Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANONTANIANA 4

Hitsotra ve Aho hoe Diso?

Hitsotra ve Aho hoe Diso?

FA MANINONA IZANY NO MILA FANTARINA?

Raha mitsotra ianao hoe diso, dia ho hita hoe efa mihamatotra sady hatokisan’ny olona.

AHOANA NO HATAONAO?

Niara-nilalao baolina tamin’ny namany i Tsiory. Natsipiny ilay baolina, kanjo lasa tany amin’ny aotomobilin’olona dia vaky ny fitaratra!

Inona no ho nataonao raha ianao no Tsiory?

MIERITRERETA TSARA ALOHA!

MANANA SAFIDY TELO IANAO:

  1. Tonga dia mitsoaka.

  2. Mandainga hoe olon-kafa no nanao an’ilay izy.

  3. Mitsotra hoe diso, dia miteny hoe hanolo an’ilay fitaratra.

Angamba ianao te hanao an’ilay Safidy 1. Tsy mety anefa izany fa aleo foana mitsotra hoe diso, na namaky fitaratr’olona ianao na nanao fahadisoana hafa. Nahoana?

NAHOANA IANAO NO TOKONY HIAIKY?

  1. Satria izay no tena tokony hataonao.

    Hoy ny Baiboly: ‘Manaova ny marina amin’ny zava-drehetra.’—Hebreo 13:18.

  2. Satria ny heloka ibabohana, hono, mody rariny.

    Hoy ny Baiboly: “Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.”—Ohabolana 28:13.

  3. Satria mampifaly an’Andriamanitra izany, ary izay no tena zava-dehibe.

    Hoy ny Baiboly: “Maharikoriko an’i Jehovah ny olona fetsifetsy, fa ny olo-mahitsy kosa no manana fifandraisana akaiky aminy.”—Ohabolana 3:32.

Indray andro, nitondra aotomobilina mafy be i Kanto, 20 taona. Tratran’ny polisy izy ka nasaina nandoa lamandy. Tsy niteniteny tamin’ny dadany izy, saingy tratra ihany. Hoy izy: “Nijery ny faktioranay i Dada herintaona tatỳ aoriana, dia hitany tao hoe nisy lamandy naloa tamin’ny anarako. Bedy be aho!”

Hoy àry i Kanto: “Aza mba manafinafina izany mihitsy rehefa diso. Tsy maintsy ho tratra ianao any aoriana any, dia amin’izay vao tena ho fay!”

MANDRAISA LESONA

Hoy ny Baiboly: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’ (Jakoba 3:2) Manetry tena sy matotra anefa ianao raha tonga dia miaiky ny fahadisoanao.

Ataovy anatra ho amin’ny sisa iny avy eo. Hoy i Vero: “Rehefa diso aho, dia ataoko anatra ho amin’ny sisa ilay izy. Eritreretiko tsara fotsiny izay hatao amin’ny manaraka rehefa misy hoatran’iny indray.” Ahoana izany? Aleo hojerentsika.

Nindrana ny bisikiletan’ny dadanao ianao, kanjo simba ilay izy. Inona no hataonao?

  • Tsy miteniteny sady manantena hoe tsy ho tratra.

  • Mitsotra amin’ny dadanao hoe nosimbanao ny bisikiletany.

  • Miteny hoe simba ilay izy fa olon-kafa no lazainao fa nanimba azy.

Tsy afaka fanadinana ianao satria tsy nianatra lesona. Inona no hataonao?

  • Lazainao fa sarotra be ilay fanadinana.

  • Miaiky hoe ianao no tsy nianatra lesona.

  • Ilay mpampianatra indray no lazainao fa tsy tia anao.

Raha mieritreritra be foana an’ilay fahadisoana nataonao ianao, dia toy ny hoe mitondra aotomobilina nefa ny fitaratra fijerena ny any aoriana foana no ifantohanao

Diniho tsara izao ireo ohatra ireo, ary eritrereto hoe 1) ianao no dadanao, 2) ianao ilay mpampianatra. Inona no hoeritreretin’ny dadanao na ilay mpampianatra anao, raha tonga dia miaiky ianao hoe diso? Inona kosa no hoeritreretin-dry zareo raha tsy milaza ny marina ianao?

Mieritrereta indray fahadisoana nataonao tamin’ny herintaona, ary valio ireto:

Inona ilay fahadisoana? Ahoana no nataonao tamin’izay?

  • Tsy niteniteny aho.

  • Nandainga aho hoe olon-kafa no diso.

  • Tonga dia niaiky aho hoe diso.

Andeha hatao hoe tsy niaiky ianao. Inona no tsapanao avy eo?

  • Faly be aho fa tsy tratra.

  • Nanenina aho hoe tahaka izay nilaza ny marina.

Inona anefa no tokony ho nataonao?

Inona no nianaranao avy tamin’ilay fahadisoana?

AHOANA NY HEVITRAO?

Nahoana no misy olona tsy sahy mitsotra rehefa avy manao fahadisoana?

Inona no mety hoeritreretin’ny olona, raha tsy mba miaiky mihitsy ianao isaky ny manao fahadisoana, ary inona no mety hoeritreretiny raha mitsotra ianao?—Lioka 16:10.