LESONA 39

Ny Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely

Ny Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely

Efa nomen’i Jehovah mpitsara ny Israelita mba hitarika an-dry zareo, nefa mpanjaka no tiany. Hoy ry zareo tamin’i Samoela: ‘Manana mpanjaka daholo ny firenena rehetra, dia izahay koa te hanana.’ Tsy tian’i Samoela izany, ka nivavaka tamin’i Jehovah izy. Dia hoy i Jehovah: ‘Izaho ange no tsy tian’ireo fa tsy ianao e! Teneno ry zareo hoe hahazo mpanjaka izy, saingy haka zavatra be dia be amin-dry zareo, hono, hoe ilay mpanjaka.’ Hoy anefa ny olona: ‘Tsy raharahainay izany fa mila mpanjaka fotsiny izahay.’

Lehilahy anankiray atao hoe Saoly no nasain’i Jehovah nofidin’i Samoela. Nankany amin’i Samoela tany Rama i Saoly, dia tamin’izay i Samoela no nanosotra menaka ny lohany mba hatao mpanjaka izy.

Novorin’i Samoela amin’izay àry ny Israelita, fa hasehony an-dry zareo ilay mpanjaka vaovao. Tsy hita mihitsy anefa i Saoly tamin’izay, fa niafina tao anaty entana. Hitan’ny olona ihany izy ary nasainy nitsangana teo afovoan’ny vahoaka. Izy no lava indrindra tamin’ny olona rehetra, sady tsara tarehy be. Hoy i Samoela: ‘Io ilay nofidin’i Jehovah.’ Dia hoy ny vahoaka: ‘Ho ela velona anie ny mpanjaka!’

Nihaino an’i Samoela sy nankatò an’i Jehovah foana i Saoly Mpanjaka. Niova anefa izy tatỳ aoriana. Indray mandeha, ohatra, nanao sorona teo amin’ny alitara izy nefa tsy nahazo nanao an’izany. Efa notenenin’i Samoela izy hoe: ‘Andraso fa ho avy aho hanao an’ilay izy.’ Nataony ihany anefa ilay sorona, satria elaela i Samoela vao tonga. Dia hoy i Samoela: ‘Tena adala mihitsy ianao tsy nankatò an’i Jehovah.’ Niova ve i Saoly taorian’izay?

Nandeha niady tamin’ny Amalekita i Saoly tatỳ aoriana. Notenenin’i Samoela izy hoe: ‘Vonoy daholo ry zareo, hatramin’ny biby fiompiny.’ Tsy novonoin’i Saoly anefa i Agaga mpanjakan’ny Amalekita. Dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: ‘Tena tsy mankatò an’ahy mihitsy i Saoly.’ Nalahelo be i Samoela ka hoy izy tamin’i Saoly: ‘Hifidy mpanjaka hafa i Jehovah, fa ianao efa tsy mankatò an’azy.’ Dia lasa i Samoela, nefa nosintonin’i Saoly ny akanjony ka rovitra. Dia hoy i Samoela: ‘Horovitin’i Jehovah hoatr’izany koa ny fanjakanao, ka homeny olon-kafa tia an’azy sy mankatò an’azy.’

“Ny mankatò no tsara kokoa noho ny sorona.”—1 Samoela 15:22