Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 42

Tsy Nivadika Mihitsy i Jonatana

Tsy Nivadika Mihitsy i Jonatana

I Jonatana no zanaka lahimatoan’i Saoly Mpanjaka. Miaramila izy sady tsy natahotahotra mihitsy. Mahery mandeha noho ny voromahery izy, hoy i Davida, ary matanjaka noho ny liona. Indray andro, dia nahita miaramila filistinina 20 teo an-tampon-kavoana i Jonatana. Hoy izy tamin’ny mpitondra fiadiany: ‘Hotafihintsika ireo raha miteny hoe avia atỳ. Fa izay no famantarana fa hampian’i Jehovah isika.’ Dia niteny tokoa ny Filistinina hoe: ‘Avia hiady aminay!’ Niakatra an’ilay havoana àry izy roa lahy ka nahafaty an’ireo Filistinina ireo.

I Jonatana no tokony ho mpanjaka handimby an’i Saoly satria izy no lahimatoa. Fantatr’i Jonatana anefa fa i Davida no nofidin’i Jehovah ho mpanjakan’Israely. Na izany aza dia tsy nialona azy izy. Lasa mpinamana be izy roa lahy sady nanao voady hoe hifanampy foana. Nomen’i Jonatana an’i Davida koa ny akanjony, ny sabany, ny tsipìkany, ary ny fehikibony.

Rehefa nandositra an’i Saoly i Davida, dia nankany aminy i Jonatana. Hoy izy: ‘Mahereza dia aza matahotra, fa efa nofidin’i Jehovah ho mpanjaka ianao. Dadanay aza mahafantatra an’izany.’ Tena namana tsara i Jonatana e?

Imbetsaka i Jonatana no saika maty satria niaro an’i Davida. Fantany hoe te hamono an’i Davida i Saoly. Dia hoy i Jonatana tamin’ny dadany: ‘Manota ianao raha mamono an’i Davida. Izy tsinona tsy nanao ratsy.’ Tezitra be tamin’i Jonatana i Saoly.

Maty tany an’ady i Saoly sy Jonatana tatỳ aoriana. Rehefa maty i Jonatana, dia notadiavin’i Davida i Mefiboseta zanak’i Jonatana. Dia hoy i Davida taminy: ‘Namako be mihitsy dadanareo, dia izaho no hikarakara anao mandra-pahafatinao. Hipetraka ato amiko ianao sady hiara-misakafo amiko.’ Tsy hadinon’i Davida mihitsy i Jonatana.

“Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.”—Jaona 15:12, 13