Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 18

Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa ve Aho?

Tokony Hanokan-tena sy Hatao Batisa ve Aho?

1. Inona no mety hoeritreretinao rehefa avy nianatra an’ity boky ity?

NIANATRA zavatra betsaka tao amin’ny Baiboly ianao tato amin’ity boky ity. Fantatrao, ohatra, hoe mampanantena fiainana mandrakizay Andriamanitra, ary tsy mahalala na inona na inona ny maty sady mbola hatsangana. (Mpitoriteny 9:5; Lioka 23:43; Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:3, 4) Mety ho efa mivory miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aza ianao, ary manaiky fa io no fivavahana marina. (Jaona 13:35) Efa lasa tia an’i Jehovah angamba ianao, ary te hanompo azy amin’izay. Mety hieritreritra àry ianao izao hoe inona no tokony hataonao.

2. Nahoana ny lehilahy etiopianina iray no te hatao batisa?

2 Izany mihitsy no noeritreretin’ny lehilahy etiopianina iray. Nitory tamin’io lehilahy io i Filipo, taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Nohazavain’i Filipo taminy fa i Jesosy no Mesia. Nanohina ny fon’ilay lehilahy ny zavatra nianarany ka hoy izy: “Io misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”—Asan’ny Apostoly 8:26-36.

3. a) Inona no nasain’i Jesosy nataon’ny mpanara-dia azy? b) Ahoana no tokony hanaovana batisa ny olona?

3 Milaza ny Baiboly fa tokony hatao batisa ianao raha te hanompo an’i Jehovah. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa.” (Matio 28:19) Ohatra tsara i Jesosy satria natao batisa koa izy. Naroboka tanteraka tao anaty rano izy, fa tsy hoe natete teo ambony lohany fotsiny ny rano. (Matio 3:16) Tokony haroboka tanteraka ao anaty rano koa ny Kristianina rehefa atao batisa.

4. Inona no lasa fantatry ny olona rehefa atao batisa ianao?

4 Rehefa atao batisa ianao, dia lasa fantatry ny olona fa tena te ho naman’Andriamanitra sy te hanompo azy. (Salamo 40:7, 8) Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Inona no tokony hataoko raha te hatao batisa aho?’

ILAINA NY FAHALALANA SY FINOANA

5. a) Inona no tsy maintsy ataonao alohan’ny hanaovana batisa anao? b) Nahoana no ilaina ny mivory?

5 Tsy maintsy mianatra momba an’i Jehovah sy Jesosy aloha ianao, vao azo atao batisa. Efa nanomboka nanao an’izany ianao satria efa mianatra Baiboly. (Vakio ny Jaona 17:3.) Milaza koa anefa ny Baiboly fa tsy maintsy ‘feno fahalalana marina tsara’ ny sitrapon’i Jehovah ianao. (Kolosianina 1:9) Hanampy anao hifandray akaiky amin’i Jehovah ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tokony hivory tsy tapaka àry ianao.—Hebreo 10:24, 25.

Tsy maintsy mianatra Baiboly aloha ianao raha te hatao batisa

6. Tsy maintsy hainao daholo ve izay ao amin’ny Baiboly, vao azo atao batisa ianao? Hazavao.

6 Tsy milaza i Jehovah hoe mila hainao daholo ny ao amin’ny Baiboly, izay vao azo atao batisa ianao. Tsy hoe nandrasany hahay ny zava-drehetra ilay lehilahy etiopianina, vao natao batisa. (Asan’ny Apostoly 8:30, 31) Isika koa aza mbola hianatra momba an’i Jehovah mandrakizay. (Mpitoriteny 3:11) Raha atao batisa anefa ianao, dia tokony ho hainao sy hekenao aloha, fara fahakeliny, ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly.—Hebreo 5:12.

7. Inona no vokany rehefa nianatra Baiboly ianao?

7 Mila manana finoana koa ianao, raha te hatao batisa. Hoy ny Baiboly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.” (Hebreo 11:6) Hoatr’izany ny olona sasany tany Korinto fahiny. Lazain’ny Baiboly fa lasa “mpino” izy ireo rehefa nampianarin’ny mpanara-dia an’i Jesosy, ka “natao batisa.” (Asan’ny Apostoly 18:8) Rehefa nianatra Baiboly koa ianao, dia lasa mino hoe hotanterahin’Andriamanitra daholo izay nolazainy, ary tena mahavita manafaka antsika amin’ny ota sy fahafatesana ny soron’i Jesosy.—Josoa 23:14; Asan’ny Apostoly 4:12; 2 Timoty 3:16, 17.

RESAHO AMIN’NY OLONA IZAY NIANARANAO

8. Inona no tokony hataonao rehefa avy nianatra zavatra betsaka avy ao amin’ny Baiboly ianao?

8 Rehefa mianatra Baiboly foana ianao dia hahita hoe tena mahasoa ilay izy. Vao mainka hatanjaka avy eo ny finoanao ka lasa te hiresaka amin’ny olona ny zavatra ianaranao ianao. (Jeremia 20:9; 2 Korintianina 4:13) Iza anefa no azonao iresahana an’izany?

Lasa te hiresaka momba ny zavatra nianaranao ianao rehefa manam-pinoana

9, 10. a) Iza avy aloha no azonao iresahana ny zavatra nianaranao? b) Inona no tokony hataonao raha te hitory miaraka amin’ny fiangonana ianao?

9 Azonao resahina amin’ny fianakavianao, namanao, mpiray tanàna na mpiara-miasa aminao izay nianaranao. Tsara izany nefa tokony ho tsara fanahy foana ianao rehefa manao an’izany. Ho afaka hitory miaraka amin’ny fiangonana ianao any aoriana any. Rehefa vonona amin’izany ianao dia miresaha amin’ny mpampianatra Baiboly anao. Raha hitany hoe vonona ianao, sady efa manaraka an’izay lazain’ny Baiboly, dia hisy anti-panahy roa hiresaka aminareo.

10 Hojeren’ireo anti-panahy ireo, rehefa miresaka ianareo, hoe hainao tsara sy inoanao ve ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Hodinihiny koa raha mampihatra an’izay lazain’ny Baiboly ianao, ary tena te ho Vavolombelon’i Jehovah. Tadidio fa ny anti-panahy no mikarakara ny fiangonana manontolo, anisan’izany ianao. Aza matahotra ny hiresaka amin’izy ireo àry. (Asan’ny Apostoly 20:28; 1 Petera 5:2, 3) Aorian’ilay resakareo, dia hilazan’ny anti-panahy ianao raha afaka mitory miaraka amin’ny fiangonana.

11. Nahoana ianao no tena mila miova raha te ho lasa mpitory?

11 Mety hohazavain’ny anti-panahy aminao koa anefa hoe mbola misy zavatra mila ovanao eo amin’ny fiainanao, izay vao ho afaka hitory miaraka amin’ny fiangonana ianao. Nahoana ianao no mila miova? Satria misolo tena an’i Jehovah ianao rehefa mitory, ka tokony ho tsara ny fomba fiainanao mba tsy hanala baraka azy.—1 Korintianina 6:9, 10; Galatianina 5:19-21.

ILAINA NY MIBEBAKA SY MIVERINA

12. Nahoana ny olona rehetra no mila mibebaka?

12 Misy zavatra hafa tsy maintsy ataonao koa, vao azo atao batisa ianao. Hoy ny apostoly Petera: “Mibebaha, ka miverena hamonoana ny fahotanareo.” (Asan’ny Apostoly 3:19) Ny hoe mibebaka dia tena manenina mafy noho ny zavatra tsy mety natao. Raha nijangajanga, ohatra, ianao dia mila mifona ary tapa-kevitra ny tsy hanao intsony. Mila mibebaka koa anefa isika na dia efa niezaka nanao ny tsara foana aza. Mpanota daholo mantsy ny olona ka mila famelan-keloka avy amin’Andriamanitra.—Romanina 3:23; 5:12.

13. Inona no dikan’ilay hoe “miverena”?

13 Ampy ve anefa ny manenina noho izay nataonao? Tsia. Nilaza koa i Petera hoe: “Miverena.” Ny dikan’ny hoe miverina dia hoe sady tsy manao an’ilay zavatra ratsy intsony, no miezaka manao ny tsara amin’izay. Eritrereto hoe ho any amin’ny toerana iray mbola tsy nalehanao mihitsy ianao. Rehefa nandeha kelikely ianao dia hitanao hoe diso lalana. Inona no hataonao? Azo antoka fa handeha miadana ianao, hijanona, hiverina, ary hankany amin’ilay tena lalana. Rehefa mianatra Baiboly koa ianao dia mety hahita hoe mila miova na miala amin’ny zavatra tsy mety fanaonao. Mila “miverina”, na miova, àry ianao ka manomboka manao ny tsara.

MANOKAN-TENA

Efa nanao voady tamin’i Jehovah ve ianao hoe hanompo azy?

14. Inona no dikan’ny hoe manokan-tena ho an’i Jehovah?

14 Misy zavatra lehibe tokony hataonao koa, alohan’ny batisa. Tsy maintsy manokan-tena ho an’i Jehovah ianao. Ny hoe manokan-tena dia manao vavaka iray ka manao voady amin’i Jehovah hoe hanompo azy irery ihany ary hanao ny sitrapony foana.—Deoteronomia 6:15.

15, 16. Nahoana ny olona iray no te hanokan-tena ho an’i Jehovah?

15 Hoatran’ny ahoana ilay hoe manao voady fa hanompo an’i Jehovah irery? Mitovy amin’ny olona manao fifanekena hoe hiaraka amin’ny olon-tiany mandra-pahafatiny. Eritrereto hoe misy lehilahy sy vehivavy mifankatia. Rehefa mahafantatra tsara an’ilay vehivavy ilay lehilahy, dia lasa te hanambady azy. Marina fa andraikitra lehibe izany manambady izany, nefa vonona ilay lehilahy satria tiany ilay vehivavy.

16 Te hanokan-tena ho an’i Jehovah ny olona iray, rehefa nianatra momba azy ka lasa tia azy sy te hanompo azy amin’ny fo manontolo. Manao vavaka iray àry izy ka mivoady hoe hanompo an’i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa tsy maintsy ‘mandà ny tenany’ izay te hanara-dia an’i Jesosy. (Marka 8:34) Midika izany fa ny mankatò an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra aminao, ary izay tiany no zava-dehibe kokoa noho izay tianao.—Vakio ny 1 Petera 4:2.

MATOKIA FA HO VITANAO NY TSY HIVADIKA

17. Nahoana ny olona sasany no tsy mety manokan-tena?

17 Tsy mety manokan-tena ny olona sasany satria matahotra sao hivadika amin’i Jehovah. Tsy te handiso fanantenana an’i Jehovah izy. Mety hieritreritra koa ilay olona hoe raha tsy manokan-tena izy dia tsy hijery an’izay fahadisoana ataony i Jehovah.

18. Inona no hanampy anao raha matahotra ianao sao handiso fanantenana an’i Jehovah?

18 Marina fa matahotra ianao sao handiso fanantenana an’i Jehovah. Raha tena tia azy anefa ianao, dia tsy havelanao hisakana anao izany, fa hiezaka mafy ianao mba tsy hivadika amin’ny teninao. (Mpitoriteny 5:4; Kolosianina 1:10) Tsy hieritreritra mihitsy ianao hoe sarotra loatra ny manao ny sitrapon’i Jehovah. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”—1 Jaona 5:3.

19. Nahoana ianao no tsy tokony hatahotra ny hanokan-tena?

19 Tsy voatery ho lavorary ianao vao ho afaka hanokan-tena ho an’i Jehovah. Tsy mitaky zavatra tsy ho vitanao mihitsy izy. (Salamo 103:14) Hampiany hanao ny tsara koa ianao. (Isaia 41:10) Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, “dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”—Ohabolana 3:5, 6.

FANAMBARANA AMPAHIBEMASO

20. Inona ny dingana manaraka, rehefa avy nanokan-tena ianao?

20 Vonona ny hanokan-tena ho an’i Jehovah ve ianao? Rehefa avy nanokan-tena ianao, dia afaka miroso amin’ny dingana manaraka: Ny batisa.

21, 22. Rahoviana ianao no manao “fanambarana ampahibemaso” ny finoanao?

21 Teneno amin’ny anti-panahy mpandrindra ao amin’ny fiangonanareo hoe efa nanokan-tena ho an’i Jehovah ianao, ary te hatao batisa. Izy no hiresaka amin’ny anti-panahy hafa, mba hisy anti-panahy hiara-mandinika aminao an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Rehefa hitan’izy ireo hoe azo atao batisa ianao, dia hiteny izy ireo hoe amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah manaraka ianao no hatao batisa. Hisy lahateny hanazava momba ny batisa any amin’ilay fivoriambe. Hanontany zavatra tsotra roa amin’ireo vonona hatao batisa ilay mpandahateny. Manao “fanambarana ampahibemaso” momba ny finoanao ianao rehefa mamaly an’ireo fanontaniana ireo.—Romanina 10:10.

22 Haroboka tanteraka ao anaty rano ianao rehefa atao batisa. Ho hitan’ny olona, amin’izay, hoe efa nanokan-tena ho an’i Jehovah ianao, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY DIKAN’NY BATISANAO

23. Inona no dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina”?

23 Nilaza i Jesosy fa hatao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina” ny mpanara-dia azy. (Vakio ny Matio 28:19.) Midika izany hoe eken’ilay olona ny fahefan’i Jehovah. Ekeny koa ny andraikitra nomena an’i Jesosy mba hanatanterahana ny fikasan’i Jehovah. Ary ekeny fa mampiasa ny fanahiny masina i Jehovah mba hanaovana ny sitrapony.—Salamo 83:18; Matio 28:18; Galatianina 5:22, 23; 2 Petera 1:21.

Rehefa atao batisa ianao, dia fantatry ny olona hoe te hanao ny sitrapon’i Jehovah

24, 25. a) Inona no dikan’ny batisa? b) Inona no hodinihina ao amin’ny toko farany?

24 Misy dikany lehibe ny batisa. Rehefa aroboka ao anaty rano ianao, dia hoatran’ny hoe maty satria efa nialanao ny fomba fiainanao taloha. Rehefa avoaka avy ao anaty rano indray ianao, dia hoatran’ny hoe velona indray satria hanomboka fiainam-baovao ka hanompo an’i Jehovah manomboka eo. Tadidio fa natokanao ho an’i Jehovah ny fiainanao, fa tsy ho an’olona, na fikambanana, na asa.

25 Afaka mifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah ianao raha efa nanokan-tena. (Salamo 25:14) Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy voavonjy izay vita batisa. Hoy ny apostoly Paoly: “Miezaha mafy foana amin-tahotra sy hovitra, mba hahazoanareo famonjena.” (Filipianina 2:12) Vao manomboka mandeha amin’ny lalana mankany amin’ny famonjena ianao rehefa atao batisa. Ahoana àry no ifandraisana akaiky amin’i Jehovah foana? Hodinihina ao amin’ny toko farany izany.