Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 17

Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka

Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka

Te hihaino ny vavaka ataontsika ilay “Mpanao ny lanitra sy ny tany.”—Salamo 115:15

1, 2. Nahoana no fanomezana tena miavaka ny vavaka? Nahoana no mila fantarintsika izay lazain’ny Baiboly momba ny vavaka?

TENA kely ny tany raha oharina amin’izao rehetra izao. Hoatran’ny rano indray mitete avy amin’ny siny ny firenena rehetra, rehefa jeren’i Jehovah. (Salamo 115:15; Isaia 40:15) Tena kely dia kely isika raha oharina amin’izao rehetra izao, nefa hoy ny Salamo 145:18, 19: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah, dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana. Hotanterahiny ny fanirian’izay matahotra azy. Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka hovonjeny.” Manana tombony tokoa isika! I Jehovah, ilay Mpamorona, mihitsy no te ho namantsika sy te hihaino ny vavaka ataontsika. Fanomezana tena miavaka omen’i Jehovah antsika tsirairay tokoa ny vavaka.

2 Misy zavatra takin’i Jehovah amin’izay te hivavaka aminy anefa. Izay manao an’izany ihany no hohenoiny. Andao hojerentsika izay lazain’ny Baiboly momba ny vavaka, mba ho fantatsika hoe inona no takin’i Jehovah.

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIVAVAKA?

3. Nahoana ianao no tokony hivavaka amin’i Jehovah?

3 Tian’i Jehovah hiresaka aminy, izany hoe hivavaka aminy, isika. Vakio ny Filipianina 4:6, 7 dia ho hitanao fa marina izany. Eritrereto ange izany e! Tena mieritreritra anao ilay Mpamorona an’izao rehetra izao, ary tiany raha resahinao aminy ny fihetseham-ponao sy ny olana mahazo anao.

4. Inona no vokany rehefa mivavaka amin’i Jehovah foana ianao?

4 Mahatonga antsika ho naman’i Jehovah ny mivavaka. Matetika, ohatra, ny mpinamana no mifampiresaka momba ny zavatra eritreretiny sy izay manahiran-tsaina azy ary ny fihetseham-pony, ka lasa mifankatia kokoa. Izany koa no ataon’i Jehovah. Resahiny amintsika ao amin’ny Baiboly ny zavatra eritreretiny sy ny fihetseham-pony ary izay hataony any aoriana any. Ianao koa afaka mivavaka aminy foana, ary milaza aminy an’izay tsapanao any anatinao lalina any. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao raha manao an’izany.—Jakoba 4:8.

NY VAVAKA HENOIN’I JEHOVAH

5. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy ny vavaka rehetra no henoin’i Jehovah?

5 Tsy ny vavaka rehetra no henoin’i Jehovah. Izao, ohatra, no nolazainy tamin’ny Israelita, tamin’ny andron’i Isaia: “Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino aho, fa feno ran’olona ny tananareo.” (Isaia 1:15) Raha manao zavatra tsy tian’i Jehovah àry isika dia tsy hohenoiny rehefa mivavaka.

6. Nahoana no ilaina ny finoana? Ahoana no ahitana hoe manam-pinoana ianao?

6 Tsy maintsy mino an’i Jehovah isika raha tiantsika hihaino ny vavaka ataontsika izy. (Marka 11:24) Hoy ny apostoly Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (Hebreo 11:6) Tsy ampy anefa ny milaza hoe manam-pinoana. Ilaina koa ny mankatò an’i Jehovah isan’andro. Izany no ahitana hoe manam-pinoana ianao.—Vakio ny Jakoba 2:26.

7. a) Nahoana isika no mila manetry tena sy manaja an’i Jehovah rehefa mivavaka? b) Ahoana no hatao mba ho avy amin’ny fo ny vavaka ataontsika?

7 Nahoana isika no tokony hanetry tena sy hanaja an’i Jehovah rehefa mivavaka? Azo antoka, ohatra, fa raha hiresaka amin’ny mpanjaka na ny filoham-pirenena ianao dia hanaja tsara. I Jehovah anefa no Andriamanitra Mahery Indrindra, ka tsy vao mainka ve isika tokony hanaja azy sy hanetry tena rehefa miresaka aminy? (Genesisy 17:1; Salamo 138:6) Izay tena ao am-pontsika koa no tokony holazaintsika rehefa mivavaka, fa tsy teny mitovy foana no averimberina.—Matio 6:7, 8.

8. Raha mivavaka momba ny zavatra iray ianao, inona koa no tsy maintsy ataonao?

8 Tokony hifanaraka koa ny vavaka sy ny zavatra atao. Mety hivavaka, ohatra, isika mba homen’i Jehovah an’izay ilaintsika isan’andro. Tsy tokony ho kamo àry isika ka hanantena hoe tonga dia homeny antsika daholo izay ilaintsika, nefa isika afaka miasa ihany. Tsy maintsy miasa mafy isika ary tsy mifidifidy asa. (Matio 6:11; 2 Tesalonianina 3:10) Raha mivavaka koa isika mba hampian’i Jehovah ho afaka amin’ny zavatra ratsy fanaontsika, dia tokony hialantsika izay olona na toerana na zavatra mety hahatonga antsika hanao an’ilay izy. (Kolosianina 3:5) Andao hojerentsika ny fanontaniana sasany momba ny vavaka.

FANONTANIAN’NY OLONA MOMBA NY VAVAKA

9. Iza no tokony hivavahana? Inona no dikan’ny Jaona 14:6?

9 Iza no tokony hivavahana? Nilaza i Jesosy hoe ilay ‘Raintsika any an-danitra.’ (Matio 6:9) Hoy koa izy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) I Jehovah ihany àry no tokony hivavahana, ary atao amin’ny anaran’i Jesosy ilay izy. Inona no dikan’ilay hoe amin’ny anaran’i Jesosy? Tokony hekentsika ny andraikitra nomen’i Jehovah an’i Jesosy, raha tiantsika hohenoin’i Jehovah ny vavaka ataontsika. Efa hitantsika fa nanketỳ an-tany i Jesosy mba hanafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Jaona 3:16; Romanina 5:12) Notendren’i Jehovah ho Mpisoronabe sy Mpitsara koa i Jesosy.—Jaona 5:22; Hebreo 6:20.

Afaka mivavaka foana ianao

10. Tokony ho hoatran’ny ahoana ny paozintsika rehefa mivavaka?

10 Tokony ho hoatran’ny ahoana ny paozintsika rehefa mivavaka? Tsy milaza i Jehovah hoe mila mandohalika na mipetraka na mitsangana isika rehefa mivavaka. Asehon’ny Baiboly hoe mety foana izay paozin’ny vatantsika fa mila manaja fotsiny. (1 Tantara 17:16; Nehemia 8:6; Daniela 6:10; Marka 11:25) Ny ao am-pontsika no tena zava-dehibe amin’i Jehovah fa tsy ny paozintsika. Afaka mivavaka foana isika na aiza na aiza, na amin’ny firy na amin’ny firy, ary na atao mangina na atao mafy. Matokia fa henon’i Jehovah ny vavaka ataonao na dia tsy misy olona maheno aza.—Nehemia 2:1-6.

11. Milazà zavatra sasany azo resahina amin’ny vavaka.

11 Inona no holazaina rehefa mivavaka? Zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” (1 Jaona 5:14) Azo atao koa ny mivavaka momba ny zavatra ilaintsika. Hoatran’ny hoe miresaka amin’ny namanao akaiky ianao rehefa miresaka amin’i Jehovah. Resaho aminy àry izay ao an-tsainao sy ao am-ponao. (Salamo 62:8) Afaka mangataka fanahy masina aminy isika mba hanampy antsika hanao ny tsara. (Lioka 11:13) Azo atao koa ny mivavaka mba hampian’i Jehovah hahay hanapa-kevitra, na mba homeny hery hiatrehana olana. (Jakoba 1:5) Mangataha famelan-keloka. (Efesianina 1:3, 7) Mivavaha koa ho an’ny olon-kafa, anisan’izany ny fianakavianao sy ny mpiray finoana aminao.—Asan’ny Apostoly 12:5; Kolosianina 4:12.

12. Inona no tokony hoeritreretintsika voalohany rehefa mivavaka?

12 Inona no tokony hoeritreretintsika voalohany rehefa mivavaka? I Jehovah sy ny sitrapony. Tokony hisaotra azy amin’ny fontsika isika noho izay rehetra nataony ho antsika. (1 Tantara 29:10-13) Diniho ange ny tenin’i Jesosy tamin’izy nampianatra ny olona hivavaka e! (Vakio ny Matio 6:9-13.) Ny hanamasinana ny anaran’Andriamanitra no nasainy nangatahina voalohany, rehefa mivavaka. Tokony hangataka koa isika mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, ary mba hatao etỳ an-tany ny sitrapon’i Jehovah. Tena zava-dehibe mantsy ireo. Aorian’izay isika vao tokony hivavaka momba an’izay ilaintsika. Raha manao an’izany isika, dia ho hita hoe i Jehovah sy ny sitrapony no eritreretintsika voalohany.

13. Ahoana no tokony ho halavan’ny vavaka?

13 Tokony ho lava sa fohy ny vavaka? Tsy mamaly an’izany ny Baiboly, fa arakaraka ny zava-misy. Mety ho fohy, ohatra, ny vavaka alohan’ny sakafo. Mety ho lava kosa ny vavaka ataontsika rehefa hisaotra an’i Jehovah isika, na te hilaza aminy ny zavatra manahiran-tsaina antsika. (1 Samoela 1:12, 15) Nanao vavaka lava be ny olona sasany tamin’ny andron’i Jesosy satria te hisehoseho. (Lioka 20:46, 47) Tsy manao hoatr’izany isika. Tsy mahataitra an’i Jehovah ny vavaka hoatr’izany. Ny zava-dehibe aminy dia hoe mivavaka amin’ny fo isika.

14. Isaky ny inona isika no tokony hivavaka? Vonona hanao inona foana i Jehovah?

14 Isaky ny inona isika no tokony hivavaka? Asain’i Jehovah miresaka aminy tsy tapaka isika. Hoy ny Baiboly: “Mivavaha foana”, “mahareta amin’ny vavaka”, ary “aza mitsahatra mivavaka.” (Matio 26:41; Romanina 12:12; 1 Tesalonianina 5:17) Midika izany fa vonona hihaino antsika foana i Jehovah. Be fitiavana sy malala-tanana izy ka tokony hisaotra azy isika isan’andro. Afaka mivavaka koa isika mba hampiany sy homeny hery. Faly ve ianao fa afaka mivavaka amin’i Jehovah? Mivavaha foana àry isaky ny afaka manao an’izany.

15. Nahoana isika no miteny hoe “amena” amin’ny faran’ny vavaka?

15 Nahoana isika no miteny hoe “amena” amin’ny faran’ny vavaka? Ny hoe “amena” dia midika hoe “izany tokoa anie”, na “ho tanteraka anie izany!” Milaza ny Baiboly fa mila miteny hoe “amena” isika rehefa mivavaka, mba hampisehoana fa tena avy ao am-pontsika ilay izy. (Salamo 41:13) Ary raha olon-kafa no mivavaka, fa isika mihaino fotsiny? Mila miteny mafy na anakampo hoe “amena” isika, raha ekentsika ilay vavaka.—1 Tantara 16:36; 1 Korintianina 14:16.

MAMALY VAVAKA I JEHOVAH

16. Mamaly vavaka tokoa ve i Jehovah? Hazavao.

16 Mamaly vavaka tokoa ve i Jehovah? Eny, matoa izy antsoin’ny Baiboly hoe “Mpihaino vavaka.” (Salamo 65:2) Henony ny vavaka amin’ny fo ataon’ny olona an-tapitrisany, ary be dia be ny fomba amaliany azy.

17. Ahoana no hampiasan’i Jehovah ny anjely sy ny mpanompony etỳ an-tany mba hamaliana vavaka?

17 Mampiasa ny anjeliny sy ny mpanompony etỳ an-tany i Jehovah rehefa mamaly vavaka. (Hebreo 1:13, 14) Betsaka, ohatra, ny olona nivavaka mba hahazo ny hevitry ny Baiboly ary tonga nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah, taoriana kelin’izay. Azo inoana fa ny anjely no nitarika ny Vavolombelona ho any, satria milaza ny Baiboly fa mandray anjara amin’ny fitoriana ny “vaovao tsara” ny anjely. (Vakio ny Apokalypsy 14:6.) Maro amintsika koa no efa nivavaka momba ny olana iray na nangataka zavatra iray, ary nisy mpanompon’i Jehovah nanampy antsika tokoa avy eo.—Ohabolana 12:25; Jakoba 2:16.

Afaka mampiasa ny mpanompony i Jehovah mba hamaliana ny vavaka nataontsika

18. Ahoana no hampiasan’i Jehovah ny fanahy masina sy ny Baiboly mba hamaliana vavaka?

18 Mampiasa ny fanahy masina koa i Jehovah. Raha manana olana isika ka mivavaka, dia mety hampiasa ny fanahiny izy mba hanoro sy hanome hery antsika. (2 Korintianina 4:7) Omen’i Jehovah ny Baiboly koa isika mba hamaliana ny vavaka ataontsika, sy hanampiana antsika hahay hanapa-kevitra. Mety hahita andinin-teny ilaintsika isika rehefa mamaky Baiboly. Mety hisy hanome valin-teny tena ilaintsika koa any am-pivoriana, na hisy anti-panahy hiresaka amintsika ka hilaza hevitra avy ao amin’ny Baiboly. I Jehovah no mandrisika azy ireo hanao an’izany.—Galatianina 6:1.

19. Inona no mety hataon’i Jehovah rehefa mivavaka momba ny olana iray isika?

19 Indraindray anefa isika mieritreritra hoe nahoana no mbola tsy novalian’i Jehovah ny vavaka nataontsika. Tadidio fa izy no mahalala ny fotoana sy ny fomba hamaliana vavaka. Fantany izay ilaintsika. Mila mivavaka imbetsaka angamba isika mba hampisehoana hoe tena zava-dehibe amintsika ilay zavatra angatahintsika, ary tena mino azy isika. (Lioka 11:5-10) Tsy ampoizintsika indraindray ny fomba hamalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika. Raha mivavaka momba ny olana iray, ohatra, ianao dia mety tsy hesorin’i Jehovah ilay olana fa homeny hery ianao mba hahazakanao an’ilay izy.—Vakio ny Filipianina 4:13.

20. Nahoana ianao no tokony hivavaka matetika amin’i Jehovah?

20 Tena faly tokoa isika fa afaka mivavaka amin’i Jehovah! Matokia fa hihaino anao izy. (Salamo 145:18) Vao mainka ianao ho naman’i Jehovah rehefa miresaka matetika aminy avy amin’ny fo.