LESONA 48

Velona Indray ny Zanak’ilay Vehivavy

Velona Indray ny Zanak’ilay Vehivavy

Mbola tsy nisy orana mihitsy tamin’izay. Dia hoy i Jehovah tamin’i Elia: ‘Mandehana mankany Zarefata, fa misy vehivavy maty vady hanome sakafo anao any.’ Rehefa tonga teo am-bavahadin’ilay tanàna i Elia, dia nahita vehivavy mahantra naka kitay. Nangatahin’i Elia rano izy, dia avy eo nangatahiny mofo. Hoy anefa ilay vehivavy: ‘Tsy manana mofo homena anao aho, fa misy lafarinina sy menaka kely izay ao hanaovako mofo ho an’ahy sy ny zanako lahy.’ Dia hoy i Elia: ‘Efa niteny i Jehovah hoe raha omenao mofo aho, dia tsy ho lany ny lafarinina sy ny menakao, mandra-pilatsaky ny orana indray.’

Nody àry ilay vehivavy ka nanamboatra mofo ho an’ilay mpaminanin’i Jehovah. Dia marina tokoa ilay tenin’i Jehovah! Nanana lafarinina sy menaka be dia be izy mianaka ka nanana sakafo foana.

Nisy loza nitranga avy eo. Narary mafy ny zanak’ilay vehivavy dia maty. Niangavy an’i Elia hanampy azy ilay vehivavy. Nalain’i Elia teny amin’ny reniny àry ilay ankizilahy, dia nentiny tao amin’ny efitra tany ambony. Natsotrany teo ambony fandriana ilay ankizy, dia nivavaka izy hoe: ‘Jehovah ô, mba ataovy velona indray ity ankizy ity.’ Fantatrao ve hoe nahoana no fahagagana lehibe izany? Satria mbola tsy nisy natsangana tamin’ny maty talohan’izay, sady tsy Israelita akory ilay vehivavy sy ilay zanany.

Nataon’i Jehovah velona indray anefa ilay ankizilahy! Hoy i Elia tamin’ilay vehivavy: ‘Io fa velona ny zanakao!’ Faly be ilay vehivavy, dia niteny tamin’i Elia hoe: ‘Fantatro izao hoe tena mpanompon’Andriamanitra tokoa ianao, satria izay asain’i Jehovah teneninao ihany no teneninao, dia tanteraka foana ilay izy.’

“Diniho tsara ange ny goaika e! Tsy mamafy na mijinja ireny, sady tsy manana sompitra na trano fitehirizam-bokatra, kanefa Andriamanitra mamelona azy. Tsy sarobidy lavitra noho ny vorona ve ianareo?”—Lioka 12:24