Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANONTANIANA 6

Inona no Hataoko mba Tsy ho Voatarika Haditra?

Inona no Hataoko mba Tsy ho Voatarika Haditra?

FA MANINONA IZANY NO MILA FANTARINA?

Raha manaiky ho voatariky ny ankizy maditra ianao, dia lasa manao izay tiany fotsiny fa tsy mba manana ny hevitrao.

AHOANA NO HATAONAO?

Jereo ity mahazo an’i Fetra ity: Iny fa tamy ny mpiara-mianatra aminy roa. Midobodoboka be ny fony, satria efa indroa ry zareo tamin’ity herinandro ity no nampirisika azy hifoka sigara. Hataony an’izany indray izao izy.

Hoy ny anankiray:

“Ary ilehity hoatran’ny tsy mana-namana mihitsy an! Aleo ialahy omena namana fa tsss...!”

Sady mihomehy izy no miteny an’izany. Tonga dia hain’i Fetra hoe tsy tena namana no tiany holazaina. Maka zavatra avy ao am-paosiny izy ary omeny an’i Fetra.

Inona tokoa fa sigara ilay izy! Vao mainka mangovitra be i Fetra.

Hoy izy: “Efa hoe izaho ho’aho tsy...”

Hoy anefa ilay ankizilahy faharoa hoe: “Matahotra indray lerỳ e!”

Efa saika tsy tafateny i Fetra, fa namaly ihany hoe: “Izaho tsy matahotra izany!”

Mitazona ny sorok’i Fetra izy sady miteny moramora hoe: “Eo leisy mba misintona kely fotsiny a!”

Dia nataon’ilay ankizilahy voalohany teo amin’ny vavan’i Fetra ilay sigara sady nibitsibitsika izy hoe: “Ao fa tsy teniteneninay!”

Inona no ho nataonao raha ianao no Fetra?

MIERITRERETA TSARA ALOHA!

Efa nieritreritra tsara ve ireo ankizilahy ireo talohan’ny hifohana sigara? Azo antoka fa voataonan’ny namany fotsiny ry zareo, fa tsy hoe izy mihitsy no te hifoka. Te ho tian’ny namany izy, ka manaraka efa an’izay ataon’izy ireo.

Ahoana raha misy mitarika anao haditra hoatr’izany? Inona no hataonao mba tsy hanaraka efa fotsiny an’izay ataon’ny namanao ianao?

  1. FANTARO IZAY METY HATAONY

    Hoy ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.”—Ohabolana 22:3.

    Matetika no efa fantapantatrao hoe inona indray no hataon-dry zareo. Ahoana, ohatra, raha misy mpiara-mianatra aminao maromaro tazanao, ary mifoka sigara ry zareo? Raha efa fantatrao hoe mety hasainy hifoka koa ianao, dia hahita fomba hialana ianao, na fomba hamaliana azy.

  2. MANDINIHA TSARA

    Hoy ny Baiboly: “Manàna feon’ny fieritreretana madio.”—1 Petera 3:16.

    Mieritrereta hoe: ‘Sao dia hanenina aho raha manaraka fotsiny an’izay ataon’ny ankizy?’ Marina fa mety ho tiany ianao amin’ny voalohany. Tsy hanenjika anao ve anefa ny eritreritrao? Aleonao ve manao izay tian’ny namanao fotsiny, toy izay manana ny maha izy anao?—Eksodosy 23:2.

  3. MANAPAHA HEVITRA

    Hoy ny Baiboly: ‘Ny malina mandinika ny diany.’—Ohabolana 14:15.

    Tsy maintsy manapa-kevitra daholo isika, na ho ela na ho haingana, hoe hanao ny tsara sa hanao ny ratsy. Misy vokany daholo koa ireo. Tantarain’ny Baiboly fa nahay nanapa-kevitra i Josefa sy Joba ary Jesosy, fa tsy hoatr’izany kosa i Kaina sy Esao ary Jodasy. Ary ianao? Inona no hataonao?

Milaza ny Baiboly fa tokony ho ‘tapa-kevitra ao am-pontsika’ isika. (Daniela 1:8) Eritrereto tsara àry aloha izay ho vokatr’ilay ditra, ary mahaiza manapa-kevitra avy eo hoe inona no hataonao. Ho mora aminao amin’izay ny hamaly an’ilay ankizy, ary hahasoa anao izany.

Tsy voatery ho lava resaka na hanazava be ny hevitrao ianao. Izaho fotsiny hoe tsy hanao dia izay. Na, teneno an’izao izy mba ho tsapany hoe tsy hiova hevitra mihitsy ianao:

  • “Izaho aza ampidirina amin’izany!”

  • “Izaho tsy manao an’izany!”

  • “Inona àry ity! Izaho efa fantatrareo hoe tsy hanao an’izany!”

Tonga dia mitenena, ary asehoy fa tsy misangisangy ianao. Ho gaga ianao fa hangina ry zareo!

AHOANA RAHA ESOESOINY IANAO?

Ataon’ny ankizy kilalao ianao, raha manaiky hanao izay tiany fotsiny

Ahoana raha miteny izy hoe: “Inona àry ity matahotahotra ity?” Mbola te hisisika izy matoa miteny an’izany. Ireto misy zavatra roa azonao atao:

  • Ekeo hoe marina ny teniny. (Lazao hoe: “Ie, matahotra mihitsy aho kah!” Hazavao vetivety avy eo ny antony.)

  • Ataovy izay hahamenatra azy. Hazavao, ohatra, ny antony tsy anekenao, ary ampisaintsaino izy. (Lazao hoe: “Mba hoatr’izao ihany ve ’nareo dia mifoka sigara?”)

Raha mbola misisika izy, dia mialà haingana! Vao mainka ianao tsy hahavita handa, raha mbola mijanonjanona eo. Raha miala kosa ianao, dia ho hitany tsara hoe tsy manaiky hanao izay tiany.

Tsy maintsy mbola hitaona anao ry zareo. Manan-tsafidy anefa ianao hoe hanaiky na tsia. (Josoa 24:15) Lazao aminy ny hevitrao avy eo, dia aza miovaova amin’izany.