LESONA 26

Ireo Mpitsikilo 12

Ireo Mpitsikilo 12

Niala teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Israelita, ary nandalo tany amin’ny tany efitr’i Parana. Tonga tao Kadesy ry zareo tamin’ny farany. Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Mifidiana lehilahy iray isaky ny foko, dia iraho ry zareo hitsikilo ny tany Kanana. Homeko ny Israelita mantsy io tany io.’ Nifidy 12 lahy àry i Mosesy. Hoy izy tamin-dry zareo: ‘Mandehana any Kanana, dia jereo raha azo volena zavatra ny tany. Jereo koa raha matanjaka ny olona any, ary raha mipetraka an-tanàna ry zareo na anaty tranolay.’ Nankany Kanana àry ireo mpitsikilo 12, anisan’izany i Josoa sy Kaleba.

Niverina ireo mpitsikilo, rehefa afaka 40 andro, dia nitondra aviavy sy ampongabendanitra ary voaloboka. Hoy ry zareo: ‘Tsara be ilay tany! Matanjaka be anefa ny olona any, ary avo be ny mandan’ny tanànany.’ Dia hoy i Kaleba: ‘Andao tonga dia tafihintsika ry zareo fa ho resintsika!’ Natoky mantsy i Kaleba sy Josoa hoe hampian’i Jehovah ny Israelita. Hoy anefa ireo mpitsikilo folo: ‘Aza mandeha fa ngezabe ny olona any. Hoatran’ny valala kely izahay teo anatrehany.’

Kivy be ny Israelita ka nimenomenona. Nifampiresaka ry zareo hoe: ‘Andao isika hifidy mpitarika hafa dia hiverina any Ejipta, fa ho faty atỳ daholo isika rehetra.’ Dia hoy i Josoa sy Kaleba: ‘Araho fotsiny ny tenin’i Jehovah. Aza matahotra fa hiaro antsika izy.’ Tsy niraharaha ny tenin’i Josoa sy Kaleba anefa ny Israelita, ary saika hovonoiny ho faty mihitsy aza izy roa lahy.

Nahafaly an’i Jehovah ve izany? Hoy izy tamin’i Mosesy: ‘Jereo ireny zavatra be dia be efa nataoko ho an’ny Israelita ireny, nefa ry zareo mbola tsy mankatò an’ahy ihany. Hajanoko atỳ amin’ny tany karakaina atỳ 40 taona ireo, dia aleo ho faty atỳ. Fa ny zanany ary Josoa sy Kaleba ihany sisa no hipetraka ao amin’ilay tany homeko an-dry zareo.’

“Nahoana ianareo no saro-tahotra, ry kely finoana?”—Matio 8:26