LESONA 11

Tena Nanam-pinoana i Abrahama!

Tena Nanam-pinoana i Abrahama!

Nampianarin’i Abrahama an’i Isaka hoe tokony ho tia an’i Jehovah izy, ary tokony hatoky an’izay rehetra ampanantenainy. Nisy zavatra sarotra be nasain’i Jehovah nataon’i Abrahama anefa, rehefa 25 taona teo ho eo i Isaka. Inona izany?

Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: ‘Ento ilay zanakao lahitokana, dia ataovy fanatitra ho an’ahy any Moria.’ Tsy hain’i Abrahama hoe nahoana izy no nasaina nanao an’izany. Nankatò anefa izy.

Lasa vao maraina nankany Moria i Abrahama ny ampitson’iny, ary nentiny i Isaka sy ny mpiasany anankiroa. Tazan-dry zareo teny lavidavitra teny ny tendrombohitr’i Moria, rehefa afaka telo andro. Dia nasain’i Abrahama niandry teo ny mpiasany, fa izy mianaka, hono, handeha hanao fanatitra. Nampitondrain’i Abrahama kitay i Isaka, dia izy nitondra antsy. Hoy i Isaka tamin’ny dadany: ‘Fa aiza ilay biby hataontsika fanatitra?’ Dia hoy i Abrahama: ‘Ao fa i Jehovah no hanome an’ilay izy.’

Nanamboatra alitara ry zareo rehefa tonga teny amin’ilay tendrombohitra. Nafatotr’i Abrahama avy eo ny tanan’i Isaka sy ny tongony, ary nataony teo ambonin’ilay alitara izy.

Noraisin’i Abrahama ny antsy, dia iny izy fa andeha hamono an’i Isaka. Tamin’izay mihitsy no nisy anjely niteny avy any an-danitra hoe: ‘Abrahama, aza vonoina izy! Hitako izao hoe tena manam-pinoana an’Andriamanitra ianao. Sahinao hovonoina ho an’azy mantsy ny zanakao.’ Nahita ondrilahy tao anaty kirihitra i Abrahama avy eo, dia iny indray no novonoiny fa i Isaka kosa novahany haingana.

Nanomboka tamin’izay dia nantsoina hoe naman’i Jehovah i Abrahama. Nataony daholo mantsy izay rehetra notenenin’i Jehovah, na dia tsy azony aza hoe fa maninona izy no nasaina nanao an’ilay izy.

Naverin’i Jehovah tamin’i Abrahama ilay teniny taloha hoe: ‘Hotahiko ianao dia hataoko be dia be ny taranakao.’ Niteny koa i Jehovah hoe hanao zavatra tsara be ho an’ny olona tsara fanahy rehetra izy, ka ny taranak’i Abrahama no hampiasainy mba hahatanteraka an’izany.

“Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” —Jaona 3:16