LESONA 7

Ny Tilikambon’i Babela

Ny Tilikambon’i Babela

Nanan-janaka be dia be ny zanak’i Noa, taorian’ny Safodrano. Dia lasa nihabetsaka ny olona teto an-tany. Niparitaka eran-tany ry zareo, satria izay no nasain’i Jehovah nataony.

Nisy olona tsy nankatò an’i Jehovah anefa. Hoy ry zareo: ‘Andao isika hanamboatra tanàna, dia hipetraka ao. Dia hanao trano anankiray avo be tonga eny amin’ny lanitra isika. Amin’izay isika lasa malaza be.’

Tena tsy faly tamin’izany i Jehovah. Inona àry no nataony? Nataony tsy nitovy tampoka teo ny fitenin’ny olona, dia lasa tsy nahay nifampiresaka intsony ry zareo. Tsy vita intsony àry ilay tanàna, ary natao hoe Babela ny anarany. “Fisafotofotoana” no dikan’izany Babela izany. Lasa niparitaka eran-tany koa ireo olona ireo. Nanao ratsy foana anefa ry zareo tany amin’izay nalehany. Mbola nisy olona tia an’i Jehovah ihany ve? Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka izany.

“Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”—Lioka 18:14