LESONA 30

Nafenin’i Rahaba Ireo Mpitsikilo

Nafenin’i Rahaba Ireo Mpitsikilo

Nankao an-tranon’ny vehivavy atao hoe Rahaba ireo mpitsikilo roa, rehefa tonga tao Jeriko. Vao henon’ny mpanjakan’i Jeriko izany, dia nandefa miaramila tany amin’i Rahaba izy. Nafenin’i Rahaba tany ambony tafo anefa ireo mpitsikilo, fa ireo miaramila kosa natorony lalana diso. Hoy i Rahaba tamin’ireo mpitsikilo: ‘Ampiako ianareo. Fantatro mantsy fa manampy anareo i Jehovah dia ho azonareo ity tany rehetra ity. Fa mba avoty ny fianakaviako.’

Hoy ireo mpitsikilo tamin’i Rahaba: ‘Ao fa tsy hataonay na inona na inona izay rehetra ato an-tranonao. Asio tady menamena mifatotra fotsiny eo am-baravarankelinao, dia ho avotra ianareo.’

Navelan’i Rahaba nidina tamin’ilay tady ireo mpitsikilo rehefa handeha. Dia nankany an-tendrombohitra ry zareo, ary niafina tany telo andro vao niverina tany amin’i Josoa. Niampita ny Reniranon’i Jordana avy eo ny Israelita, ary niomana haka an’ilay tany. I Jeriko no tanàna voalohany nalainy. Nasain’i Jehovah nanodidina an’ilay tanàna indray mandeha isan’andro ry zareo nandritra ny enina andro, fa tamin’ny andro fahafito vao nanodidina impito. Nitsoka trompetra avy eo ny mpisorona, ary nikiakiaka mafy be ny miaramila. Dia nirodana ny mandan’ilay tanàna, afa-tsy ny tranon’i Rahaba. Avotra ry Rahaba satria natoky an’i Jehovah!

‘Toy izany koa i Rahaba: Tsy nambara ho marina ve izy noho izay nataony rehefa avy noraisiny tsara ireo iraka, ka nalefany tany amin’ny lalan-kafa?’—Jakoba 2:25