Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 33

Rota sy Naomy

Rota sy Naomy

Nisy mosary tany Israely tatỳ aoriana. Nifindra tany Moaba àry ny fianakaviana anankiray, dia i Naomy sy ny vadiny ary ny zanany roa lahy. Maty ny vadin’i Naomy tatỳ aoriana. Nanambady an’i Rota sy Orpa, vehivavy moabita, ny zanany lahy. Maty koa anefa izy roa lahy.

Niverina nody tany Israely i Naomy, rehefa fantany hoe tsy nisy mosary intsony tany. Niaraka taminy koa i Rota sy Orpa. Hoy i Naomy: ‘Tsara fanahy be tamiko sy tamin’ny zanako lahy ianareo roa vavy. Ianareo anefa mbola tokony hanambady. Tsy aleonareo ve mody any Moaba?’ Dia hoy izy roa vavy: ‘Ianao ange tianay be e! Izahay tsy handeha hody izany.’ Notenenin’i Naomy foana anefa ry zareo, dia farany nody i Orpa. Hoy i Naomy tamin’i Rota: ‘Iny izao i Orpa fa lasa nody any aminy, sy any amin’ny andriamaniny. Mandehana miaraka aminy, dia modia any amin’ny mamanao.’ Dia hoy i Rota: ‘Efa hoe izaho hiaraka aminao foana, dia hiaraka amin’ny olona any aminareo, dia hivavaka amin’ny Andriamanitrareo.’ Faly be izao i Naomy e?

Tonga tany Israely i Rota sy Naomy, rehefa nanomboka nijinja vary orza ny olona tany. Lasa koa i Rota nanangona vary orza sendra tavela teny an-tsaha. Teny amin’ny sahan’i Boaza, zanak’i Rahaba, izy indray andro. Fantatr’i Boaza hoe vehivavy moabita i Rota, sady tia be an’i Naomy. Noteneniny àry ny mpiasany mba hamela vary hangonin’i Rota.

Hoy i Naomy, rehefa nody i Rota ny harivan’iny: ‘Fa taiza ianao no niasa androany?’ Dia hoy i Rota: ‘Teny amin’ny sahan’i Boaza.’ Hoy i Naomy: ‘Hay! Havan’ny vadiko iny. Aza miala eny amin’ny sahany, amin’izay ianao tsisy manadala.’

Niasa teo amin’ny sahan’i Boaza foana i Rota, mandra-pahatapitry ny fijinjana. Hitan’i Boaza hoe nazoto niasa izy sady tena tsara toetra. Tamin’izany, raha maty ny lehilahy iray nefa tsy manan-janakalahy, dia ny havany ihany no manambady an’ilay vadiny. Nanambady an’i Rota àry i Boaza. Niteraka lahikely ry zareo, dia i Obeda, izay lasa dadaben’i Davida Mpanjaka. Faly be ny naman’i Naomy tamin’izay. Hoy ry zareo: ‘Nomen’i Jehovah an’i Rota ianao, ary tena nikarakara anao i Rota. Izao indray ianao nahazo zafikely. Tena tsara fanahy i Jehovah e?’

‘Misy namana mifikitra noho ny rahalahy aza.’—Ohabolana 18:24