianjera mantsy avy eny.”—Deoteronomia 22:8.

9. Tsy tokony hatao ahoana ny biby?

9 Tena tian’i Jehovah koa isika raha tsy mampijalijaly biby. Avelany mamono biby isika raha hatao sakafo na hanamboarana akanjo ilay izy, na raha manaikitra na masiaka. (Genesisy 3:21; 9:3; Eksodosy 21:28) Tsy tokony hampijaly na hamono biby anefa isika raha natao hialana voly fotsiny izany.—Ohabolana 12:10.

MASINA NY AINA

10. Nahoana isika no milaza fa aina ny ra?

10 Masina ny ra, amin’i Jehovah, satria io no aina. Tamin’i Kaina namono an’i Abela, ohatra, dia hoy i Jehovah: “Miantsoantso mitaraina amiko avy amin’ny tany ny ran’ny rahalahinao.” (Genesisy 4:10) Ny ain’i Abela no tiana holazaina amin’ilay hoe rany. Nosazin’i Jehovah i Kaina satria namono an’i Abela. Mbola nasehon’i Jehovah ihany, taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa, fa aina ny ra. Navelany hihinana hena i Noa sy ny fianakaviany, satria hoy izy: “Azonareo atao sakafo ny biby mihetsiketsika rehetra izay velona. Omeko anareo avokoa izy rehetra, toy ny nanomezako anareo ny zava-maitso.” Tsy navelan’i Jehovah nohanina anefa “ny nofo misy aina, izany hoe mbola misy ra.”—Genesisy 1:29; 9:3, 4.

11. Inona ny didy nomen’i Jehovah ny firenen’Israely?

11 Valonjato taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia mbola niteny tamin’ny vahoakany ihany i Jehovah hoe: ‘Aza mihinana ra.’ Hoy izy: “Raha misy amin’ny zanak’Israely na ny vahiny monina eo aminareo mihaza ka mahazo bibidia na vorona azo hanina, dia hararany amin’ny tany ny rany, ka hototofany vovoka.” (Levitikosy 17:13, 14) Mbola tian’i Jehovah ho masina tamin’ny vahoakany ihany ny ra. Nahazo nihinana hena izy ireo, fa tsy nahazo nihinana ra. Tsy maintsy nararak’izy ireo tamin’ny tany ny ran’izay biby hohaniny.

12. Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny ra?

12 Nivory ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema, taona vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Nojeren’izy ireo hoe inona amin’ny Lalàna nomena ny Israelita no mbola tokony hampiharin’ny Kristianina. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 21:25.) Nampahafantarin’i Jehovah azy ireo fa mbola sarobidy aminy ny ra, ka mbola tokony hoheverina ho masina. Tsy nahazo nihinana ra sy hena tsy nalatsa-dra tsara ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Mitovy amin’ny olona manompo sampy na mijangajanga izay manao an’izany. Tsy nety nihinana ra mihitsy ny tena Kristianina nanomboka tamin’izay. Ary isika? Mbola tian’i Jehovah ho masina amintsika ny ra.

13. Nahoana no tsy manaiky hampidiran-dra ny Kristianina?

13 Tsy tokony hanaiky hampidiran-dra koa ny Kristianina, satria tsy avelan’i Jehovah mihinana ra. Ahoana, ohatra, raha tsy avelan’ny dokotera misotro toaka ianao? Hampidirinao amin’ny lalan-dranao indray ve ilay izy? Azo antoka fa tsy hanao an’izany ianao. Tsy tokony hampiditra ra amin’ny vatanao koa ianao raha asaina mifady ny ra.—Jereo ny Fanamarihana 29.

14, 15. Tsy te ho faty ny Kristianina nefa koa te hankatò an’i Jehovah. Inona no hataony?

14 Ahoana raha miteny ny dokotera hoe ho faty ianao raha tsy ampidiran-dra? Tsy teren’Andriamanitra hankatò ny lalàny momba ny ra isika. Tsy manaiky hampidiran-dra mihitsy anefa ny Kristianina. Na izany aza, dia sarobidy aminy ny aina ka mitady fitsaboana tsy ampiasana ra izy mba ho velona.

15 Miezaka isika mba ho salama foana. Sarobidy amin’Andriamanitra anefa ny aina, ka tsy hanaiky hampidirana ra mihitsy isika. Aleo lavitra mankatò an’i Jehovah, toy izay handika ny lalàny satria hoe te ho ela velona kokoa. Hoy i Jesosy: “Izay te hamonjy ny ainy dia hamoy azy, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa dia hahazo azy.” (Matio 16:25) Mankatò an’i Jehovah isika satria tia azy. Izy no mahalala an’izay tena mahasoa antsika. Raha sarobidy sy masina aminy àry ny aina, dia tokony ho masina amintsika koa.—Hebreo 11:6.

16. Nahoana no mankatò an’Andriamanitra ny mpanompony?

16 Tsy hihinana ra mihitsy ny tena Kristianina sady tsy hanaiky hampidiran-dra. * Tsy mampaninona azy kosa raha fitsaboana hafa no hanavotana ny ainy. Tapa-kevitra ny hankatò ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra izy ireo, satria fantany fa ilay Mpamorona ny aina sy ny ra no mahalala an’izay tena mahasoa azy. Ianao koa ve mino an’izany?

ZAVATRA IRAY IHANY NO AZO AMPIASANA RA

17. Inona ihany no navelan’i Jehovah hampiasana ny ra?

17 Hoy i Jehovah tamin’ny Israelita, tao amin’ilay Lalàna nomeny an’i Mosesy: “Ao amin’ny ra ny ain’ny nofo. Ary nasaiko natao teo amin’ny alitara ny ra mba handrakofana ny fahotanareo [na hangatahana famelana], satria ny ra no mandrakotra fahotana.” (Levitikosy 17:11) Afaka nangataka famelan-keloka tamin’i Jehovah ny Israelita rehefa nanota. Nanao sorona biby izy ireo ary nafafin’ny mpisorona teo amin’ny alitaran’ny tempoly ny ran’ilay izy. Izay ihany, taloha, no navelan’i Jehovah hampiasana ny ra.

18. Lasa afaka mahazo inona isika rehefa maty ho antsika i Jesosy?

18 Nanao sorona ny ainy i Jesosy tetỳ an-tany mba ho voavela ny fahotantsika, ka tsy nilaina intsony ilay lalàna hoe manao sorona biby. (Matio 20:28; Hebreo 10:1) Sarobidy be mihitsy ny ain’i Jesosy, ka lasa afaka manome fiainana mandrakizay ho an’ny olona rehetra i Jehovah.—Jaona 3:16; Hebreo 9:11, 12; 1 Petera 1:18, 19.

Inona no hataonao raha manaja ny aina sy ny ra ianao?

19. Mila manao inona isika raha te ho “afaka amin’ny ran’ny olona rehetra”?

19 Misaotra an’i Jehovah isika satria nomeny aina. Tiantsika ho fantatry ny olona hoe hiaina mandrakizay izy ireo raha mino an’i Jesosy. Tiantsika ny olona, ary miezaka mafy isika mampianatra azy ireo hoe ahoana no atao raha te ho velona mandrakizay. (Ezekiela 3:17-21) Mila mitory isika, amin’izay afaka miteny toa an’i Paoly hoe: “Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho, satria tsy niahotra nilaza taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.” (Asan’ny Apostoly 20:26, 27) Manaja ny aina sy ny ra isika raha miresaka amin’ny olona momba an’i Jehovah, sy milaza amin’izy ireo fa sarobidy amin’i Jehovah ny aina.

^ feh. 16 Manazava momba ny fampidiran-dra ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, pejy 77-79, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.