Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 10

Tadidio ny Nataon’ny Vadin’i Lota

Tadidio ny Nataon’ny Vadin’i Lota

Niara-nipetraka tany Kanana i Lota sy Abrahama dadatoany. Lasa nanana biby fiompy be dia be ry zareo, ka tsy antonona an-dry zareo intsony ilay toerana nipetrahany. Hoy i Abrahama tamin’i Lota: ‘Efa tsy omby antsika intsony eto, fa andao isika hisaraka. Fidio àry izay toerana tianao haleha, dia izay tsy handehananao no handehanako.’ Tsy tia tena mihitsy i Abrahama e?

Nahatazana toerana tsara be i Lota teny akaikin’ny tanàna iray atao hoe Sodoma. Be rano sy bozaka maitso ilay izy. Naleony àry nifidy an’io ka nentiny nifindra tany ny fianakaviany. Nipetraka tao Sodoma ry zareo tatỳ aoriana.

Tena ratsy toetra be ny olona tao Sodoma sy tao Gomora, tanàna teo akaiky teo. Tian’i Jehovah haringana àry izy ireo. Te hanavotra an’i Lota sy ny fianakaviany anefa i Jehovah, ka nandefa anjely roa hiteny tamin-dry zareo hoe: ‘Mandehana haingana mitsoaka fa horavan’i Jehovah ity tanàna ity!’

Tsy tonga dia nandeha ry Lota fa nitaraikiraiky teo. Notantanan’ireo anjely àry izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, ka nentiny haingana nivoaka an’ilay tanàna. Hoy ireo anjely tamin-dry zareo: ‘Mihazakazaha dia aza mitoditodika mihitsy, fa raha vao mitodika ianareo dia ho faty!’

Tonga teo amin’ny tanàna antsoina hoe Zoara ry Lota. Nandatsaka afo sy solifara i Jehovah avy eo, ka rava tanteraka i Sodoma sy Gomora. Tsy nankatò an’i Jehovah anefa ny vadin’i Lota fa nitodika. Lasa vongan-tsira àry izy! Tsy maty kosa i Lota sy ny zanany vavy, satria nankatò an’i Jehovah. Tsy maintsy ho nalahelo be ry zareo fa tsy nankatò ny maman-dry zareo. Aleo foana àry manaraka ny tenin’i Jehovah!

“Tsarovy ny vadin’i Lota.” —Lioka 17:32