Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 19

Ataovy Namanao Foana i Jehovah

Ataovy Namanao Foana i Jehovah

1, 2. Iza no tena fialofana ho antsika?

ERITRERETO hoe mandeha eny an-dalana ianao ary ratsy ny andro. Lasa mainty be ny lanitra, ary misy tselatra sy kotroka. Avy be ny orana avy eo ka mitady toerana hialofana ianao. Faly erỳ ianao fa nahita toerana maina tsara sy maharo anao!

2 Toy ny hoe mila fialofana koa isika izao satria miharatsy ny fiainana. Aiza isika no hahita an’izany? Hoy ny mpanao salamo: “Hilaza amin’i Jehovah aho hoe: ‘Fialofako ianao, ary fiarovana mafy ho ahy, sady Andriamanitro izay hatokisako.’” (Salamo 91:2) Manampy tokoa i Jehovah rehefa manana olana isika, sady mampanantena izy hoe hataony tsara be ny fiainana any aoriana any.

3. Tokony hanao inona isika, raha te harovan’i Jehovah?

3 Ahoana no hiarovan’i Jehovah antsika? Afaka manampy antsika hiatrika olana izy. Izy koa mahery lavitra noho izay fahavalo te hampijaly antsika. Na misy zavatra ratsy mahazo antsika aza izao, dia azo antoka fa hesorin’i Jehovah izany any aoriana any. Tokony ho naman’i Jehovah foana anefa isika, raha te harovany amin’ny fotoan-tsarotra. Hoy ny Baiboly: “Mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.” (Joda 21) Ahoana no hanaovana an’izany?

TIAVO KOA I JEHOVAH

4, 5. Inona avy ny porofo fa tia antsika i Jehovah?

4 Raha te ho naman’i Jehovah foana ianao, dia ataovy tsapanao aloha hoe tena tia anao izy. Eritrereto ange e! Izy no nanome antsika tany tsara tarehy feno zavamaniry sy biby mahafinaritra. Izy koa no nanome antsika sakafo matsiro sy rano madio. Lazainy amintsika ao amin’ny Baiboly ny anarany sy ny toetrany. Ary ny lehibe indrindra, dia nalefany tetỳ an-tany i Jesosy, ilay Zanany tena tiany, mba ho faty ho antsika. (Jaona 3:16) Afaka manantena àry isika fa ho tsara ny fiainana, satria maty ho antsika i Jesosy.

5 Nanome ny Fanjakan’ny Mesia koa i Jehovah. Any an-danitra io Fanjakana io ary hanala an’izay rehetra mampijaly antsika, rehefa afaka kelikely. Hanova ny tany ho paradisa io Fanjakana io, ka hiadana sy ho sambatra mandrakizay ny olona rehetra. (Salamo 37:29) Tia antsika koa izy matoa natorony hoe ahoana no hahasambatra antsika dieny izao. Isika tsirairay mihitsy no tiany matoa asainy mivavaka aminy, ary vonona hihaino antsika foana izy.

6. Inona no tokony havalintsika an’i Jehovah?

6 Inona no tokony havalintsika an’i Jehovah? Asehoy hoe mankasitraka azy ianao noho ny zavatra rehetra nataony ho anao. Mampalahelo fa betsaka no tsy mahay misaotra. Hoatr’izany koa ny olona, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Nanasitrana boka folo i Jesosy, indray mandeha, nefa lehilahy iray ihany no nisaotra azy. (Lioka 17:12-17) Tiantsika raha mahay misaotra hoatran’io lehilahy io isika. Misaora an’i Jehovah foana àry.

7. Tokony ho hoatran’ny ahoana ny fitiavantsika an’i Jehovah?

7 Mila mampiseho koa isika hoe tia an’i Jehovah. Tokony ho tia azy amin’ny fo manontolo sy saina manontolo ary hery manontolo isika, araka ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany. (Vakio ny Matio 22:37.) Inona no dikan’izany?

8, 9. Ahoana no hampisehoantsika hoe tiantsika i Jehovah?

8 Tsy ampy ny miteny hoe tia an’i Jehovah, fa mila aseho amin’ny atao izany. Ny atao mantsy no tena ahitana raha tia azy amin’ny fo sy ny tena ary ny saina manontolo tokoa isika. (Matio 7:16-20) Raha tia an’Andriamanitra àry isika, dia hankatò ny didiny. Tsy sarotra ny mankatò azy satria ‘tsy mavesatra ny didiny.’—Vakio ny 1 Jaona 5:3.

9 Ho faly sy ho afa-po isika raha mankatò an’i Jehovah. (Isaia 48:17, 18) Inona koa anefa no hanampy antsika ho naman’i Jehovah foana?

MIEZAHA FOANA HO NAMAN’I JEHOVAH

10. Nahoana ianao no mbola tokony hianatra momba an’i Jehovah?

10 Lasa naman’i Jehovah ianao rehefa nianatra Baiboly foana ka nahafantatra azy kokoa. Tianao raha mpinamana foana ianareo. Hoatran’ny afo ny fifandraisan’ny mpinamana. Mila asiana kitay ny afo mba hirehitra foana. Mbola mila mianatra momba an’i Jehovah koa ianao raha te ho namany foana.—Ohabolana 2:1-5.

Toy ny afo ny fitiavanao an’i Jehovah ka ataovy miredareda foana

11. Inona no vokany rehefa mianatra Baiboly foana ianao?

11 Nanazava faminaniana tamin’ny mpianany roa i Jesosy, indray mandeha. Inona no vokany? Hoy izy ireo: “Tsy toy ny nisy afo niredareda ve tao am-pontsika tamin’izy niresaka tamintsika teny an-dalana, ka nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?” (Lioka 24:32) Hahatsapa hoatr’izany koa ianao raha mianatra Baiboly foana, satria hahalala zavatra be dia be hanohina ny fonao.

12, 13. a) Mety hanao ahoana ny fitiavantsika an’i Jehovah? b) Inona no hanampy antsika ho tia azy foana?

12 Nanohina ny fon’ireo mpianatra ireo ny zavatra nianarany tao amin’ny Soratra Masina. Lasa nafana fo koa angamba ianao tamin’ianao nahazo an’izay lazain’ny Baiboly. Nahafantatra an’i Jehovah mantsy ianao ary tia azy. Aza avela hihena izany fitiavanao izany.—Matio 24:12.

13 Na efa naman’i Jehovah aza ianao, dia mbola mila miezaka mafy mba hifandray tsara aminy foana. Tsy maintsy mianatra momba azy sy Jesosy foana ianao. Saintsaino koa izay ianaranao ary eritrereto hoe ahoana no hampiharanao azy. (Jaona 17:3) Isaky ny mamaky na mianatra Baiboly ianao, dia saintsaino ireto: ‘Inona ny toetran’i Jehovah ianarako amin’izany? Nahoana aho no tokony ho tia azy amin’ny foko sy ny tenako manontolo?’—1 Timoty 4:15.

14. Nahoana no ilaina foana ny mivavaka?

14 Raha tena tianao ny namanao dia hiresaka aminy foana ianao, ka vao mainka ianareo ho mpinamana be. Raha mivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah koa ianao dia ho tia azy foana. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:17.) Fanomezana tena tsara avy amin’ilay Raintsika any an-danitra ny vavaka. Aza atao tsianjery ilay izy fa ataovy amin’ny fo. (Salamo 62:8) Tena ho tia an’i Jehovah foana ianao raha mazoto mianatra Baiboly sy mivavaka amin’ny fo.

MIRESAHA FOANA MOMBA AN’I JEHOVAH

15, 16. Zava-dehibe ve ny asa fitoriana, araka ny hevitrao?

15 Raha te ho naman’i Jehovah foana koa ianao, dia resaho amin’ny olona ny zavatra inoanao. Tombontsoa be izany miresaka momba an’i Jehovah izany. (Lioka 1:74) Izany no adidy nasain’i Jesosy nataon’ny tena Kristianina rehetra. Tokony hitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra daholo isika. Efa manao an’izany ve ianao?—Matio 24:14; 28:19, 20.

16 Tena zava-dehibe tamin’ny apostoly Paoly ny fitoriana, ka nantsoiny hoe “harena.” (2 Korintianina 4:7) Tokony hitory momba an’i Jehovah sy ny fikasany koa ianao. Izany no asa lehibe indrindra azonao atao. Fanompoana masina ataonao ho an’i Jehovah izany, ka tsy ho hadinony mihitsy. (Hebreo 6:10) Handray soa koa ianao sy izay mihaino anao, satria ho lasa naman’i Jehovah ary hahazo fiainana mandrakizay. (Vakio ny 1 Korintianina 15:58.) Aiza indray ianao no hahita zavatra mahafa-po kokoa noho izany?

17. Nahoana no mila vitaina haingana ny fitoriana?

17 Mila vitaina haingana ny fitoriana. Tokony ‘hitory ny teny’ isika, ary tokony hatao “tsy misy hataka andro izany.” (2 Timoty 4:2) Mila iresahana momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona. Hoy mantsy ny Baiboly: “Akaiky ny andro lehiben’i Jehovah. Efa akaiky izy io, sady manatona haingana dia haingana.” Voalaza ao koa fa “tsy ho tara” ny farany. (Zefania 1:14; Habakoka 2:3) Kely sisa dia haringan’i Jehovah ny tontolo ratsin’i Satana. Mila ampitandremana àry ny olona, alohan’izay, mba ho afaka hifidy hoe hanompo an’i Jehovah sa tsia.

18. Nahoana isika no tian’i Jehovah hanompo azy miaraka amin’ny mpanompony hafa?

18 Tian’i Jehovah hanompo azy miaraka amin’ny mpanompony hafa isika. Hoy ny Hebreo 10:24, 25: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.” Tokony hiezaka mafy isika mba hivory foana. Any mantsy isika no afaka mifampahery.

19. Inona no hanampy antsika ho tia ny rahalahy sy anabavintsika?

19 Hahita namana mahafinaritra ianao rehefa mivory. Misy rahalahy sy anabavy isan-karazany any, ary hanampy anao hanompo an’i Jehovah izy ireo. Miezaka manompo an’i Jehovah hoatr’anao ihany izy ireo. Tsy lavorary izy ireo ary mety hanao zavatra tsy mety koa. Mila vonona hamela heloka àry ianao. (Vakio ny Kolosianina 3:13.) Ho tia azy ireo ianao raha miezaka mijery ny toetra tsarany, ka vao mainka ho naman’i Jehovah.

NY TENA FIAINANA

20, 21. Inona no atao hoe “tena fiainana”?

20 Tian’i Jehovah hanana fiainana tena mahafinaritra ny namany rehetra. Milaza ny Baiboly fa hiova tanteraka ny fiainana eto an-tany, fa tsy ho hoatr’izao intsony.

Tian’i Jehovah hahazo ny “tena fiainana” ianao. Hiezaka hahazo an’izany ve ianao?

21 Ho velona mandrakizay isika fa tsy hoe 70 na 80 taona fotsiny dia maty. Ho salama tsara isika, ary hiadana sy ho sambatra mandrakizay ao amin’ny paradisa tsara tarehy. Izay ilay antsoin’ny Baiboly hoe “tena fiainana.” Mampanantena i Jehovah hoe homeny antsika izany, nefa mila ‘mifikitra mafy’ amin’ilay izy isika.—1 Timoty 6:12, 19.

22. a) Inona no dikan’ny hoe ‘mifikitra mafy amin’ny tena fiainana’? b) Mendrika hahazo fiainana mandrakizay ve isika rehefa miezaka mafy? Hazavao.

22 Inona no dikan’ny hoe ‘mifikitra mafy amin’ny tena fiainana’? Tsy maintsy ‘manao soa sy manan-karena amin’ny asa tsara’ isika. (1 Timoty 6:18) Mila ampiharintsika àry izay ianarantsika ao amin’ny Baiboly. Na miezaka mafy aza anefa isika, dia tsy hoe mendrika ny hahazo fiainana mandrakizay. Ilay Raintsika any an-danitra kosa no te hanome an’izany antsika. Manana “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” i Jehovah, ka omeny fiainana mandrakizay maimaim-poana izay mpanompony tsy mivadika.—Romanina 5:15.

23. Nahoana isika no mila manao safidy tsara izao?

23 Eritrereto izao: ‘Manompo an’Andriamanitra araka izay tiany ve aho?’ Raha hitanao fa mbola misy zavatra mila ahitsy, dia ataovy haingana izany. Hiaro antsika i Jehovah, raha matoky azy isika sady miezaka mankatò azy. Harovany isika mandritra ny andro faran’ny tontolo ratsin’i Satana. Havelany hiaina mandrakizay isika avy eo, araka ny nampanantenainy. Ho azonao tokoa ilay tena fiainana raha mahay misafidy ianao izao!