LESONA 8

Nankatò An’Andriamanitra i Abrahama sy Saraha

Nankatò An’Andriamanitra i Abrahama sy Saraha

Nisy tanàna atao hoe Ora teny akaikin’i Babela. Nivavaka tamin’ny andriamanitra be dia be ny olona tao, fa tsy nivavaka tamin’i Jehovah. Nisy lehilahy anankiray nivavaka tamin’i Jehovah ihany anefa tao. Abrahama no anarany.

Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: ‘Mialà eto amin’ny tranonao sy ny havanao, dia mandehana any amin’ny tany anankiray hasehoko anao.’ Hoy koa i Jehovah: ‘Ho lasa firenena lehibe ny taranakao. Dia hanao zavatra tsara be ho an’ny olona maro eran-tany aho, noho ny aminao.’

Tsy fantatr’i Abrahama hoe aiza ilay tany tian’i Jehovah halehany. Natoky an’i Jehovah anefa izy ka nankatò. Nahorony àry ny entany, dia lasa izy sy Saraha vadiny sy Tera dadany ary Lota zanaky ny rahalahiny. Nandeha lavitra be ry zareo.

Tonga tany amin’ilay tany ihany ry Abrahama, rehefa ela ny ela. Efa 75 taona i Abrahama tamin’izay. Kanana no anaran’ilay tany. Hoy Andriamanitra taminy: ‘Hitanao ve io tany ngezabe io? Homeko ny zanakao daholo io.’ Efa antitra anefa i Abrahama sy Saraha, ary mbola tsy nanan-janaka. Dia ahoana àry no hahatanteraka ny tenin’i Jehovah?

‘Finoana no nankatoavan’i Abrahama ka nandeha ho any amin’ny toerana voatendry ho lovany izy. Ary nandeha izy, na dia tsy fantany aza hoe ho aiza.’—Hebreo 11:8