Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 49

Nosazina Ilay Mpanjakavavy Ratsy Fanahy

Nosazina Ilay Mpanjakavavy Ratsy Fanahy

Nisy lehilahy anankiray atao hoe Nabota nanana tanimboaloboka tao Jezirela. Tazana avy teo am-baravarankelin’ny tranon’i Ahaba Mpanjaka ilay izy, dia tian’i Ahaba hovidina. Tsy nety nivarotra an’ilay izy anefa i Nabota, satria tsy navelan’i Jehovah hamidy ny lova. Tezitra be àry i Ahaba ka nijanona tao amin’ny efitra fatoriany, sady nidongy tsy nety nihinan-kanina.

Dia hoy i Jezebela vadin’i Ahaba: ‘Ianao ange ny mpanjakan’ny Israely e! Dia azonao alaina daholo izay tianao. Ao fa halaiko ho anao ilay tanimboaloboka.’ Nandefa taratasy ho an’ny anti-panahy tao an-tanàna i Jezebela, dia nasainy nandainga ry zareo hoe niteny ratsy an’Andriamanitra, hono, i Nabota ka tokony hotorahana vato ho faty. Izany tokoa no nataon’ireo anti-panahy ireo. Hoy i Jezebela tamin’i Ahaba avy eo: ‘Efa maty i Nabota, fa alaivo amin’izay ilay tanimboaloboka.’ Tena ratsy saina mihitsy i Jezebela e?

Efa be dia be ny olona tia an’i Jehovah novonoin’i Jezebela, fa tsy i Nabota irery. Nanompo sampy koa i Jezebela, ary nanao zavatra ratsy be dia be. Hitan’i Jehovah daholo anefa izany. Dia inona no nataony?

Rehefa maty i Ahaba, dia i Jorama zanany no lasa mpanjaka. Nirahin’i Jehovah ny lehilahy anankiray atao hoe Jeho, mba hanasazy an’i Jezebela sy ny fianakaviany.

Nandeha kalesy i Jeho nankany Jezirela, satria tany i Jezebela no nipetraka. Nandeha kalesy koa i Jorama nitsena an’i Jeho. Hoy izy: ‘Mpinamana ve isika?’ Dia hoy i Jeho: ‘Tsy mpinamana izany mihitsy isika raha mbola manao zavatra ratsy be dia be i Jezebela reninao.’ Nahodin’i Jorama ny kalesiny fa andeha hitsoaka izy. Notifirin’i Jeho tamin’ny zana-tsipìka anefa izy ka maty.

Nankany amin-dry Jezebela i Jeho avy eo. Nanao makiazy i Jezebela, raha vao fantany hoe ho avy i Jeho. Namboariny koa ny volony, dia niandry teo am-baravarankely ambony izy. Rehefa tonga i Jeho, dia nasiasiaka be taminy i Jezebela. Hoy anefa i Jeho tamin’ny mpiasa nijoro teo akaikin’i Jezebela: “Azerao izy!” Dia nazeran-dry zareo avy teo amin’ilay varavarankely izy ka maty.

Novonoin’i Jeho koa izy 70 lahy zanak’i Ahaba, ary nataony tsy nisy intsony ny fivavahana tamin’i Bala. Tena hitan’i Jehovah tokoa ny zavatra ratsy rehetra ataon’ny olona e? Miandry fotoana mety fotsiny izy, dia saziny ilay olona.

“Raha fitiavan-karena no nahazoana lova tany am-piandohana, dia tsy hitondra fitahiana izany any am-parany.” —Ohabolana 20:21