LESONA 4

Tezitra Izy dia Namono Olona

Tezitra Izy dia Namono Olona

Nanan-janaka be dia be i Adama sy Eva rehefa niala tao amin’ny zaridainan’i Edena. I Kaina no zanany voalohany, ary mpamboly izy. I Abela kosa no zanany faharoa, ary mpiandry ondry izy.

Nanao fanatitra ho an’i Jehovah i Kaina sy Abela, indray andro. Hainao ve ny atao hoe fanatitra? Zavatra omena an’Andriamanitra izany. Tena tian’i Jehovah ny fanatitra nataon’i Abela, fa ny an’i Kaina kosa tsy tiany. Tezitra be àry i Kaina. Notenenin’i Jehovah izy hoe raha mbola tezitra foana izy, dia mety hanao zavatra ratsy be. Tsy noraharahainy anefa izany.

Hoy i Kaina tamin’i Abela: ‘Andao isika roa lahy ho any an-tsaha.’ Inona no nataony, rehefa tonga tany ry zareo? Novonoin’i Kaina ilay zandriny dia maty. Nosazin’i Jehovah i Kaina, ka nalefany lavitra be ary tsy nahita ny fianakaviany intsony.

Inona no azo ianarana amin’izany? Mety ho tezitra be isika rehefa tsy mifanaraka amin’izay tiantsika ny zava-mitranga. Mety hoe isika ihany no mahita hoe lasa tezitra be isika, na mety hisy olon-kafa hiteny amintsika hoe efa tezitra loatra isika. Amin’izay isika no tokony hifehy tena mafy sao dia lasa manao zavatra ratsy be.

Tsy hadinon’i Jehovah mihitsy i Abela satria tia azy sy nanao ny tsara foana. Hatsangan’Andriamanitra izy rehefa hataony paradisa ny tany.

“Mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Rehefa miverina ianao vao atolory ny fanomezanao.”—Matio 5:24