Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 3

Tsy Nankatò An’Andriamanitra i Adama sy Eva

Tsy Nankatò An’Andriamanitra i Adama sy Eva

Irery i Eva indray andro, fa tsy teo i Adama. Nisy bibilava niteny taminy tamin’izay hoe: ‘Izany, hono, ianareo dia tsy mahazo mihinana amin’ireo voankazo rehetra ireo?’ Hoy i Eva: ‘Tsy izany ka! Azonay hohanina daholo ireo, afa-tsy ny voan’ny hazo anankiray ihany. Raha mihinana an’ilay izy izahay dia ho faty.’ Hoy ilay bibilava: ‘Tsy ho faty izany ianareo fa vao mainka aza ianareo hitovy amin’Andriamanitra!’ Nandainga ilay bibilava nefa nino ny teniny i Eva. Nojereny foana àry ilay voankazo ka lasa tiany halaina. Nohaniny ilay izy dia nomeny koa i Adama. Dia nihinana i Adama nefa efa fantany fa ho faty ry zareo raha tsy mankatò.

Nanontanian’i Jehovah i Adama sy Eva ny harivan’iny hoe maninona ry zareo no tsy nankatò. Nanome tsiny an’ilay bibilava i Eva, dia i Adama nanome tsiny an’i Eva. Noroahin’i Jehovah àry ry zareo, dia nasiany anjely sy sabatra mirehitra teo amin’ny fidirana amin’ilay zaridaina, amin’izay ry zareo tsy afaka mankao intsony.

Nilaza i Jehovah fa hosaziny koa ilay nandainga tamin’i Eva. Tsy ilay bibilava anefa ilay izy, satria tsy mahay miteny ny bibilava. Anjely ratsy saina atao hoe Satana Devoly no nampiteny an’ilay bibilava sy namitaka an’i Eva. Haringan’i Jehovah izy any aoriana any, amin’izay tsy ho afaka hamitaka intsony.

‘Mpamono olona hatrany am-piandohana ny Devoly, ary tsy nifikitra tamin’ny marina, satria tsy ao aminy ny marina.’—Jaona 8:44