LESONA 16

Iza i Joba?

Iza i Joba?

Misy lehilahy anankiray izay, nipetraka tany Oza. Joba no anarany, ary tena tia an’i Jehovah izy. Nanan-janaka be dia be izy, ary mpanankarena be. Tsara fanahy koa izy, satria nampiany ny mahantra, ny vehivavy maty vady, ary ny ankizy tsy manana Dada sy Neny intsony. Nilamina be foana ve anefa ny fiainany?

Tsy fantatr’i Joba fa hay i Satana Devoly mijery azy foana. Hoy i Jehovah tamin’i Satana: ‘Jereo ange i Joba mpanompoko e! Tsisy olona hoatran’azy mihitsy, fa izy mihaino an’ahy sady manao ny tsara foana.’ Dia hoy i Satana: ‘Ka ianao tsinona miaro an’azy sy manome an’azy tany sy biby fiompy be dia be! Fa raha alainao daholo ireo, dia jereo tsara ange fa tsy ho tia anao intsony izy e!’ Dia hoy i Jehovah: ‘Mandehana àry ataovy izany, dia ho hitantsika eo. Tandremo fotsiny izy sao vonoinao an!’ Fa naninona no navelan’i Jehovah hanisy ratsy an’i Joba i Satana? Satria fantany fa tsy hivadika aminy mihitsy i Joba.

Nandefasan’i Satana loza be dia be àry i Joba. Nirahiny hangalatra ny ombin’i Joba sy ny ampondrany ny Sabeanina. Nodorany daholo koa ny ondrin’i Joba, ary nangalarin’ny Kaldeanina ny ramevany. Tsy vitan’izay fa maty daholo ny mpiandry an’ireny biby ireny. Fa ny tena mafy tamin’i Joba dia ilay hoe maty daholo ny zanany. Nianjeran’ny trano ry zareo tamin-dry zareo nanao fety. Tena nalahelo be mihitsy i Joba! Mbola tia an’i Jehovah ihany anefa izy.

Tian’i Satana hijalijaly kokoa i Joba. Nataony feno vay àry ny vatan’i Joba, dia narary be mihitsy ilay izy. Tsy fantatr’i Joba hoe fa maninona izy no nijaly be. Mbola tia an’i Jehovah foana anefa izy ka faly erỳ i Jehovah!

Nandefa olona telo tany amin’i Joba i Satana avy eo. Nanakivy an’i Joba ry zareo, ka niteny hoe: ‘Nanota mihitsy angamba ianao fa manafina. Dia sazin’Andriamanitra ianao izao!’ Dia hoy i Joba: ‘Tsy nanao ratsy izany aho.’ Lasa nieritreritra anefa izy hoe i Jehovah no mampijaly azy, ary tsy rariny ilay izy.

Nisy lehilahy anankiray tanora koa teo, nihaino an-dry zareo niresaka. Eliho no anarany. Hoy izy: ‘Tsy marina daholo ny teninareo. Tsy hoatr’izany izany i Jehovah, fa izy tsy mba manao ratsy mihitsy. Hitany daholo izay ataon’ny olona, dia ampiany izay mijaly.’

Niteny tamin’i Joba i Jehovah avy eo, hoe: ‘Taiza ianao tamin’izaho nanamboatra ny lanitra sy ny tany? Fa maninona no lazainao hoe tsy rariny ny ataoko? Tsy fantatrao akory izay lazainao.’ Dia hoy i Joba: ‘Tena diso ny zavatra noeritreretiko momba anao. Efa naheno ny momba anao ihany aho, fa izao aho vao tena mahafantatra anao. Hainao daholo kay ny zava-drehetra. Mifona aho tamin’ireny zavatra noteneniko ireny.’

Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Joba, ka nositraniny ary nomeny zavatra tsara betsaka lavitra noho ilay teo aloha. Mbola velona ela be izy, ary tena sambatra. Izy mantsy nankatò an’i Jehovah foana na dia nijaly be aza. Aza mivadika amin’i Jehovah mihitsy koa na inona na inona mitranga.

“Efa renareo ny niaretan’i Joba, ary efa fantatrareo ny fitahiana nomen’i Jehovah azy.” —Jakoba 5:11