Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 16

Manompoa An’Andriamanitra

Manompoa An’Andriamanitra

1, 2. Inona ny safidy tsy maintsy ataonao, ary nahoana no mety ho sarotra izany safidy izany?

MIANATRA Baiboly ianao, ka hitanao hoe betsaka no milaza ho mpivavaka nefa mampianatra zavatra diso sy manao zavatra tsy tian’Andriamanitra. (2 Korintianina 6:17) Izany no mahatonga an’i Jehovah handidy antsika hiala any amin’ny “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 18:2, 4) Tsy maintsy misafidy isika tsirairay hoe: ‘Hanompo an’Andriamanitra araka izay tiany ve aho, sa mbola hanaraka an’izay efa nahazatra ahy?’ Inona no hataonao?

2 Tena tsara raha efa niala tany amin’ny fivavahan-diso ianao, na efa novonoinao tany ny anaranao. Mety mbola hahafinaritra anao ihany anefa ny zavatra sasany tany. Andao hojerentsika izy ireny. Ho hitantsika koa hoe tian’i Jehovah ve izy ireny sa tsia, ary nahoana isika no tokony hitovy hevitra aminy.

MIVAVAKA AMIN’NY SARY NA AMIN’NY RAZANA

3. a) Nahoana no sarotra amin’ny olona sasany ny tsy hampiasa sary masina intsony? b) Inona anefa no lazain’ny Baiboly?

3 Zatra mampiasa sarivongana na sary masina ny olona sasany rehefa mivavaka amin’Andriamanitra. Mety ho hoatr’izany koa ianao, ka lasa tsy manaiky ny sainao raha tsy mampiasa an’ireny. Tadidio anefa fa efa niteny i Jehovah hoe ahoana no atao rehefa mivavaka aminy. Lazainy tsara ao amin’ny Baiboly fa tsy tiany hampiasa sary masina isika.—Vakio ny Eksodosy 20:4, 5; Salamo 115:4-8; Isaia 42:8; 1 Jaona 5:21.

4. a) Nahoana no tsy mety ny mivavaka amin’ny razana? b) Nahoana i Jehovah no nandrara ny vahoakany tsy hiresaka amin’ny maty?

4 Misy olona sahirana erỳ manao fombafomba ho an’ny razany. Mety hivavaka amin’ny razana mihitsy aza izy ireo. Tsy mety anefa izany satria efa hitantsika fa tsy afaka mitahy na mampijaly antsika ny maty. Tsy hoe velona any ho any izy ireo. Nandrara ny Israelita i Jehovah mba tsy hiresaka amin’ny maty, na hanao fanafody na hampiasa herin’ny maizina. (Deoteronomia 18:10-12) Nahoana? Satria ny demonia, raha ny marina, no mamaly fa tsy ilay olona efa maty.—Jereo ny Fanamarihana 26 sy 31.

5. Inona no hanampy anao tsy hampiasa sary masina sy tsy hivavaka amin’ny razana intsony?

5 Inona no hanampy anao tsy hampiasa sary masina sy tsy hivavaka amin’ny razana intsony? Mila mamaky Baiboly ianao, ary mieritreritra tsara hoe inona no hevitr’i Jehovah. Raha ny marina, dia tena maharikoriko azy ireny zavatra ireny. (Deoteronomia 27:15) Mivavaha amin’i Jehovah isan’andro mba hanampiany anao hanaiky ny heviny sy hanompo azy araka izay tiany. (Isaia 55:9) Afaka matoky ianao fa hampiany mba tsy hanao ny fanaon’ny fivavahan-diso intsony.

METY VE NY MANKALAZA KRISMASY?

6. Nahoana no natao 25 Desambra ny fankalazana ny nahaterahan’i Jesosy?

6 Anisan’ny fety be mpitia indrindra eran-tany ny Krismasy, ary lazain’ny olona fa fankalazana ny andro nahaterahan’i Jesosy. Avy amin’ny fanompoan-tsampy anefa ny Krismasy. Milaza ny boky iray fa fetin’ny masoandro ny 25 Desambra, ary mpanompo sampy romanina no nankalaza azy. Tian’ny mpitondra fivavahana ho lasa Kristianina anefa ny mpanompo sampy. Nataon’izy ireo 25 Desambra àry ny andro ankalazana ny nahaterahan’i Jesosy, nefa tsy tamin’io akory i Jesosy no teraka. (Lioka 2:8-12) Tsy nankalaza Krismasy ny mpianatr’i Jesosy. Milaza ny boky iray fa “tsy nisy nahafantatra ny daty marina nahaterahan’i Kristy”, nandritra ny 200 taona taorian’ny nahaterahany, “ary vitsy no liana tamin’izany.” Efa 300 taona teo ho eo taorian’ny nahaterahany vao nanao Krismasy ny olona.

7. Nahoana ny tena Kristianina no tsy manao Krismasy?

7 Betsaka no mahafantatra fa avy amin’ny mpanompo sampy ny Krismasy sy ny fombafomba amin’ilay izy, ohatra hoe ilay manao fety sy mifanolotra fanomezana. Nisy fotoana aza tsy azo natao ny mankalaza Krismasy, tany Angletera sy tany amin’ny faritra sasany any Amerika, satria fetin’ny mpanompo sampy izy io. Voasazy izay nankalaza an’ilay izy. Nalaza indray anefa ny Krismasy tatỳ aoriana. Nahoana ny tena Kristianina no tsy manao Krismasy? Satria te hampifaly an’i Jehovah foana izy ireo.

METY VE NY MANKALAZA ANIVERSERA?

8, 9. Nahoana no tsy nankalaza aniversera ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

8 Fety be mpitia koa ny aniversera, na fankalazana ny andro nahaterahana. Tokony hanao an’izany ve ny Kristianina? Olona tsy mpanompon’i Jehovah ihany no nankalaza aniversera, ao amin’ny Baiboly. (Genesisy 40:20; Marka 6:21) Natao hanompoana andriamani-diso ny aniversera, taloha. Izany no nahatonga ny Kristianina fahiny hihevitra hoe “fanaon’ny mpanompo sampy ny mankalaza fitsingerenan’ny andro nahaterahana.”—Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao, anglisy.

9 Nino ny Romanina sy ny Grika taloha fa isaky ny misy zaza teraka dia misy fanahy tonga sy manatrika eo, ary iny no lasa miaro azy mandra-pahafatiny. Hoy ny boky iray: “Nisy fifandraisana hafahafa teo amin’io fanahy io sy ilay andriamanitra mitovy daty nahaterahana amin’ilay olona.”—Lovantsofina Momba ny Fankalazana Andro Nahaterahana, anglisy.

10. Nahoana isika no tsy tokony hankalaza aniversera?

10 Tsy tian’i Jehovah ireny fety fanaon’ny fivavahan-diso ireny. (Isaia 65:11, 12) Izany no mahatonga antsika tsy hankalaza aniversera na fety hafa fanaon’ny fivavahan-diso.

SAO DIA TSY MANINONA IHANY ILAY IZY?

11. Nahoana ny olona sasany no mankalaza fety? Inona anefa no tokony ho zava-dehibe aminao?

11 Misy olona mahafantatra hoe fetin’ny mpanompo sampy ny Krismasy sy ny fety hafa, nefa mbola ankalazainy ihany. Amin’ireny, hono, izy no mba afaka miaraka amin’ny havany. Mety ho hoatr’izany koa no eritreretinao. Tsy ratsy ny hoe miaraka amin’ny fianakaviana. Na i Jehovah aza faly rehefa mifandray tsara amin’ny havanao ianao, satria izy no namorona ny fianakaviana. (Efesianina 3:14, 15) Aleo anefa mifandray tsara amin’i Jehovah toy izay hanao fetin’ny fivavahan-diso mba hampifaliana ny havanao fotsiny. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hiteny hoe: “Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.”—Efesianina 5:10.

12. Nahoana no tsy tian’i Jehovah ny fety sasany?

12 Betsaka no mieritreritra fa tsy mampaninona izay niandohan’ny fety iray. Tsy manaiky an’izany anefa i Jehovah. Tsy tiany ny fety avy amin’ny fivavahan-diso sy ny fety manindrahindra olona na firenena. Maro, ohatra, ny fety nankalazain’ny Ejipsianina ho an’ny andriamaniny. Rehefa avy niala tany Ejipta ny Israelita, dia nanao fety hoatr’ireny nataon’ny Ejipsianina ireny, fa nolazainy hoe “fety ho an’i Jehovah” ilay izy. Nosazin’i Jehovah anefa izy ireo. (Eksodosy 32:2-10) Tokony hanaraka an’ity tenin’i Isaia mpaminany ity koa isika: “Aza mikasika an’izay maloto!”—Vakio ny Isaia 52:11.

MIEZAHA HO TSARA FANAHY REHEFA MANAZAVA

13. Inona avy ny fanontaniana mety hoeritreretinao?

13 Betsaka ny zavatra mety ho tianao ho fantatra rehefa tsy manao an’ireny fety ireny intsony ianao, ohatra hoe: Ahoana raha anontanian’ny mpiara-miasa aminay aho hoe maninona no tsy mankalaza Krismasy? Ahoana raha omen’ny olona fanomezana aho? Ary ahoana raha tian’ny vadiko hankalaza an’ireny fety ireny aho? Inona no azoko atao mba tsy hahatsiaro ho matiantoka ny zanako rehefa tsy manao aniversera na fety hafa?

14, 15. Inona no azonao atao raha misy miarahaba anao tratry ny fety, na manao fanomezana ho anao?

14 Mila mieritreritra tsara ianao hoe inona no hoteneninao sy hataonao. Raha misy olona miarahaba anao tratry ny fety, ohatra, dia afaka misaotra azy fotsiny ianao. Ary ahoana raha manontany ilay olona hoe maninona ianao no tsy manao an’ilay fety? Afaka manazava ianao amin’izay, nefa tokony ho tsara fanahy sy hahay handanjalanja ary hanaja azy foana. Hoy ny Kolosianina 4:6: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” Afaka miteny, ohatra, ianao hoe tena tianao ny miaraka amin’olona sy manao fanomezana, saingy aleonao tsy amin’ireny fety ireny.

15 Ahoana indray raha omen’ny olona fanomezana ianao? Tsy manome lalàna be dia be momba an’izany ny Baiboly, nefa mampitandrina hoe aza manao zavatra mety hahatonga anao henjehin’ny eritreritrao. (1 Timoty 1:18, 19) Angamba tsy fantatr’ilay olona hoe tsy mankalaza an’ilay fety ianao, na fantany ihany fa mba te hanao fanomezana ho anao fotsiny izy. Anjaranao, amin’izay, ny mijery hoe horaisinao ilay izy sa tsia, fa diniho tsara fotsiny sao lasa henjehin’ny eritreritrao ianao. Tsy tiantsika mantsy raha ny ataontsika no mahatonga antsika tsy hifandray tsara amin’i Jehovah.

AHOANA NO ATAONAO AMIN’NY FIANAKAVIANAO?

Sambatra izay manompo an’i Jehovah

16. Ahoana raha te hankalaza an’ilay fety ny fianakavianao?

16 Ahoana raha te hankalaza an’ilay fety ny fianakavianao? Aza mifamaly aminy. Manana zo hanao izay tiany mantsy izy. Miezaha ho tsara fanahy ary hajao ny safidiny, satria tianao koa izy ireo raha manaja ny safidinao. (Vakio ny Matio 7:12.) Ahoana anefa raha asainy hiara-manao fety aminy ianao? Mivavaha aloha amin’i Jehovah mba hampiany hahay hanapa-kevitra ianao. Eritrereto tsara ilay izy ary manaova fikarohana. Tadidio fa te hampifaly an’i Jehovah foana ianao.

17. Inona no azonao atao mba tsy halahelo ny zanakao satria hoe tsy manao fety?

17 Ary inona no azonao atao mba tsy halahelo ny zanakao rehefa manao fety ny olona? Manaova fetifety kely tsindraindray miaraka aminy. Omeo fanomezana izy ireo amin’ny fotoana tsy ampoiziny. Manokàna fotoana ho an’ny zanakao ary ataovy tsapany fa tianao izy. Izany no fanomezana tsara indrindra.

ARAHO NY FIVAVAHANA MARINA

18. Nahoana isika no mila mivory?

18 Mila miala any amin’ny fivavahan-diso isika sady tsy mankalaza ny fetiny intsony, raha te hampifaly an’i Jehovah. Mila manaraka ny fivavahana marina koa anefa isika. Mandehana àry mivory tsy tapaka. (Vakio ny Hebreo 10:24, 25.) Zava-dehibe amin’ny tena mpivavaka ireny fivoriana ireny. (Salamo 22:22; 122:1) Afaka mifampahery isika any.—Romanina 1:12.

19. Nahoana ianao no tokony hiresaka an’izay nianaranao?

19 Manaraka ny fivavahana marina koa ianao, raha resahinao amin’ny olona ny zavatra nianaranao tao amin’ny Baiboly. Kivy mantsy ny olona maro noho ny zavatra ratsy mitranga eran-tany. (Ezekiela 9:4) Mahalala olona hoatr’izany angamba ianao. Teneno aminy fa mbola ho tsara be ny fiainana. Mandehana foana àry mivory ary resaho amin’ny hafa izay nianaranao. Tsy te ho any amin’ny fivavahan-diso intsony ianao amin’izay, sady tsy hanembonembona ny fety tany. Ho sambatra koa ianao, ary hotahin’i Jehovah satria manompo azy araka izay tiany.—Malakia 3:10.