LESONA 27

Nikomy Tamin’i Jehovah Izy Ireo

Nikomy Tamin’i Jehovah Izy Ireo

Tatỳ aoriana kely, dia nikomy tamin’i Mosesy i Kora sy Datana ary Abirama. Nisy 250 lahy koa niaraka tamin-dry zareo. Hoy ry Kora tamin’i Mosesy: ‘Leo be izahay, fa maninona no ianao foana no mpitarika anay, dia i Arona no mpisoronabe? Ny vahoaka rehetra ange no tian’i Jehovah, fa tsy ianao sy Arona irery e!’ Tezitra be tamin-dry Kora sy ny namany àry i Jehovah, satria nikomy taminy ry zareo raha ny marina.

Hoy i Mosesy tamin-dry Kora: ‘Mankanesa any amin’ny tranolay masina rahampitso, dia ento ny fitondranareo afo ary asio zavatra manitra. Dia hasehon’i Jehovah hoe iza no nofidiny.’

Nankany amin’ny tranolay masina i Kora sy ireo 250 lahy ny ampitso. Teo koa i Mosesy. Nandoro zavatra manitra ry Kora, hoatran’ny fanaon’ny mpisorona. Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: ‘Aza manakaikikaiky an’i Kora sy ny namany ianareo.’

I Datana sy Abirama ary ny fianakaviany kosa tsy nety nankany amin’ny tranolay masina. Nijoro teo ivelan’ny tranolainy ry zareo. Nasain’i Jehovah niala teo akaikin’ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama àry ny Israelita, ka tonga dia niala. Nitresaka tampoka ny tany avy eo, dia latsaka tany anatiny lalina be tany i Datana sy Abirama ary ny fianakaviany. I Kora sy ireo 250 lahy kosa mbola tany amin’ny tranolay masina tamin’izay. Nisy afo avy any an-danitra nilatsaka tamin-dry zareo anefa tany ka maty ry zareo.

Hoy indray i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Alaivo ny tehin’ny lehiben’ny foko tsirairay, dia soraty eo ny anarany. Ny anaran’i Arona kosa no soraty eo amin’ny tehin’ny fokon’i Levy. Dia ataovy ao anaty tranolay masina ireo tehina ireo, fa haniry voninkazo ny tehin’izay fidiko.’

Navoakan’i Mosesy avy tao amin’ny tranolay masina ireo tehina ny ampitso, ka nasehony an’ireo lehiben’ny foko. Ny tehin’i Arona irery no naniry voninkazo sy nisy voankazo masaka. Hita amin’izany àry fa i Arona tokoa no nofidin’i Jehovah ho mpisoronabe.

“Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo.” —Hebreo 13:17