Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 14

Afaka ny ho Sambatra ny Fianakavianao

Afaka ny ho Sambatra ny Fianakavianao

1, 2. Tian’i Jehovah hanao ahoana ny fianakaviana?

I JEHOVAH no namorona ny fanambadiana, ary tiany ho sambatra ny mpivady. Milaza ny Baiboly fa “nentiny ho any amin-dralehilahy” ilay vehivavy noforoniny. Faly be i Adama ary niteny hoe: “Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko.”—Genesisy 2:22, 23.

2 Mampalahelo fa tsy sambatra mihitsy ny fianakaviana maro amin’izao. Misy toro lalana be dia be afaka manampy ny mpianakavy tsirairay anefa ao amin’ny Baiboly. Ho sambatra sy hifankatia izy ireo raha mampihatra azy ireny.—Lioka 11:28.

INONA NO TOKONY HATAON’NY LEHILAHY?

3, 4. a) Inona no tokony hataon’ny lehilahy amin’ny vadiny? b) Nahoana no tokony hifamela ny mpivady?

3 Tokony ho tia sy hanaja ny vadiny ny lehilahy. Vakio ange ny Efesianina 5:25-29 e! Tokony ho tsara fanahy amin’ny vadiny foana izy. Tokony hiaro sy hikarakara ny vadiny koa izy ary tsy hampijaly azy.

4 Ary ahoana raha misy tsy mety ataon’ny vadiny? Hoy ny Baiboly: “Ianareo lehilahy, tiavo foana ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.” (Kolosianina 3:19) Tadidio fa manao zavatra tsy mety koa ny lehilahy. Tsy maintsy mamela ny fahadisoan’ny vadiny izy raha te havelan’Andriamanitra. (Matio 6:12, 14, 15) Ho sambatra ny mpivady raha samy vonona hifamela.

5. Nahoana ny lehilahy no tokony hanaja ny vadiny?

5 Tian’i Jehovah hanaja ny vadiny ny lehilahy, fa tsy hampijaly azy. Tokony hokenakenainy sy hotambatambaziny tsara ny vadiny. Tena zava-dehibe izany satria mety tsy hohenoin’i Jehovah ny vavaka ataony raha mampijaly vady izy. (1 Petera 3:7) Tadidio fa tsy hoe ny lehilahy no tian’i Jehovah kokoa noho ny vehivavy, fa tiany daholo izay tia azy, na lahy na vavy.

6. Inona no dikan’ny hoe “nofo iray” ny mpivady?

6 Nilaza i Jesosy fa “tsy roa intsony” ny mpivady “fa nofo iray ihany.” (Matio 19:6) Midika izany hoe izy mivady ihany no tokony hanao firaisana, fa tsy hiaraka amin’olon-kafa izy ireo. (Ohabolana 5:15-21; Hebreo 13:4) Tokony hifaneho fitiavana ny mpivady rehefa manao firaisana, ka tsy ho tia tena fa samy hieritreritra an’izay mba tian’ny vadiny. (1 Korintianina 7:3-5) Mila mitadidy ny lehilahy hoe “tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy maneho fitiavana azy.” Tokony ho tena tia ny vadiny àry ny lehilahy, sady hasehony mihitsy izany. Tsy misy zavatra tian’ny vehivavy kokoa noho ny hoe tsara fanahy aminy sy tia azy ny vadiny.—Efesianina 5:29.

INONA NO TOKONY HATAON’NY VEHIVAVY?

7. Nahoana no ilaina ny loham-pianakaviana?

7 Raha tiana hilamina tsara ny fianakaviana dia mila mpitarika, izany hoe loham-pianakaviana. Hoy ny 1 Korintianina 11:3: “I Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.”

8. Inona no hataon’ny vehivavy raha tena manaja ny vadiny izy?

8 Manao zavatra tsy mety daholo ny lehilahy manambady. Hihatsara anefa ny fiainana ao an-tokantrano, raha manohana ny vadiny foana ny vehivavy rehefa misy fanapahan-kevitra raisiny, ary vonona hiara-miasa aminy. (1 Petera 3:1-6) Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’ (Efesianina 5:33) Mila manaja ny vadiny foana ny vehivavy na dia tsy Kristianina aza ilay lehilahy. Hoy ny Baiboly: “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.” (1 Petera 3:1, 2) Mety ho azon’ilay lehilahy sy hohajainy ihany ny zavatra inoan’ilay vehivavy raha tsara toetra ilay vehivavy.

9. a) Ahoana raha tsy mitovy hevitra amin’ny vadiny ny vehivavy? b) Asaina manao inona ny vehivavy ao amin’ny Titosy 2:4, 5?

9 Ary ahoana raha tsy mitovy hevitra amin’ny vadiny ny vehivavy? Afaka milaza ny heviny izy nefa tokony hanaja foana. Nilaza zavatra tsy tian’i Abrahama, ohatra, i Saraha. Hoy anefa i Jehovah tamin’i Abrahama: “Henoy ny teniny.” (Genesisy 21:9-12) Tokony hanaiky ny vadiny foana ny vehivavy, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny Baiboly ny fanapahan-kevitr’ilay lehilahy. (Asan’ny Apostoly 5:29; Efesianina 5:24) Tokony hikarakara tokantrano koa ny vehivavy manambady. (Vakio ny Titosy 2:4, 5.) Vao mainka ho tia sy hanaja azy ny vady aman-janany rehefa mahita azy mikarakara be azy ireo.—Ohabolana 31:10, 28.

Inona no nataon’i Saraha ka azon’ny vehivavy ianarana?

10. Rehefa misy inona vao mahazo misara-toerana ny mpivady? Ary rahoviana izy ireo no afaka misara-panambadiana?

10 Maika hisara-toerana na hisara-panambadiana ny mpivady sasany. Milaza anefa ny Baiboly hoe “tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny vehivavy” ary “tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny lehilahy.” (1 Korintianina 7:10, 11) Afaka misara-toerana vetivety ny mpivady raha misy antony tena lehibe. Ary ahoana ny amin’ny fisaraham-panambadiana? Hazavain’ny Baiboly fa tsy tokony hisaraka amin’ny vadiny ny olona iray, raha tsy hoe nanao firaisana tamin’olon-kafa ilay vadiny.—Matio 19:9.

INONA NO TOKONY HATAON’NY RAY AMAN-DRENY?

Tokony hanahaka an’i Jesosy daholo ny mpianakavy

11. Inona no tena ilain’ny ankizy?

11 Tokony hiaraka amin’ny zanakao foana ianao, ary tokony hiara-manao zavatra ianareo. Inona no tena ilain’ny zanakao? Mila ampianarinao momba an’i Jehovah izy.—Deoteronomia 6:4-9.

12. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny mba hiarovana ny zanany?

12 Miharatsy foana ny olona eto amin’ity tontolon’i Satana ity. Mety hisy olona te hanisy ratsy ny zanakareo na te hametaveta azy ireo mihitsy. Menatra miresaka momba an’izany ny ray aman-dreny sasany. Ianareo anefa no tokony hampitandrina ny zanakareo, sy hanoro azy hoe ahoana no hatao mba tsy ho tratran’izany. Arovy ny zanakareo. *1 Petera 5:8.

13. Ahoana no tokony hampianarana ny ankizy?

13 Anjaran’ny ray aman-dreny ny mampianatra ny zanany mba ho hendry. Ahoana anefa no hampianarana azy? Mila atoro izy, nefa tsy tokony hasiaka ianao rehefa manitsy azy. (Jeremia 30:11) Aza manasazy na mananatra azy raha mbola tezitra ianao, sao dia lasa hoatran’ny “fanindron’ny sabatra” ny teninao, ka hankarary ny fony. (Ohabolana 12:18) Ataovy azony tsara hoe nahoana izy no mila mankatò.—Efesianina 6:4; Hebreo 12:9-11; jereo ny Fanamarihana 30.

INONA NO TOKONY HATAON’NY ANKIZY?

14, 15. Nahoana ny ankizy no tokony hankatò ray aman-dreny?

14 Nankatò ny Rainy foana i Jesosy na sarotra taminy aza izany indraindray. (Lioka 22:42; Jaona 8:28, 29) Tian’i Jehovah hankatò ray aman-dreny koa ny ankizy.—Efesianina 6:1-3.

15 Sarotra aminareo ve, rankizy, ny mankatò an’i Dada sy Neny? Tadidio fa ho faly izy ireo raha mankatò ianareo, ary ho faly koa i Jehovah. *Ohabolana 1:8; 6:20; 23:22-25.

Inona no hanampy ny ankizy tsy hivadika amin’i Jehovah, rehefa misy mitarika azy haditra?

16. a) Inona no ataon’i Satana mba hampirisihana ny ankizy hanao ratsy? b) Nahoana isika no mila mahay mifidy namana?

16 Mety hampiasa ny namanao na ankizy hafa ny Devoly mba hampirisika anao hanao ratsy. Fantany mantsy fa raha olona mitovitovy taona aminao no mitarika anao, dia ho sarotra aminao ny handa. Diniho, ohatra, i Dina zanak’i Jakoba. Olona tsy tia an’i Jehovah no nataony namana, ka nijaly izy ary ny fianakaviany koa lasa nikorontana. (Genesisy 34:1, 2) Raha tsy tia an’i Jehovah koa ny namanao, dia mety hotaominy hanao ratsy ianao. Halahelo be anefa ianao sy ny fianakavianao ary Jehovah, raha maditra ianao. (Ohabolana 17:21, 25) Olona tia an’i Jehovah ihany àry no ataovy namana.—1 Korintianina 15:33.

AFAKA NY HO SAMBATRA IANAREO

17. Inona avy ny andraikitry ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana?

17 Hilamina kokoa ny fiainan’ny mpianakavy raha samy manaraka ny torohevitr’Andriamanitra izy ireo. Raha lehilahy àry ianao, dia tiavo foana ny vadinao. Raha vehivavy ianao, dia hajao sy ekeo ny vadinao. Manaova hoatran’ilay vehivavy ao amin’ny Ohabolana 31:10-31. Raha manan-janaka ianao, dia ampianaro ho tia an’Andriamanitra ny zanakao. (Ohabolana 22:6) Raha raim-pianakaviana ianao, dia mahaiza mitarika ny ankohonanao. (1 Timoty 3:4, 5; 5:8) Ary ankatoavy, rankizy, ny ray aman-dreninareo. (Kolosianina 3:20) Tadidio fa mety hanao fahadisoana daholo ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana. Miezaha àry hanetry tena sy hiala tsiny. Misy torohevitr’i Jehovah ho an’ny mpianakavy tokoa ao amin’ny Baiboly.

^ feh. 12 Manazava ny fomba iarovana ny ankizy ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, toko 32, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 15 Tsy tokony hanaiky ny ankizy rehefa asain’ny ray aman-dreniny manao zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’i Jehovah.—Asan’ny Apostoly 5:29.