LESONA 29

Nifidy An’i Josoa i Jehovah

Nifidy An’i Josoa i Jehovah

I Mosesy no nitarika ny Israelita nandritra ny taona maro. Rehefa akaiky ho faty izy, dia hoy i Jehovah taminy: ‘Tsy ianao no hitarika ny Israelita hiditra ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Avelako hitazana an’ilay tany anefa ianao.’ Niangavy an’i Jehovah i Mosesy avy eo mba hifidy olon-kafa hitarika ny Israelita. Hoy i Jehovah taminy: ‘Teneno i Josoa hoe izy no fidiko.’

Niteny tamin’ny Israelita i Mosesy hoe efa ho faty izy, ka i Josoa indray no nofidin’i Jehovah hitarika an-dry zareo hiditra ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Hoy i Mosesy tamin’i Josoa: ‘Aza matahotra fa hanampy anao i Jehovah.’ Tsy ela taorian’izay dia niakatra teo an-tampon’ny Tendrombohitra Nebo i Mosesy. Teo izy no nasain’i Jehovah nitazana an’ilay tany nampanantenainy an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Maty i Mosesy avy eo, ary 120 taona izy tamin’izay.

Hoy i Jehovah tamin’i Josoa: ‘Mandehana miampita ny Reniranon’i Jordana, ary midira any Kanana. Ao fa hampiako ianao, hoatran’ny nataoko tamin’i Mosesy. Dia vakio isan’andro ny Lalàko. Aza matahotra fa ataovy fotsiny izay asaiko ataonao.’

Naniraka mpitsikilo roa nankany amin’ny tanànan’i Jeriko i Josoa. Ho hitantsika ao amin’ny tantara manaraka hoe inona no nataon-dry zareo tany. Rehefa niverina tany amin’i Josoa izy roa lahy, dia niteny hoe: ‘Izao no fotoana mety indrindra hidirana ao Kanana.’ Nasain’i Josoa niainga àry ny vahoaka ny ampitso. Tondraka be ny Reniranon’i Jordana tamin’izay. Nasain’i Josoa nankeo amoron’ilay renirano aloha ny mpisorona nilanja ny Vata misy ny fifanekena. Vao nanitsaka ny rano anefa ry zareo, dia tsy nikoriana intsony ilay renirano. Nijoro teo afovoan’ny renirano ry zareo avy eo, ary niampita tamin’ny tany maina ny Israelita. Tadidinao ve fa efa nanao hoatr’izany koa i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena?

Ela ny ela ka tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita! Nanamboatra trano sy tanàna ry zareo tany, ary nanana saha sy tanimboaloboka ary saham-boankazo. Tena tondra-dronono sy tantely tokoa ilay tany!

“Hitarika anao foana i Jehovah, ka hanome fahafaham-po anao na dia any amin’ny tany karakaina aza.”—Isaia 58:11