Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 12

I Jakoba no Nahazo An’ilay Lova

I Jakoba no Nahazo An’ilay Lova

Efa 40 taona i Isaka tamin’izy nanambady an’i Rebeka. Tena tian’i Isaka i Rebeka. Niteraka kambana roa lahy ry zareo.

Esao no anaran’ilay zokiny, ary Jakoba kosa ilay zandriny. Tia mandehandeha i Esao ary mahay mihaza, fa i Jakoba indray tia mijanona ao an-trano.

Ny lahimatoa, tamin’izany, no nomena vola sy tany be dia be rehefa maty ny raim-pianakaviana. Izany no atao hoe lova. Mbola hahazo zavatra hafa koa anefa ny zanak’i Isaka. Anisan’ny lova ho azony ilay zavatra nampanantenain’i Jehovah an’i Abrahama. Tsy dia niraharaha an’izany i Esao, fa i Jakoba kosa nahafantatra hoe zava-dehibe ilay izy.

Avy nihaza i Esao, indray mandeha, ary tena reraka rehefa tonga tao an-trano. Manitra erỳ tamin’izay ny sakafo nandrahoin’i Jakoba, ka hoy izy: ‘Noana be mihitsy aho izany! Mba omeo amin’io lantihy io aho!’ Dia hoy i Jakoba: ‘Homeko ianao raha omenao an’ahy ny lovanao.’ Hoy i Esao: ‘Hataoko inona koa izay lova! Ento ho anao any izany, fa izaho aloha izao noana dia te hihinana.’ Tena tsy nety izany nataon’i Esao izany. Aiza ve ka lova sarobidy be nefa natakalony lantihy iray vilia fotsiny?

Rehefa antitra be i Isaka, dia hitso-drano ny lahimatoany amin’izay izy. I Jakoba no zandry nefa izy no nampian’i Rebeka hahazo an’ilay tsodrano. Tezitra be i Esao rehefa fantany izany ka notadiaviny hovonoina ilay zandriny. Te hiaro an’i Jakoba i Isaka sy Rebeka ka niteny taminy hoe: ‘Mandehana mipetraka any amin’i Labana dadatoanao. Dia rehefa tsy tezitra intsony i Esao vao miverena.’ Nanaraka ny tenin’ny ray aman-dreniny i Jakoba, ka nandeha nitsoaka mba tsy ho faty.

“Inona tokoa moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa very ny ainy? Fa inona tokoa moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?”—Marka 8:36, 37