LESONA 45

Nizara Roa Ilay Fanjakana

Nizara Roa Ilay Fanjakana

Niadana be ny Israelita tamin’ny andron’i Solomona. Nanambady vehivavy be dia be hafa firenena anefa i Solomona, ary mpanompo sampy ireny vadiny ireny. Niova tsikelikely àry izy ka tsy nivavaka tamin’i Jehovah intsony fa nanompo sampy. Tezitra be i Jehovah, ka hoy izy tamin’i Solomona: ‘Hesorina aminao sy ny zanakao ny fanjakan’ny Israely ka hozaraiko roa. Faritra kely fotsiny no homeko ny zanakao fa ny ambiny ho an’ny mpiasanao.’

Indray mandeha, dia nifanena tamin’i Ahia mpaminany ny mpiasan’i Solomona anankiray atao hoe Jeroboama. Nozarazarain’i Ahia 12 ny akanjony, dia hoy izy tamin’i Jeroboama: ‘Hesorin’i Jehovah amin’i Solomona sy ny zanany ny fanjakan’ny Israely ary hozarainy roa. Makà folo amin’ireto ianao satria ianao no hanjaka amin’ny foko folo.’ Rehefa henon’i Solomona izany, dia notadiaviny hovonoina i Jeroboama. Nandositra tany Ejipta àry izy. Maty i Solomona tatỳ aoriana, ary i Rehoboama zanany no lasa mpanjaka. Sahy niverina tany Israely amin’izay i Jeroboama.

Hoy ny anti-panahin’ny Israely tamin’i Rehoboama: ‘Raha tsara fanahy amin’ny vahoaka ianao, dia tsy hivadika aminao ry zareo.’ Hoy kosa ny naman’i Rehoboama, izay nitovitovy taona taminy: ‘Ataovy mahamay any ireo vahoaka ireo, ka tereo hiasa mafy!’ Ny tenin’ny namany indray no narahin’i Rehoboama. Nikomy àry ny vahoaka, dia nizara roa ny fanjakana sy ny foko 12. I Jeroboama no natao mpanjakan’ny foko folo, na ilay hoe fanjakan’ny Israely. I Rehoboama kosa no mpanjakan’ny foko roa ambiny, na ny fanjakan’ny Joda.

Tao anatin’ny fanjakan’i Rehoboama i Jerosalema, ary tany ny olona no nivavaka. Tsy tian’i Jeroboama ho any anefa ny vahoakany sao ho lasa tia an’i Rehoboama indray. Nanamboatra zanak’omby volamena roa àry izy, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: ‘Lavitra be any Jerosalema fa aleo eto ihany ianareo no mivavaka.’ Lasa nivavaka tamin’ireo zanak’omby volamena ireo àry ny vahoaka, ka nanadino an’i Jehovah.

‘Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Inona no zavatra iombonan’ny mino amin’ny tsy mpino?’ —2 Korintianina 6:14, 15