Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 38

Nataon’i Jehovah Natanjaka Be i Samsona

Nataon’i Jehovah Natanjaka Be i Samsona

Nanompo sampy indray ny ankamaroan’ny Israelita. Navelan’i Jehovah hanjaka teo amin’ny taniny àry ny Filistinina. Nisy Israelita nanompo an’i Jehovah ihany anefa, ohatra hoe i Manoa. Tsy nanan-janaka izy sy ny vadiny. Nandefa anjely tany amin’ny vadin’i Manoa i Jehovah indray andro, hiteny hoe: ‘Hanan-janakalahy ianao, dia izy no hamonjy ny Israelita amin’ny Filistinina. Ho Nazirita izy.’ Fantatrao ve izany Nazirita izany? Olona manao fanompoana manokana ho an’i Jehovah ry zareo, ary tsy mahazo manapaka volo.

Teraka ilay zaza, tatỳ aoriana, ary natao hoe Samsona ny anarany. Nataon’i Jehovah matanjaka be izy rehefa nihalehibe. Nahavita namono liona aza izy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Nisy Filistinina 30 koa matiny. Tsy tian’ny Filistinina mihitsy izy ka notadiavin-dry zareo hovonoina. Natory tany Gaza izy indray mandeha, dia nandrasan-dry zareo teo am-bavahady mba hovonoina rehefa maraina. Nivoaka anefa i Samsona tamin’ny 12 alina, dia nongotany ilay vavahady. Nentiny tamin’ny sorony ilay izy, mandra-pahatongany teny an-tampon’ny tendrombohitra iray teny akaikin’i Hebrona.

Niaraka tamin’izay vehivavy atao hoe Delila izay i Samsona. Hoy ny Filistinina tamin’i Delila: ‘Homenay vola madinika volafotsy 5 500 ianao, fa fantaro fotsiny hoe inona no mampahatanjaka be an’i Samsona. Tianay hogadraina mantsy izy.’ Te hahazo an’ilay vola i Delila ka nanontany an’i Samsona. Tsy nety niteny i Samsona tamin’ny voalohany. Tsy namelan’i Delila anefa izy ka niteny ihany hoe: ‘Mbola tsy nanapaka volo mihitsy aho fa Nazirita. Fa raha hetezana ny voloko dia tsy matanjaka intsony aho.’ Tena tsy nety mihitsy izany nataon’i Samsona izany!

Tonga dia niteny tamin’ny Filistinina i Delila hoe: ‘Haiko amin’izay ny mampahatanjaka an’azy.’ Nasainy natory teo am-pofoany i Samsona, dia nisy olona nasainy nanapaka ny volon’i Samsona. Hoy i Delila avy eo: ‘Samsona, ireo ny Filistinina!’ Nifoha i Samsona nefa tsy natanjaka be intsony. Nosamborin’ny Filistinina izy dia nopotsiriny ny masony, ary nogadrainy izy.

Nisy Filistinina be dia be nivory tao amin’ny trano fivavahana tamin’i Dagona andriamaniny, indray mandeha. Dia niantsoantso ry zareo hoe: ‘Nampian’i Dagona isika dia resintsika i Samsona! Avoahy i Samsona mba hihomehezantsika.’ Nataon-dry zareo teo anelanelan’ny andry anankiroa àry izy sady nihomehezany. Hoy i Samsona: ‘Jehovah ô, mba ataovy matanjaka indray aho.’ Efa naniry ny volony tamin’izay. Natosiny mafy be àry ireo andry dia nirodana ilay trano. Maty daholo ny olona tao ary maty koa i Samsona.

“Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:13