LESONA 5

Ny Sambofiaran’i Noa

Ny Sambofiaran’i Noa

Lasa be dia be ny olona teto an-tany, rehefa nandeha ny fotoana. Betsaka anefa no nanao ratsy. Na ny anjely sasany tany an-danitra aza nanao ratsy. Niala tany ry zareo ary nanketỳ ambonin’ny tany. Te hanambady vehivavy mantsy ry zareo, dia mody nanao olombelona.

Nanan-janakalahy ireo anjely sy ny vadiny. Lasa natanjaka be ireny zanany ireny rehefa lehibe, ary nampijalijaly olona. Tena tsy faly i Jehovah. Tapa-kevitra àry izy hoe hasiany safodrano be, dia ho faty daholo ny olona ratsy.

Nisy lehilahy anankiray tsy nanao ratsy anefa satria tia an’i Jehovah. Noa no anarany. Nanambady izy ary nanan-janakalahy telo, dia i Sema sy Hama ary Jafeta. Nanambady koa ireo zanany ireo. Nasain’i Jehovah nanamboatra sambofiara i Noa. Hoatran’ny boaty ngezabe ilay izy ary afaka mitsingevana eny ambony rano. Tsy ho faty amin’ilay Safodrano i Noa sy ny fianakaviany rehefa miditra ao. Nasain’i Jehovah nampiditra biby be dia be tao koa ry zareo, amin’izay koa izy ireny tsy ho faty.

Tonga dia nanamboatra an’ilay sambofiara i Noa. Afaka 50 taona teo ho eo vao vita ilay izy, ary nataon-dry zareo hoatran’izay notenenin’i Jehovah mihitsy. Sady nanamboatra an’ilay sambofiara i Noa no niteny tamin’ny olona hoe ho avy ny Safodrano. Tsy nisy nihaino anefa izy.

Niditra tao amin’ilay sambofiara amin’izay ry zareo. Dia inona no nitranga?

“Toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.” —Matio 24:37