Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 40

Davida sy Goliata

Davida sy Goliata

Hoy i Jehovah tamin’i Samoela: ‘Mandehana any amin’i Jese, fa ny zanany lahy anankiray no ho mpanjakan’ny Israely.’ Dia nankany amin-dry Jese i Samoela. Vao nahita an’ilay lahimatoa izy, dia nieritreritra hoe: ‘Ity angamba ilay nofidin’i Jehovah.’ Hoy anefa i Jehovah: ‘Tsy izy io. Ny an’ahy, ny ao am-po no jereko fa tsy izay etỳ ivelany.’

Nasehon’i Jese avy eo ny zanany lahy enina hafa. Hoy anefa i Samoela: ‘Tsisy nofidin’i Jehovah ireo. Izay ihany ’ngaha ny zanakao?’ Hoy i Jese: ‘Miandry ondry any ny faralahy, ary Davida no anarany.’ Rehefa tonga i Davida, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: ‘Io ilay nofidiko.’ Nohosoran’i Samoela menaka àry ny lohan’i Davida, satria izy no ho mpanjakan’ny Israely.

Niady tamin’ny Filistinina ny Israelita taorian’izay. Nanana miaramila ngezabe iray atao hoe Goliata ny Filistinina. Nanambanimbany ny Israelita foana izy, sady niantsoantso hoe: ‘Mifidiana iray aminareo hiady amiko. Raha resiny aho, dia ho lasa mpiasanareo izahay. Fa raha resiko kosa izy, dia ianareo indray no ho mpiasanay.’

Miaramila israelita ny zokin’i Davida. Nanatitra sakafo tany amin-dry zareo i Davida, ka henony ny tenin’i Goliata. Dia hoy izy: ‘Vonona hiady amin’io aho.’ Hoy i Saoly Mpanjaka: ‘Ianao ange mbola kely e!’ Hoy anefa i Davida: ‘Tsy matahotra aho fa hampian’i Jehovah.’

Nomen’i Saoly an’i Davida ny akanjo fitondrany miady, nefa hoy i Davida: ‘Tsy mahay mandeha amin’ity aho.’ Nitondra pilotra i Davida, dia lasa izy naka vato malamalama dimy. Nataony tao anaty kitapo kely ireo vato ireo, dia nihazakazaka nanatona an’i Goliata izy. Hoy i Goliata: ‘Ialahy zazakely io ve leisy! Avia ialahy hataoko sakafon’ny vorona sy ny bibidia.’ Tsy natahotra i Davida, fa hoy izy: ‘Ianao mitondra sabatra sy lefona, fa izaho kosa mitondra ny anaran’i Jehovah. Tsy izahay no iadivanareo fa i Jehovah. Ho hitanareo fa mahery be i Jehovah, dia tsisy dikany aminy ny sabatra sy lefona. Dia hataony resinay ianareo.’

Naka vato anankiray i Davida, dia nalefany mafy be tamin’ny pilotra ilay izy. Nataon’i Jehovah nilentika teo amin’ny handrin’i Goliata ilay vato, dia nidaboka be i Goliata, dia maty. Nitsoaka daholo àry ny Filistinina. Matoky an’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Davida ve ianao?

“Tsy hain’olombelona izany, fa hain’Andriamanitra. Hain’Andriamanitra mantsy ny zava-drehetra.”—Marka 10:27