LESONA 32

Mpitarika Vaovao sy Vehivavy Roa Tsy Natahotahotra

Mpitarika Vaovao sy Vehivavy Roa Tsy Natahotahotra

I Josoa no nitarika ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny taona maro. Nanompo an’i Jehovah foana ny Israelita tamin’izay. Rehefa maty anefa i Josoa tamin’izy 110 taona, dia nanompo sampy hoatran’ny Kananita ry zareo. Navelan’i Jehovah hampijaly an-dry zareo àry i Jabina mpanjaka kananita. Nijaly be ny Israelita ka nangataka fanampiana tamin’i Jehovah. Nasain’i Jehovah hitarika an-dry zareo àry i Baraka, amin’izay ry zareo miverina amin’i Jehovah.

I Debora no mpaminanivavy tamin’izay. Hoy izy tamin’i Baraka: ‘Mitondrà lehilahy 10 000, hoy i Jehovah. Dia mandehana miady amin’ny miaramilan’i Jabina eo amin’ny reniranon’i Kisona. Ho resinao eo mantsy i Sisera, lehiben’ny tafik’i Jabina.’ Dia hoy i Baraka tamin’i Debora: ‘Handeha aho raha miaraka amiko ianao.’ Hoy i Debora: ‘Andao àry. Fa tsy ianao anefa no hamono an’i Sisera, hoy i Jehovah, fa vehivavy anankiray izay.’

Dia lasa i Debora niaraka tamin’i Baraka sy ny miaramilany nankeny amin’ny Tendrombohitra Tabara. Vao fantatr’i Sisera izany, dia nangoniny terỳ ambanimbany terỳ ny miaramilany sy ny kalesy fitondra miady. Hoy i Debora tamin’i Baraka: ‘Ataon’i Jehovah mandresy ianao androany.’ Nidina hiady tamin-dry Sisera àry i Baraka sy ny miaramilany.

Dia nataon’i Jehovah tondraka be ny reniranon’i Kisona avy eo. Lasa tsy afaka nandeha ny kalesin-dry Sisera satria nisy fotaka be. Resin-dry Baraka àry ny miaramilan’i Sisera. I Sisera kosa lasa nitsoaka ka navelany teo ny kalesiny. Dia niafina tao an-tranolain’izay vehivavy atao hoe Jaela izay izy. Nomen’i Jaela ronono izy ary norakofany bodofotsy, dia tafatory be. Nijaikojaiko i Jaela avy eo dia notsatohany fantsika be ny lohan’i Sisera, dia maty izy.

Tonga hitady an’i Sisera tao amin’i Jaela avy eo i Baraka. Dia hoy i Jaela: ‘Mandrosoa fa atoroko anao ilay olona tadiavinao.’ Dia hitany tokoa i Sisera saingy efa maty. Faly be i Baraka sy Debora ka niara-nihira fiderana an’i Jehovah. Raha tsy nampiany mantsy ny Israelita, dia tsy ho resy ny fahavalony. Nilamina indray tany Israely nandritra ny 40 taona taorian’izay.

“Tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.” —Salamo 68:11