Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 13

Nihavana Indray i Jakoba sy Esao

Nihavana Indray i Jakoba sy Esao

Niteny tamin’i Jakoba i Jehovah hoe hiaro azy, hoatran’ny nataony tamin’i Abrahama sy Isaka. Tany Harana i Jakoba no nipetraka. Nanambady izy tany, ary nanan-janaka be dia be sady lasa nanan-karena.

Hoy i Jehovah tamin’i Jakoba, tatỳ aoriana: ‘Mandehana miverina any amin’ny taninao.’ Lasa àry izy dia nentiny ny fianakaviany. Nandeha lavitra be ry zareo. Teny an-dalana dia niteny tamin’i Jakoba ny mpiasany hoe: ‘Tamy any i Esao zokinao, ary mitondra lehilahy 400 izy.’ Natahotra be i Jakoba sao dia hovonoin’i Esao izy sy ny vady aman-janany. Nivavaka tamin’i Jehovah àry izy hoe: ‘Mba vonjeo re aho e!’ Nandefasan’i Jakoba ondry, osy, omby, rameva, ary ampondra be dia be i Esao ny ampitson’iny.

Nahita anjely i Jakoba ny alin’iny, ary irery izy tamin’izay. Nifampitolona izy sy ilay anjely mandra-paharainan’ny andro. Tsy niala mihitsy i Jakoba na dia efa voa mafy aza. Hoy ilay anjely taminy: ‘Avelao aho handeha.’ Te hahazo antoka anefa i Jakoba hoe hanampy azy i Jehovah, dia hoy izy: ‘Tsy avelako mandeha ianao raha tsy mitso-drano an’ahy.’

Nitso-drano an’i Jakoba ilay anjely tamin’ny farany. Lasa fantatr’i Jakoba àry hoe tsy avelan’i Jehovah hamono azy i Esao.

Tazan’i Jakoba teny lavitra teny i Esao sy ireo lehilahy 400 niaraka taminy, tamin’iny maraina iny. Nandeha teo alohan’ny fianakaviany i Jakoba, ary nandohalika impito teo anatrehan’i Esao. Dia iny i Esao fa nihazakazaka namihina an’i Jakoba. Samy nitomany izy roa lahy ary nihavana indray. Faly be mihitsy izao i Jehovah nahita ny zavatra nataon’i Jakoba!

Nandeha nody i Esao avy eo, fa i Jakoba kosa nanohy ny diany. Nanan-janakalahy 12 i Jakoba, dia i Robena, Simeona, Levy, Joda, Dana, Naftaly, Gada, Asera, Isakara, Zebolona, Josefa, ary Benjamina. I Josefa no nampiasain’i Jehovah mba hamonjena ny vahoakany. Andao ange hojerentsika e!

“Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.”—Matio 5:44, 45