Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 22

Ilay Fahagagana teo Amin’ny Ranomasina Mena

Ilay Fahagagana teo Amin’ny Ranomasina Mena

Vao henon’i Farao hoe niala tany Ejipta ny Israelita, dia niova hevitra indray izy. Hoy izy tamin’ny miaramilany: ‘Omano daholo ny kalesy fitondra miady, dia andao henjehina ireny! Tahaka izay tsy nalefantsika ireny.’ Dia lasa nanenjika ny Israelita ry zareo.

I Jehovah no nitarika ny vahoakany tamin’izay. Nampiasa rahona izy tamin’ny antoandro ary afo rehefa alina. Nentiny nankany amin’ny Ranomasina Mena ry zareo, ary nasainy nijanona teo.

Tazan’ny Israelita hoe ireny i Farao sy ny miaramilany fa nanenjika an-dry zareo. Tsy afaka nandositra anefa ry zareo satria ranomasina no teo alohany. Hoy ry zareo tamin’i Mosesy: ‘Ho faty eto daholo isika androany. Tahaka izay izahay navelanao tany Ejipta ihany.’ Dia hoy i Mosesy: ‘Aza matahotra izany! Jereo tsara fa hamonjy antsika i Jehovah.’ Tena natoky an’i Jehovah i Mosesy e?

Nasain’i Jehovah nandeha amin’izay ny Israelita, rehefa alina ny andro. Nafindran’i Jehovah ilay rahona, ary nataony teo anelanelan’ny Israelita sy ny Ejipsianina. Maizina be ny tany amin’ny Ejipsianina, fa nazava kosa ny tany amin’ny Israelita.

Nasain’i Jehovah nanondro ny ranomasina i Mosesy. Dia nataon’i Jehovah nisy rivotra nitsoka mafy be nandritra ny alina. Nisaraka roa àry ny ranomasina ka nisy lalana azo naleha teo afovoany. Israelita an-tapitrisany no nandeha teo, ka teo ankaviany sy teo ankavanany ny ranomasina.

Nanaraka ny Israelita teo afovoan’ny ranomasina ny miaramilan’i Farao. Nataon’i Jehovah nisahotaka anefa ry zareo. Nipitika koa ny kodiaran’ny kalesiny. Niantsoantso àry ry zareo hoe: ‘Andao isika hitsoaka fa i Jehovah no miady amintsika.’

Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Tondroy amin’ny tananao ny ranomasina.’ Dia nitambatra indray ny ranomasina ka nilentika tao daholo ny Ejipsianina. Maty daholo àry i Farao sy ny miaramilany.

Ny Israelita kosa terỳ ampita nidera an’i Jehovah sady nihira hoe: ‘Mihirà ho an’i Jehovah fa nisandratra avo dia avo izy. Natsipiny tao an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy.’ Ny sasany nihira, dia ny vehivavy nandihy sy nidoboka amponga kely. Faly be daholo izy rehetra satria izay vao tena avotra.

“Be herim-po àry isika, ka milaza hoe: ‘Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?’”—Hebreo 13:6