Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 43

Nanota i Davida Mpanjaka

Nanota i Davida Mpanjaka

Lasa mpanjaka i Davida rehefa maty i Saoly, ary 30 taona izy tamin’izay. Rehefa nanjaka elaela izy, dia nanao zavatra tena ratsy. Teny an-tampon-tranony izy indray alina izay, dia nahatazana vehivavy tsara tarehy. Fantany avy eo hoe i Batseba vadin’i Oria ilay vehivavy, ary miaramila i Oria. Nasainy nankany aminy i Batseba, dia nanao firaisana ry zareo. Bevohoka àry i Batseba. Tsy tian’i Davida ho fantatr’olona ilay izy ka tiany hovonoina i Oria. Hoy izy tamin’ny jeneraliny: ‘Rehefa miady ianareo, dia ataovy eny aloha indrindra i Oria dia avy eo ianareo mitsoaka.’ Dia maty i Oria, ka nanambady an’i Batseba i Davida.

Hitan’i Jehovah daholo anefa izany. Nirahiny ho any amin’i Davida àry i Natana mpaminany, hiteny hoe: ‘Nisy lehilahy mpanankarena izay nanana ondry be dia be. Fa ny an’ny lehilahy mahantra anankiray izay, ondry kely iray fotsiny. Nalain’ilay mpanankarena anefa ilay izy.’ Tezitra be i Davida ka niteny hoe: ‘Tokony hovonoina ho faty izany lehilahy izany!’ Dia hoy i Natana: ‘Ianao ange ilay izy e!’ Nalahelo be i Davida ka niteny hoe: ‘Tena nanota tamin’i Jehovah aho.’ Lasa nikorontana be ny fiainan’i Davida sy ny fianakaviany, noho ilay fahotany. Nosazin’i Jehovah i Davida, nefa tsy novonoiny ho faty satria nanetry tena dia nifona.

Te hanamboatra tempoly ho an’i Jehovah i Davida. I Solomona zanany anefa no tian’i Jehovah hanao an’ilay izy. Nanomana ny zavatra rehetra nilaina àry i Davida. Hoy izy: ‘Tsy maintsy hatao tsara be mihitsy ny tempolin’i Jehovah. I Solomona anefa mbola kely, dia hampiako hanomana ny zava-drehetra izy.’ Nanome vola be i Davida, ary nitady mpiasa mahay. Nanangona volamena sy volafotsy koa izy, ary nanafatra hazo sedera avy tany Tyro sy Sidona. Rehefa akaiky ho faty izy, dia nomeny an’i Solomona ny planin’ilay tempoly. Hoy izy: ‘Nasain’i Jehovah nataoko ho anao ity planina ity. Aza matahotra fa hanampy anao i Jehovah. Mahereza dia ataovy ilay asa.’

“Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.” —Ohabolana 28:13