LESONA 25

Toerana Nivavahana Tamin’i Jehovah

Toerana Nivavahana Tamin’i Jehovah

Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, tamin’izy mbola teny amin’ny Tendrombohitra Sinay: ‘Manamboara tranolay masina ho an’ahy.’ Toerana hivavahana amin’i Jehovah ilay izy, ary azo batabataina rehefa nifindrafindra toerana ny Israelita.

Hoy i Jehovah: ‘Asaivo manome izay foiny ny vahoaka, mba hanamboarana an’ilay tranolay masina.’ Dia nanome volamena, volafotsy, vatosoa, ary firavaka ry zareo, sady nanome volonondry, lamba rongony, hodi-biby, ary zavatra hafa. Be dia be mihitsy ilay izy, ka hoy i Mosesy: ‘Efa ampy izay fa aza manome intsony.’

Be dia be ny lehilahy sy vehivavy nanao an’ilay tranolay masina. Nahay be ry zareo satria nampian’i Jehovah. Nisy nanamboatra kofehy sy ravin-damba, na nanao peta-kofehy. Nisy indray nanamboatra zavatra tamin’ny vato, volamena, na hazo.

Nataon’ny Israelita hoatran’izay notenenin’i Jehovah mihitsy ilay tranolay masina. Nizara roa ilay izy, dia ny Masina sy ny Masina Indrindra. Ridao tsara tarehy no nampisaraka an’ireo. Nisy fitoeran-jiro volamena, latabatra, ary alitara fandoroana zavatra manitra, tao amin’ny Masina. Teo an-tokotany indray nisy kovetabe varahina sy alitara ngezabe. Tao amin’ny Masina Indrindra kosa ilay Vata misy ny fifanekena, izay vita tamin’ny hazo akasia sy volamena. Natao io Vata misy ny fifanekena io, amin’izay tadidin’ny Israelita ilay voadiny hoe hankatò an’i Jehovah foana ry zareo. Mitovy amin’ny hoe manao voady izany hoe manao fifanekena izany.

I Arona sy ny zanany lahy no nofidin’i Jehovah ho mpisorona, dia hiasa ao amin’ny tranolay masina sy hikarakara an’ilay izy, ary hanao fanatitra ho an’i Jehovah ao. I Arona no mpisoronabe. Izy irery no nahazo niditra tao amin’ny Masina Indrindra, nefa indray mandeha isan-taona ihany. Nanao sorona izy tamin’izay, mba ho voavela ny fahadisoana nataony sy nataon’ny fianakaviany ary ny Israelita rehetra.

Vita ilay tranolay masina, herintaona taorian’ny nialana tany Ejipta. Lasa tao ny Israelita no nivavaka tamin’i Jehovah.

Tena faly i Jehovah ka nasiany rahona teo ambonin’ilay tranolay masina. Rehefa tsy nihetsika teo ambonin’izy io ilay rahona, dia nijanona tsy nandeha koa ny Israelita. Rehefa niala teo indray ilay rahona, dia lasa ry zareo nanaraka an’ilay izy. Noravany koa ilay tranolay masina, dia nentiny.

“Tamin’izay aho dia nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: ‘Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy.’”—Apokalypsy 21:3