LESONA 17

Nifidy ny Hanompo An’i Jehovah i Mosesy

Nifidy ny Hanompo An’i Jehovah i Mosesy

Tany Ejipta ny taranak’i Jakoba no nipetraka, ary nantsoina hoe Israelita ry zareo. Maty i Jakoba sy Josefa tatỳ aoriana, ary nisy Farao hafa nanjaka tany. Nataon’io Farao io andevo ny Israelita, satria natahotra izy sao dia lasa matanjaka noho ny Ejipsianina ry zareo. Notereny hanao biriky be dia be sy hiasa mafy tany an-tsaha ry zareo. Vao mainka anefa lasa be dia be ny Israelita. Tsy tian’i Farao izany, ka nasainy novonoina daholo izay zazalahikely israelita vao teraka. Natahotra be izao ny Israelita tamin’izany e?

Niteraka lahikely ny vehivavy israelita anankiray atao hoe Jokebeda. Mahafatifaty kely ilay zaza, ka tsy tiany ho faty. Nataony tao anaty harona àry izy, dia nafeniny tao anaty bararata teny amoron’ny Reniranon’i Neily. Niandriandry teny akaiky teny i Miriama, anabavin’ilay zaza, mba hijery izay hitranga.

Nandeha nandro tao amin’ilay renirano ny zanakavavin’i Farao, dia hitany ilay harona ary nosokafany. Zazakely nitomany no tao ka nalahelo be izy. Hoy i Miriama taminy: ‘Itadiavako vehivavy hampinono an’io zaza io ve ianao?’ Nanaiky ny zanakavavin’i Farao, ka nalain’i Miriama i Jokebeda, maman-dry zareo. Hoy ny zanakavavin’i Farao: ‘Mba ho ento any ity zaza ity dia ampinonoy, fa hokaramaiko ianao.’

Naverin’i Jokebeda tany amin’ny zanakavavin’i Farao ilay zaza rehefa lehibebe. Nataon’ny zanakavavin’i Farao hoe Mosesy ny anarany, ary notezainy hoatran’ny zanany izy. Afaka nahazo an’izay rehetra tiany i Mosesy tamin’izany. Tsy nanadino an’i Jehovah mihitsy anefa izy. Fantany mantsy hoe Israelita izy fa tsy Ejipsianina. Nifidy ny hanompo an’i Jehovah àry izy.

Te hanampy an’ireo Israelita i Mosesy tamin’izy 40 taona. Nisy fotoana, ohatra, izy nahita Ejipsianina nikapoka andevo israelita, dia novonoiny ilay Ejipsianina ka maty. Nafeniny tao anaty fasika ilay faty. Fantatr’i Farao izany tatỳ aoriana, ka notadiaviny hovonoina i Mosesy. Nitsoaka nankany Midianina àry izy. Nokarakarain’i Jehovah foana anefa izy tany.

‘Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao. Naleony nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra.’—Hebreo 11:24, 25