LESONA 35

Nivavaka i Hana dia Nahazo Zanakalahy

Nivavaka i Hana dia Nahazo Zanakalahy

Nisy lehilahy israelita atao hoe Elkana, nanana vady anankiroa, dia i Hana sy Penina. I Hana no tena tiany. Tsy nanan-janaka anefa i Hana, fa i Penina nanana be dia be. Nambanimbanin’i Penina foana àry i Hana. Fanaon’i Elkana ny mitondra ny vady aman-janany any Silo isan-taona, mba hivavaka amin’i Jehovah ao amin’ny tranolay masina. Fa indray mandeha, tamin-dry zareo tany, dia hitany i Hana nalahelo be. Hoy izy: ‘Hana a, aza mitomany fa ianao ange manana an’ahy e! Dia tiako be koa ianao.’

Nandeha nitokana kely i Hana avy eo mba hivavaka. Nitomany be mihitsy izy sady niangavy an’i Jehovah hoe: ‘Jehovah ô, raha omenao zanakalahy aho, dia homeko anao izy hanompo anao mandra-pahafatiny.’

I Ely no mpisoronabe tamin’izay. Hitany i Hana nifokofoko nitomany ka noheveriny fa mamo. Hoy anefa i Hana: ‘Tsy mamo izany aho, tompoko, fa tena manana olana be, ary resahiko amin’i Jehovah ilay izy.’ Dia hoy i Ely: ‘Hay ve e! Enga anie àry mba homen’i Jehovah anao izay tadiavinao!’ Tsy nalahelo be intsony i Hana avy eo dia lasa nandeha. Nanan-janakalahy tokoa izy, herintaona latsaka taorian’izay. Dia nataony hoe Samoela ny anarany. Faly erỳ i Hana!

Tadidin’i Hana foana ilay teniny tamin’i Jehovah. Vao nisara-nono àry i Samoela dia nentiny tany amin’ny tranolay masina. Hoy izy tamin’i Ely: ‘Ity zaza ity ilay nangatahiko tamin’izaho nivavaka iny. Fa izao izy homeko hanompo an’i Jehovah mandra-pahafatiny.’ Namangy an’i Samoela foana i Elkana sy Hana isan-taona, ary nitondra akanjo vaovao tsy misy tanany ho azy. Mbola nomen’i Jehovah zanakalahy anankitelo sy zanakavavy anankiroa koa i Hana.

“Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo.”—Matio 7:7